Testamenta Vaovao 2023
9–15 ôktôbra. Filipiana; Kolosiana: “Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’ilay mampahery ahy”


“9–15 ôktôbra. Filipiana; Kolosiana: —Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’ilay mpampahery ahy—” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“9–15 ôktôbra. Filipiana; Kolosiana,” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2023

Sary
I Paoly mampanoratra taratasy avy ao amin’ny fonja

9–15 ôktôbra

Filipiana; Kolosiana

“Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’Ilay mampahery ahy”

Atombohy amin’ny alalan’ny famakiana ny Filipiana sy ny Kolosiana, ary halalino ombam-bavaka ny fotopampianarana izay tian’ny Tompo hampianarinao. Avelao ny Fanahy hitarika anao rehefa mieritreritra ireo fanontaniana sy loharano izay azonao ampiasaina hampianarana io fotopampianarana io ianao.

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Asao ireo mpianatra hizara teny na andian-teny iray izay mamintina ny zavatra nianarany avy tao amin’ny Filipiana sy ny Kolosiana ary avy eo hanazava ny antony nifidianany izany tena na andian-teny izany. Amporisiho izy ireo hizara andinin-tsoratra masina ao anatin’ny fanazavany.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Filipiana 2:1–5, 14–18; 4:1–9; Kolosiana 3:1–17

Lasa olona “vaovao” isika rehefa miaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

  • Azonao atao ny manampy ny mpianatrao hijery ny dikan’ny hoe “manary ny toetra taloha” ary “mitafy ny toetra vaovao” amin’ny alalan’i Jesoa Kristy (Kolosiana 3:9–10). Mba hanaovana izany dia azonao atao ny mampiseho sarina zavatra iray taloha sy amin’izao fotoana izao izay novaina hanana endrika vaovao (toy ny fanaka na trano na bisikileta). Ny mpianatra dia afaka mifampiresaka mikasika ny fomba hahatongavantsika ho “vaovao” amin’ny alalan’ny finoantsika an’i Jesoa Kristy sy ny fahavononantsika hiaina ny filazantsarany. Mandritra io fifampiresahana io dia asao ny antsasaky ny mpianatra handalina ny Filipiana 2:1–5, 14–18; 4:1–9 ary ny antsasany hafa handalina ny Kolosiana 3:1–17, ka hamantatra ireo toetoetra fonosin’ny hoe “toetra taloha” sy ny hoe “toetra vaovao.” Azonao atao ihany koa ny manasa mpianatra vitsivitsy hizara ny fomba nahafahan’ny fananan’izy ireo finoana an’i Jesoa Kristy sy ny fiainan’izy ireo ny filazantsara nanampy azy ireo ho tonga olom-baovao.

Filipiana 4: 1–13.

Afaka mahita fifaliana ao amin’i Kristy isika, na inona na inona toe-javatra iainantsika.

  • Na dia tsy mitovy amin’ny an’i Paoly aza ny toe-javatra iainantsika, dia azontsika atao ny mianatra avy amin’ny fahavononany ho faly sy ho ravoravo tao anatin’ny toe-javatra rehetra teo amin’ny fiainany. Mba hanombohana fifanakalozan-kevitra mikasika ity lohahevitra ity, dia afaka mamerina mijery ny sasany amin’ireo fitsapana niainan’i Paoly ianao (jereo ohatra ny, 2 Korintiana 11:23–28). Avy eo dia afaka miangavy ireo mpianatra ianao hamerina hijery ny Filipiana 4:1–13 ary hitady ny torohevitra nomen’i Paoly izay manampy antsika hifaly, na dia amin’ny fotoan’ny fitsapana aza.

  • Angamba afaka mizara zavatra niainana ireo mpianatra izay nahatsapany “ny fiadanan’ Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra” (Filipiana 4:7) na nahatsapany ho nahazo hery tamin’ilay “mpampahery” (andininy 13) hanatanterahana zavatra izay tsy ho vitany raha tsy nisy izany.

