Testamenta Vaovao 2023
23–29 ôktôbra. 1 sy 2 Timoty; Titosy; Filemona: —Aoka ho tonga fianarana ho an’ny mino ianao—


“23–29 ôktôbra. 1 sy 2 Timoty; Titosy; Filemona: —Aoka ho tonga fianarana ho an’ny mino ianao—” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“23–29 ôktôbra. 1 sy 2 Timoty; Titosy; Filemona,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2023

Sary
vehivavy telo mandeha eo ivelan’ny tempoly

23–29 ôktôbra

1 sy 2 Timoty; Titosy; Filemona

“Aoka ho tonga fianarana ho an’ny mino hianao”

Vakio miaraka amin’ny fiheverana ao an-tsaina ny mpianatrao ny 1 sy 2 Timoty, ny Titosy ary ny Filemona. Ireo eritreritra sy fahatsapana izay tonga ao aminao dia hanampy anao amin’ny fitarihana ireo mpianatra hahita ireo andinin-tsoratra masina ilaina, ary hitondra ny Fanahy ao amin’ny kilasinao.

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Tena afaka manampy ny mpianatra ny mifampihaino ny resaka mikasika ny fahombiazana hitany sy ny olana niainan’izy ireo tamin’ny fandalinany soratra masina na samirery izany na niaraka tamin’ny fianakaviana. Hevero ny hanomboka ny fotoam-pianarana amin’ny fanasana ny mpianatra hiresaka mikasika izay zavatra mety tsara eo amin’ny fandalinan’izy ireo soratra masina.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

1 sy 2 Timoty; Titosy

Hanampy antsika tsy ho voafitaka ny fahatakarana ny fotopampianarana marina.

  • Miaina ao anatina fotoana izay mety hahasarotra ny famaritana ny marina sy ny diso ireo mpianatrao. Niaina tao anatina fotoana tahaka izany koa i Timoty sy i Titosy, koa angamba mety ho manan-danja ankehitriny koa ny torohevitra nomen’i Paoly azy ireo. Ireto misy andininy vitsivitsy ahitana ny torohevitr’i Paoly: 1 Timoty 1:1–7; 4:1–2, 6; 6:3–5, 20–21; 2 Timoty 3:13–17; 4:2–4; Titosy 1:7–9; 2:1, 7–8. Azonao omena iray avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo ny mpianatra tsirairay hovakiny, ary angataho mba hizara izay nianarany mikasika ny maha- zava-dehibe ny fotopampianarana marina izy (jereo ny Almà 31:5). Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny fotopampianaran’ny Mpamonjy antsika hisoroka ny fitaka? Afaka mizara zavatra niainana koa ireo mpianatra izay nitahian’ny herin’ny fotopampianarana marina azy ireo.

Sary
Misiônera roa miresaka amina lehilahy iray.

“Aoka tsy hisy olona hanao tsinontsinona anao noho ny hatanoranao; fa aoka ho tonga fianarana ho an’ ny mino hianao” (1 Timoty 4:12).

1 Timoty 4:10–16

“Aoka ho tonga fianarana ho an’ny mino hianao.”

  • Mety tsy takatry ny mpianatrao ny herin’ny ohatra tsara izay asehon’izy ireo. Hevero ny hanasa azy ireo hiresaka mikasika ny fomba nampisehoan’ny olona fantany, ka anisan’izany ny mpiara-mianatra aminy, ohatra tsara amin’ny maha-mpianatr’i Kristy azy. Mety hanatsara ny fifanakalozan-kevitra ny fanoratanao eny amin’ny solaitrabe ireo teny ao amin’ny andininy 12 izay manoritsoritra ny fomba hahatongavantsika ho ohatra—fiteny, fitondrantena, fitiavana, finoana, ary fahadiovana. Afaka mifanakalo hevitra momba ny fomba ahafahantsika ho lasa ohatra ho an’ny mino amin’ny alalan’ireo fomba tsirairay ireo ny mpianatra.

2 Timoty 1

“Fa tsy nomen’ Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena.”

  • Ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia mandroso ny hikarohana ao amin’ny 2 Timoty ny torohevitra izay nomen’i Paoly hamporisihana an’i Timoty tamin’ny asa fanompoany. Asao ny mpianatra hizara izay hevi-baovao hitany. Na azonao omena minitra vitsy izy ireo hitady sy hizara ny sasany amin’ireo torohevitr’i Paoly (ahitana ohatra tsara amin’izany ao amin’ny toko 1). Afaka mizara zavatra niainana iray koa izy ireo izay nanampian’ Andriamanitra azy ireo ny tahotr’izy ireo sy hanome azy ireo “fanahy … mahery sy fitiavana ary fahononan-tena” (2 Timoty 1:7).

