Testamenta Vaovao 2023
16–22 ôktôbra. Tesaloniana 1 sy 2: “[Ataovy izay hahatanteraka] ny tsy ampy amin’ny finoanareo”


“16–22 ôktôbra. Tesaloniana 1 sy 2: —[Ataovy izay hahatanteraka] ny tsy ampy amin’ny finoanareo,—” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“16–22 ôktôbra. Tesaloniana 1 sy 2,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2023

Sary
rahavavy misiônera miresaka amin’ny tovolahy iray

16–22 ôktôbra

Tesaloniana 1 sy 2

“[Ataovy izay hahatanteraka] ny tsy ampy amin’ny finoanareo”

Nampianatra i Almà hoe: “Aza matoky olona ho mpampianatra na ho mpiahy anareo raha tsy olon’ Andriamanitra izy ka mandeha amin’ny lalany sy mitandrina ny didiny” (Môzià 23:14). Inona no torohevitra aroson’io soratra masina io mikasika ny fomba tokony hiomananao hampianatra?

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Omeo minitra vitsy ny mpianatra mba hamakiany haingana ny Tesaloniana 1 sy 2 ka hitady andininy iray izay nisarika ny sain’izy ireo. Asao izy ireo hizara ireo andinin-tsoratra masiny amin’ny olona iray hafa ao an-dakilasy, ary aorian’izay dia mangataha mpiara-miasa tsiroaroa vitsivitsy hizara ny zavatra nianarany avy amin’izy samy izy.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

1 Tesaloniana 1:5–8; 2:1–13

Tokony hitory amin-kitsimpo sy amim-pitiavana ny mpanompon’ny Tompo.

  • I Paoly dia nanomboka ny Epistili[ny] ho an’ny Tesaloniana tamin’ny fampahatsiahivana ireo Olomasina ny fomba nizarany sy nizaran’ny olona hafa ny filazantsara tamin’izy ireo. Mety ho fotoana tsara izany mba hanombantombanan’ny mpianatrao hoe manao ahoana izy ireo eo amin’ny fifampianaran’izy samy izy sy eo amin’ny fianarana avy amin’ny izy samy izy. Afaka manasa ny mpianatra ianao hamaky ny 1 Tesaloniana 1:5–8; 2:1–13 ary hitady ireo fitsipika mifandray amin’ny fizarana amim-pahombiazana ny filazantsara. Avy eo izy ireo dia afaka manoratra fanontaniana mifototra amin’ireo andininy ireo izay hanampy azy ireo hanombantombana ny ezaka ataon’izy ireo eo amin’ny fampianarana ny hafa. Ohatra, ny fanontaniana iray dia mety hoe “Moa ve aho ohatra amin’ireo zavatra izay fantatro fa marina?” (jereo ny 1 Tesaloniana 1:7). Nahoana no afaka manampy antsika hanompo tsara kokoa ireo izay ampianarintsika ny fanarahana ireo fitsipika ao anatin’io andinin-tsoratra masina io?

1 Tesaloniana 3:9–13; 4:1–12

Rehefa manaraka an’i Jesoa Kristy isika dia afaka manao izay hahamasina anao Izy.

  • Nampianatra ireo Olomasina Tesaloniana i Paoly hoe “Fa Andriamanitra tsy niantso antsika ho amin’ny fahalotoana, fa amin’ny fahamasinana” (1 Tesaloniana 4:7). Mba hanombohana fifanakalozan-kevitra iray momba ny fahamasinana dia afaka mihira ny “Ah, donne-moi, Père” (Cantiques, no. 70) ny mpianatrao rehetra na ny iray amin’izy ireo. Angataho ny mpianatra mba hifanakalo hevitra momba ireo toetoetran’ny fahamasinana voalaza ao amin’ilay hira izay nisarika ny sain’izy ireo. Soraty eny amin’ny solaitrabe Ah, donne-moi, Père, plus de … , dia asao ny mpianatra mba hitady teny na andian-teny avy ao amin’ny 1 Tesaloniana 3:9–13; 4:1–12 mba hamenoana ny fehezan-teny. Ahoana no ahafahantsika manana ireo toetoetra ireo?