  • Raha tianao halalinina bebe kokoa io lohahevitra io dia afaka mangataka mpianatra iray ianao hizara tantara manentana ny fanahy na teny nambara vitsivitsy avy amin’ny lahateny nataon’ny Filoha Russell M. Nelson hoe “Fifaliana sy fahavelomana ara-panahy” (Liahona, nôv. 2016, 81–84). Ahoana no fomba nahitan’ireo olona tao amin’ny lahatenin’ny Filoha Nelson fifaliana na dia teo aza ireo toe-javatra sarotra niainan’izy ireo?

  • Satria mihanaka be ny ratsy amin’izao fotoana izao, dia afaka ny hahazo tombontsoa ny mpianatrao avy amin’ny torohevitr’i Paoly hoe “hihevitra” ireo zavatra izay madio, mahatehotia, tsara laza, misy hatsaram-panahy na misy dera (Filipiana 4:8). Azonao atao tsara ny manome ny mpianatra tsirairay (na vondrona mpianatra kely) ny iray amin’ireo toetra voatanisa ao amin’ny Filipiana 4:8 na ny Fanekem-pinoana1:13. Afaka mampiasa ny Torolalana ho an’ny soratra masina ny tsirairay avy amin’izy ireo hitadiavana soratra masina mikasika ireo toetra nomena azy ireo, ary hizara amin’ny iray kilasy ny zavatra hitan’izy ireo. Afaka mizara koa ohatra maneho izany toetra izany izay hitany eo amin’ny fiainan’ny olona izy ireo. Ahoana no ataontsika raha “hikatsaka ireny zavatra ireny”?

Kolosiana 1:12–23; 2:2–8

Rehefa “mamaka” ao amin’i Kristy isika dia hahazo hery hiadiana amin’ny fitaoman’izao tontolo izao.

  • Ny tenivavolombelon’i Paoly hita ao amin’ny Kolosiana 1:12–23; 2:3–8 dia manome fahafahana tsara ny mpianatra mba handalina sy hanamafy orina ny finoan’izy ireo manokana. Azon’ny mpianatra atao ny mamakafafaka ireo andininy ireo mba hahitana ireo zavatra izay manamafy orina ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy. Inona no dikan’ny hoe “mamaka sy miorina eo amin’i [Jesoa Kristy]”? (Kolosiana 2:7). Ilay sarina hazo ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia hanampy ny mpianatra hifanakalo hevitra mikasika an’io andininy io. Inona no mety hampatanjaka na hampalemy ny fakan-kazo iray? Amin’ny fomba ahoana ny hoe “mamaka sy miorina eo amin’i [Jesoa Kristy]” no manome hery antsika hiady amin’ny fitaoman’izao tontolo izao? (jereo ny Kolosiana 2:7–8; jereo koa ny Helamàna 5:12; Etera 12:4).

  • Azonao asaina ireo mpianatra mba hitanisa zavatra izay ampianarin’ny Kolosiana 1:12–23; 2:2–8 ka azontsika atao mba hisorohana ny “famitahana foana” izay mety hahalasa babo ny finoantsika an’i Kristy (Kolosiana 2:8). Ahoana no ahafahantsika mifanohana eo amin’ny ezaka ataontsika hanaraka ny Mpamonjy sy hisoroka ny famitahan’i Satana?

Manatsara ny fampianarantsika

Mampiasà hira. Ny mozika masina dia manasa ny fitarihan’ny Fanahy Masina. Afaka miteraka tontolo feno fanehoam-panajana izany ary mitaona amin’ny fanolorantena sy ny asa. Eritrereto hoe ahoana no hampidirana ny “mifampianara ka mifananara amin’ny salamo sy ny fihirana” ao amin’ny fotoam-pianaranao (Kolosiana 3:16; jereo koa ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 22).

Hamoaka printy