Testamenta Vaovao 2023
30 ôktôbra–5 nôvambra. Hebreo 1–6: “Jesoa Kristy, —loharanon’ny famonjena mandrakizay—”


“30 ôktôbra–5 nôvambra. Hebreo 1–6: —I Jesoa Kristy, “loharanon’ny famonjena mandrakizay,”-—” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“30 ôktôbra–5 nôvambra. 1–6 Hebreo,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2023

Sary
I Kristy mijoro miaraka amin’ny zatovovavy iray

Balm of Gilead (Balsaman’i Gileada), nataon’i Annie Henrie

30 ôktôbra–5 nôvambra

Hebreo 1–6

I Jesoa Kristy, “loharanon’ny famonjena mandrakizay”

Azonao atao ny mizara amin’ny mpianatrao ny fahatsapana sasantsasany voarainao avy amin’ny Fanahy Masina momba ny Hebreo 1–6. Ny fanaovana izany dia mety hitaona azy ireo hikatsaka fahatsapana ho azon’izy ireo manokana rehefa mandalina ny soratra masina.

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Ny mpianatra sasany izay tsy mizara hevitra matetika ao an-dakilasy dia mety mila fanasana manokana sy fotoana kely hiomanana fotsiny. Afaka mifandray amin’ny vitsivitsy amin’izy ireo iray na roa andro mialoha ianao ary mangataka azy ireo ho tonga amim-pahavononana hizara andininy iray avy ao amin’ny Hebreo 1–6 izay manan-danja amin’izy ireo.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Hebreo 1–5

I Jesoa Kristy no “loharanon’ny famonjena mandrakizay.”

  • Ahoana no fomba ahafahanao mamporisika ny mpianatra hizara soratra masina manan-danja momba an’i Jesoa Kristy izay hitan’izy ireo tamin’ny fandalinany samirery sy niaraka tamin’ny fianakaviana nandritra ity herinandro ity? Hevero ny hanao tabilao iray mizara dimy, hanasiana ny tsirairay amin’ireo toko dimy voalohany ao amin’ny Hebreo. Asaivo soratan’ny mpianatra ao amin’ny faritra mifanaraka amin’izany ireo andian-teny avy ao amin’ireo toko ireo izay mampianatra azy ireo momba an’i Jesoa Kristy sy ny andininy ahitana ny andian-teny tsirairay. Inona no fiantraikan’ny fahafantarana ireo zavatra momba ny Mpamonjy ireo eo amin’ny finoantsika Azy sy ny fahavononantsika hanaraka Azy?

Hebreo 2:9–18; 4:12–16; 5:7–8

Niaritra ny zavatra rehetra i Jesoa Kristy mba hahafahany mahatakatra sy manampy antsika rehefa mijaly isika.

  • Ny Hebreo 2:9–18; 4:12–16; 5:7–8 dia afaka manampy olona izay mandinika ny fijaliana eto amin’izao tontolo izao ka manontany tena raha mahatsikaritra izany Andriamanitra na mba miraharaha izany. Azon’ny mpianatra atao angamba ny mamakafaka ireo andinin-tsoratra masina ireo mba hitadiavana ireo fahamarinana izay hanampy amin’ny famaliana fanontaniana toy izany. Inona no ampianarin’ireo andininy ireo mikasika ny fomba fiatrehan’ny Mpamonjy ny fahoriana mihatra amin’ny olombelona? Mety hanampy ihany koa ny manasa ny mpianatra hizara ohatra avy amin’ny soratra masina ahitana an’i Jesoa Kristy manampy sy mankahery olona ao anatin’ny fijaliany (jereo ny “Loharanom-pitaovana fanampiny”) na alefaso ilay horonan-tsary hoe “Des montagnes à gravir” (ChurchofJesusChrist.org). Afaka mifanakalo hevitra mikasika ny zavatra ianarany momba ny fomba ahafahan’ny Mpamonjy manampy antsika rehefa miatrika olana sarotra ireo mpianatra.

Hebreo 3:74:2

Afaka mahazo ny fitahian’ Andriamanitra ireo izay “[tsy] manamafy ny [fony].”

  • Ny Hebreo 3 sy ny 4 dia mirakitra fiangaviana ny Olomasina mba tsy hanamafy ny fony ka dia hanjary handà ireo fitahiana tian’ Andriamanitra homena azy ireo. Rehefa mamaky ny Hebreo 3:74:2 ianao sy ny mpianatrao dia ifanakalozy hevitra ireo fomba azo hampiharana amintsika ankehitriny ireo zavatra niainan’ireo Isiraelita fahiny, tahaka ny niharan’izany tamin’ireo Hebreo tany am-piandohan’ny Fiangonana (jereo ny fitaovana enti-mandalina momba ireo andininy ireo ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana). Inona no azontsika atao hanalefahana ny fontsika sy handraisana andraikitra eo anatrehan’ny sitrapon’ny Tompo? (jereo ny Ohabolana 3:5–6; Almà 5:14–15; Etera 4:15). Afaka mizara ny fomba nitahiana azy ireo na nitahiana olona hafa fantany noho ny fananany fo malefaka sy torotoro ireo mpianatra.

Hebreo 5:1–5

Tsy maintsy voantson’ Andriamanitra ireo izay manompo ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra.

  • Ny hafatra ao amin’ny Hebreo 5 momba ny mpihazona fisoronana izay voantson’ Andriamanitra dia afaka mihatra amin’ireo rehetra izay natokana tamin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana hanompo ao amin’ny antso ao amin’ny Fiangonana. Mba hanampiana ireo mpianatrao hahafantatra ny dikan’ny hoe “antsoin’ Andriamanitra, tahaka an’i Arona,” dia asao izy ireo hamaky ilay tantara momba an’i Arona nandray ny antsony ao amin’ny Eksodosy 4:10–16, 27–31; 28:1. Inona avy ireo hevitra avy ao amin’io tantara io izay manampy antsika hahatakatra ny Hebreo 5:1–5? Azon’ireo mpianatra zaraina ny fomba nahazoan’izy ireo fanamafisana fa nantsoin’ Andriamanitra hanatanteraka antso iray manokana ny olona iray, mety ho tafiditra ao anatin’izany koa ny tenany. Ahoana no fomba nanampian’izany fanamafisana izany azy ireo mba hanohana kokoa io olona io amin’ny antsony?

Sary
Mosesy manokana an’i Aharôna

“Tsy misy maka izany voninahitra izany ho an’ny tenany afa-tsy izay antsoin’ Andriamanitra, tahaka an’i Arona” (Hebreo 5:4). Moses Calls Aaron to the Ministry (Miantso an’i Aharôna hanompo i Mosesy), nataon’i Harry Anderson

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana

Loharanom-pitaovana fanampiny

Santionany amin’ireo olona ao amin’ny soratra masina izay nampaherezin’i Jesoa Kristy.

Manatsara ny fampianarantsika

Mamorona tontolo hahatsapana ny Fanahy. Rehefa manao izay hisian’ny tontolo feno filaminana sy fitiavana ianao ao amin’ny efitrano hampianaranao dia ho mora kokoa ho an’ny Fanahy ny hikasika ny fon’ireo izay ampianarinao. Inona no azonao atao mba hanasana ny fitaoman’ny Fanahy ho ao amin’ny efitrano hampianaranao? Afaka manova ny fipetraky ny seza ve ianao na mampiasa sary na hira mba hanasana ny Fanahy? (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 15.)

Hamoaka printy