  • Mety ho toy ny hahakivy ilay fanasana mba ho masina. Mety hanampy raha toa ka takatry ny mpianatra fa ny fiezahana hanana fahamasinana dia dingana mandeha miandalana, izay mitaky antsika “hitombo hatrany hatrany” rehefa mandeha ny fotoana (1 Tesaloniana 4:10). Mba hanehoana io dingana io dia afaka manasa mpianatra iray ianao hiresaka mikasika ny talenta na ny zava-bita iray izay nilàna ezaka tsy tapaka tao anatin’ny fotoana naharitraritra, toy ny manamboatra bemiray na mitendry zava-maneno iray. Inona no mampitovy izany amin’ilay dingana hahatongavana ho masina? Asao ny mpianatra hamaky ny 1 Tesaloniana 1:9–13; 4:1-12 ary hizara hevi-baovao mikasika ny ezaka ilaina hatao mba hahatongavana ho masina araka ny fomba nofariparitan’i Paoly. Inona no nanampy antsika handroso mankany amin’ny fahamasinana?

1 Tesaloniana 4:11–12; 2 Tesaloniana 3:7–13

Tokony hiasa isika mba hamatsiana izay ilain’ny tenantsika sy ireo izay sahirana.

  • Ny fanontaniana tahaka izao manaraka izao dia afaka mitarika ho amin’ny fifanakalozan-kevitra momba ny torohevitr’i Paoly mikasika ny asa: Inona no vokatry ny fidonanaham-poana? Inona avy ireo fitahiana azo avy amin’ny asa? Inona araka ny eritreritrao no tian’i Paoly holazaina tamin’ny alalan’ireo teny hoe “tafatoetra tsara” sy “tsara”? (1 Tesaloniana 4:11; 2 Tesaloniana 3:12). Afaka manoratra fanontaniana toy ireto eny amin’ny solaitrabe ianao mba hosaintsainin’ny mpianatra sy hifanakalozan’izy ireo hevitra rehefa mamaky ny 1 Tesaloniana 4:11–12 and 2 Tesaloniana 3:7–13. Inona avy ireo soratra masina hafa izay manampy antsika hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny asa sy ny loza ateraky ny fidonanaham-poana? (jereo ireo sosokevitra ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny”).

2 Tesaloniana 2

Nisy aloha ny Apôstazia mialoha ny hahatongavan’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany.

  • Mety hanampy ny firesadresahana ny sasany amin’ireo fanoharana izay nampiasain’ireo mpaminany hamaritana ny Apôstazia, toy ny fihemorana (jereo ny 2 Tesaloniana 2:3), ny mosary (jereo ny Amosa 8:11–12), ny ambodia masiaka miditra ao amin’ny andian’ondry (jereo ny Asan’ny Apostoly 20:28–30), ary ny sofina mangidihidy (jereo ny 2 Timoty 4:3–4). Zarao ho tsiroaroa ny mpianatra dia angataho izy ireo hamaky ny iray na ny maro amin’ireto soratra masina ireto (na soratra masina hafa fidinao) sy hilazalaza ny zavatra ampianarin’ireo andininy ireo momba ny Apôstazia Lehibe. Inona no nampianarin’ireo mpaminany momba ny Apôstazia sy ny ho vokatr’izany?

  • Na dia tsy hiaina fihemorana iray hafa aza ny Fiangonana (2 Tesaloniana 2:3) toy ny niseho fahiny dia mbola mety hiaina fihemoran’ny tena manokana isika. Inona no lazain’ny 2 Tesaloniana 2 momba ny fomba mety hitrangan’izany fihemorana izany (jereo ny andininy 9–10) sy ny fomba ahafahantsika misoroka izany? (jereo ny andininy 15–17).

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana

Loharanom-pitaovana fanampiny

Soratra masina momba ny asa sy ny fidonanaham-poana.

Manatsara ny fampianarantsika

Mampiasà fomba fampianarana isan-karazany. Mety ho mora ny mizatra mampiasa fomba fampianarana iray manokana, kanefa misy akony amin’ny mpianatra samihafa ny fomba fampianarana samihafa. Mitadiava fomba hanovanovana ny fomba fampianaranao, toy ny fampiasana horonan-tsary, na haikanto, na mozika na fanomezana fahafahana ny mpianatra mba hampianatra (jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy22).

Hamoaka printy