Testamenta Vaovao 2023
2–8 ôktôbra. Efesiana: “Ho fanatanterahana ny olona masina”


“2–8 ôktôbra. Efesiana: —Ho fanatanterahana ny olona masina—” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“2–8 ôktôbra. Efesiana,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2023

Sary
fianakaviana mijery sary

2–8 ôktôbra

Efesiana

“Ho fanatanterahana ny olona masina”

Ho tonga ny eritreritra sy ny fahatsapana mikasika ny zavatra hampianarina sy ny fomba hampianarana rehefa mandalina ombam-bavaka ny Efesiana, ireo lahateny natao nandritra fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany farany, sy ity rindran-damina ity ary ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana ianao.

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Hevero ny hanasa ny mpianatra hanoratra eny amin’ny solaitrabe fehezan-teny iray izay mamintina ny zavatra nianaran’izy ireo nandritra ny fandalinana nataon’izy ireo tamin’ity herinandro ity. Mifidiana an-kisendrasendra famintinana vitsivitsy ary asao ny mpianatra izay nanoratra izany hizara ny eritreritr’izy ireo.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Efesiana 2:19–22; 4:4–8, 11–16

Ireo mpaminany sy apôstôly, ary isika rehetra, dia mampatanjaka sy mampiray ny Fiangonana.

  • Afaka miara-manangana zavatra ve ianao sy ny mpianatra, entina hanehoana fa ny Fiangonana dia “natsangana teo ambonin’ny fanorenan’ny apostoly sy ny mpaminany,” sy hanehoana fa ny Mpamonjy no “fehizoro indrindra”? (Efesiana 2:20). Azon’ireo mpianatra atao tsara ny manisy anarana ny boaty maromaro na kaopy taratasy ary mandahatra izany ho lasa tilikambo na piramida, ka i Jesoa Kristy ary ny apôstôly sy mpaminany no mandrafitra ny fototra. Avy eo dia azonao aseho hoe inona no hitranga raha esorina i Kristy na ny mpaminany sy ny apôstôly. Fa nahoana ny vato fehizoro indrindra no fanoharana tsara maneho an’i Jesoa Kristy sy ny andraikiny ao amin’ny Fiangonana? (Mba hahitana famaritana mikasika ny vato fehizoro indrindra, dia jereo ny “Loharanom-pitaovana fanampiny.”) Azon’ny mpianatra atao ny mamakafaka ny Efesiana 2:19–22; 4:11–16 mba hahitana ireo fitahiana izay azontsika noho ny fisian’ireo apôstôly sy mpaminany ary ireo mpitarika hafa ato amin’ny Fiangonana. Inona no azontsika atao hampiorenana ny fiainantsika eo amin’ny fampianaran’izy ireo?

Sary
vato fehizoron’ny tranobe iray

I Jesoa Kristy no vato fehizoron’ny Fiangonana.

  • Raha nihaino ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ny mpianatrao taorian’ilay fotoana nihaonanareo farany dia asao izy ireo hizara ny fomba nanampian’ireo zavatra nampianarina nandritra ny fihaonambe amin’ny fanatanterahana ireo tanjona nambara ao amin’ny Efesiana 4:11–16.

  • Azonao atao angamba ny manome fotoana kely ny mpianatra mba hitanisan’izy ireo ny sasantsasany amin’ireo “fiantsoana” na andraikitra sahanintsika amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonan’i Kristy antsika (jereo ny Efesiana 4:1), ohatra, rahalahy na rahavavy manompo, ray na reny marin-toetra, mpianatr’i Kristy sy ny sisa. Avy eo dia afaka mifanakalo lisitra amin’ny mpianatra iray hafa izy ireo, sy mamaky ny Efesiana 4:4–8, 11–16, ary mizara ny fomba hanatanterahana ireo andraikitra ao amin’ny lisitr’izy ireo mba hitondrana fanampiana eo amin’ny fanamafisana orina ny tenan’i Kristy. Ahoana no ahafahantsika miara-miasa mba ho lasa iray eo ambanin’ilay hoe “iray ny Tompo, iray ny finoana, iray ny batisa”?

Efesiana 5:256:4

Afaka manamafy orina ny fifandraisantsika eo anivon’ny fianakaviana ny fanarahana ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy.