2 Timoty 3

Ny fandalinana soratra masina dia hanampy antsika handresy ireo zava-doza hitranga amin’ny andro farany.

  • Rehefa avy nampitandrina an’i Timoty i Paoly mikasika ireo “andro mahory” izay ho avy dia nijoro ho vavolombelona mikasika ny hery sy ny maha zava-dehibe ny soratra masina izy (jereo ny 2 Timoty 3:1, 14–17). Mba hanombohana fifanakalozan-kevitra mikasika ny fomba ahafahan’ny soratra masina mampahery antsika amin’ny fotoan-tsarotra, dia azonao asaina ny mpianatra hamerina hijery ny fanazavana nomen’i Paoly mikasika ireo zava-doza amin’ny andro farany ao amin’ny 2 Timoty 3:1–7. Avy eo izy ireo dia afaka mitady sy mizara soratra masina izay nanampy azy ireo hitandrina amin’ny zava-doza toy izany (ny ohatra sasany dia voatanisa ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny”). Tamin’ny fomba ahoana no niarovan’ny fandalinantsika soratra masina antsika tamin’ireo olana eo amin’izao tontolo izao ankehitriny?

  • Ny fandalinana ny torohevitr’i Paoly mikasika ny herin’ny soratra masina dia mety ahafahan’ny mpianatra mifankahery eo amin’ny ezaka ataon’izy ireo eo amin’ny fandalinana ny tenin’ Andriamanitra. Angamba afaka mamaky ny 2 Timoty 3:14–17 ny mpianatra ary mamantatra ireo fitahiana sy fiarovana izay tonga amin’ny alalan’ny fandalinana soratra masina. Avy eo izy ireo dia afaka mizara ny zavatra niainany izay nahazoany ireo fitahiana ireo noho ny fandalinany ny soratra masina. Azonao atao koa ny manome fotoana fohy handalinan’izy ireo izay zavatra azon’izy ireo atao mba hananana traikefa tsara kokoa amin’ny soratra masina, na ho azy ireo manokana izany na amin’ny maha-fianakaviana.

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana

Loharanom-pitaovana fanampiny

Ireo fahamarinana ao amin’ny soratra masina izay miaro antsika amin’ireo zava-doza amin’ny andro farany (jereo ny 2 Timoty 3:2).

Ireo zava-doza amin’ny Andro Farany

Ireo fahamarinana izay miaro antsika

Ireo zava-doza amin’ny Andro Farany

Fitiavan-tena

Ireo fahamarinana izay miaro antsika

Jaona 15:12–13

Ireo zava-doza amin’ny Andro Farany

Mpitsiriritra

Ireo fahamarinana izay miaro antsika

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:123

Ireo zava-doza amin’ny Andro Farany

Mpirehareha

Ireo fahamarinana izay miaro antsika

Môsià 2:24–25

Ireo zava-doza amin’ny Andro Farany

Mpieboebo

Ireo fahamarinana izay miaro antsika

Almà 5:27–28

Ireo zava-doza amin’ny Andro Farany

Mpiteny ratsy ny Fanahy Masina

Ireo fahamarinana izay miaro antsika

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:64

Ireo zava-doza amin’ny Andro Farany

Tsy mpanaja ray aman-dreny

Ireo fahamarinana izay miaro antsika

Efesiana 6:1–3

Ireo zava-doza amin’ny Andro Farany

Tsy mahay mankasitraka

Ireo fahamarinana izay miaro antsika

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78:19

Ireo zava-doza amin’ny Andro Farany

Tsy masina

Ireo fahamarinana izay miaro antsika

Deotoronomia 7:6

Manatsara ny fampianarantsika

Mitranga ao an-trano ny fivoarana ara-panahy. Fotoana fohy in-droa isam-bolana monja no hiarahanao amin’ny mpianatrao. Maro amin’izy ireo no miaina zavatra ara-panahy manan-danja any ivelan’ny kilasy, ary ireo zavatra niainana ireo dia afaka mampahery ny mpianatra hafa ao amin’ny kilasy. Mametraha fanontaniana izay mamporisika ireo mpianatra hizara ny zavatra ianarany rehefa mandalina ny filazantsara izy ireo any an-trano. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 18).

Hamoaka printy