  • Mba hanampiana ny mpianatra eo amin’ny fampiharana ny torohevitra nomen’i Paoly momba ny fifandraisana eo anivon’ny fianakaviana, dia afaka manoratra fanontaniana toy izao manaraka izao ianao: Ahoana no ahafahantsika manaraka ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fomba fitondrantsika ireo olona ao amin’ny fianakaviantsika? (jereo ny Efesiana 5:25). Inona no dikan’ny hoe “manajà ny ray sy ny reninao” ho anao? (Efesiana 6:1–3). Ahoana no fomba hitaizantsika zanaka ao anatin’ny “famaizana sy ny fananaran’ny Tompo”? (Efesiana 6: 4). Afaka manao fifanakalozan-kevitra ao anatina vondrona na iarahan’ny iray kilasy momba ireo fanontaniana ireo ny mpianatra, eo am-pamakian’izy ireo ny soratra masina mifandray amin’izany. Afaka manasa ny mpianatra ianao mba hizara ohatra izay hitan’izy ireo mikasika ny olona miaina araka ireo fomba nofaritan’i Paoly.

Efesiana 6:10–18

Ny fiadian’ Andriamanitra dia hanampy amin’ny fiarovana antsika amin’ny ratsy.

  • Inona no mety hanampy ny mpianatra hiezaka hitafy ireo fiadian’ Andriamanitra rehetra isan’andro? Afaka manomana sahanasa iray ianao izay ahitana ny fampifandraisan’ny mpianatra ireo singa manorina ilay fiadiana amin’ireo fitsipika na ireo soatoavina asehony araka ny voafaritra ao amin’ny Efesiana 6:14–17. Ahoana no ahafahan’ny singa tsirairay ao amin’ilay fiadiana manampy amin’ny fiarovana antsika amin’ny ratsy? (Mba hahazoana fanampiana vitsivitsy dia jereo ny “Loharanom-pitaovana fanampiny.”) Ahoana no fomba hitafiantsika ilay fiadiana? Inona no azontsika atao mba hahitana sy hanamafisana izay mety ho fahalemena eo amin’ilay fiadiantsika?

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana

Loharanom-pitaovana fanampiny

Inona no atao hoe vato fehizoro indrindra?

Ny vato fehizoro indrindra dia ny vato voalohany apetraka rehefa manorina fototra. Ampiasaintsika ho fenitra hiaingana rehefa mandrefy sy mametraka an’ireo vato hafa rehetra izany, izay tsy maintsy atao mifanitsy amin’ilay vato fehizoro indrindra. Noho izany mizaka ny vesatry ny ambin’ny tranobe iray, dia tsy maintsy tsara fototra, sy mafy orina ary azo antoka ilay vato fehizoro indrindra (jereo ny “The Cornerstone,” Ensign, Jan. 2016, 74–75).

Ireo fiadian’ Andriamanitra.

Sikino fahamarinana ny valahanareo:Ity fiadiana ity dia toy ny fehikibo mamehy ny valahana. Ny teny hoe valahana dia mety midika ihany koa hoe: matanjaka, mahery na nohamafisina.

Fiarovan-tratran’ny fahamarinana:Ny fiarovan-tratra dia miaro ny fo sy ireo taova hafa ahavelomana.

Kiraroy ny fahavononam-panahy avy amin’ny filazantsaran’ny fihavanana ny tongotrareo:Entina ilazana ilay fitaovam-piarovana izay mamono ny tongotry ny miaramila iray.

Ampingan’ny finoana:Ny ampinga dia afaka miaro saika ny faritra rehetra eo amin’ny vatana eo anatrehan’ireo fanafihana samihafa.

Fiarovan-dohan’ny famonjena:Ny fiarovan-doha dia hiarovana ny loha.

Sabatry ny FanahyNy sabatra dia manome fahafahana antsika mba handray andraikitra hanoherana ny fahavalo.

Manatsara ny fampianarantsika

Miezaha hanana fitiavana tahaka ny an’i Kristy. Ny fifandraisanao amin’ireo izay ampianarinao dia tokony ho entanin’ny fitiavana. Hahazo fitahiana ianao sy ny mpianatrao rehefa mivavaka mba hanana fitiavana tahaka ny an’i Kristy ianareo sy mikatsaka fomba mba hampisehoana izany (jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy6; Môrônia 7:48).

Hamoaka printy