Testamenta Vaovao 2023
13–19 nôvambra. Jakoba: “Aoka ho mpankatò ny teny hianareo fa aza mpihaino fotsiny ihany”


“13–19 nôvambra. Jakoba: —Aoka ho mpankatò ny teny hianareo fa aza mpihaino fotsiny ihany—” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“13–19 nôvambra. Jakoba,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2023

Sary
zatovo manadio rindrina iray

13–19 nôvambra

Jakoba

“Aoka ho mpankatò ny teny hianareo fa aza mpihaino fotsiny ihany”

Mialoha ny hamakiana ity rindran-damina ity dia vakio ny Epistilin’i Jakoba ary henoy tsara ireo bitsika voarainao. Inona avy ireo fitsipika izay hitanao fa hitahy sy hanamafy orina ny mpianatra?

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Asao ny mpianatra hizara andininy avy ao amin’ny Jakoba izay nanosika azy ireo ho “mpankato ny teny” (Jakoba 1:22). Azon’izy ireo atao ihany koa ny mizara ny zavatra tsapany izay ilàna ny fandraisan’andraikitr’izy ireo manokana na amin’ny maha-fianakaviana, raha toa tsy tena midikiditra loatra amin’ny momba azy ireo manokana izany.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Jakoba 1:5–6

Rehefa mangataka amim-pinoana isika dia manome malalaka Andriamanitra.

  • Ireo fitsipika nampianarina ao amin’ny Jakoba 1:5–6 no nitarika an’i Joseph Smith hahazo traikefa ara-panahy iray izay nanova fiainana, ary afaka mitondra fitahiana ho antsika tsirairay amin’ny fomba samihafa izany. Azonao atao angamba ny manoratra fanontaniana tahaka ireto manaraka ireto eny amin’ny solaitrabe, ary mangataka ny mpianatra mba handalina izany amim-pahanginana: Inona no fiantraikan’ny Jakoba 1:5–6 teo amin’ny fiainanao? Inona no nampianarin’ilay zavatra niainan’i Joseph Smith izay nifandray tamin’ireo andininy ireo anao mahakasika ny fikatsahana fahendrena eo anatrehan’ireo fanontaniana anananao manokana? (Jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:10–17). Inona no zavatra niainana efa nampianatra anao fa “marina ny fijoroana ho vavolombelona nananan’i Jakoba”? (Joseph Smith—Tantara 1:26). Asao ny mpianatra hizara ny eritreritr’izy ireo rehefa avy nandalina ireo fanontaniana ireo.

  • Azon’ny mpianatra atao angamba ny manambara amin’ny fomba filazan’izy ireo azy manokana ny Jakoba 1:5–6. Ahoana no fomba hanampian’izany azy ireo hahatakatra tsara kokoa ireo andininy ireo? Afaka miaraka mifanakalo hevitra mikasika ny dikan’ny sasany amin’ireo teny avy ao amin’ireo andininy ireo ianareo.

Jakoba 1:2–4; 5:7–11

Raha miaritra amim-paharetana isika dia hitondra antsika any amin’ny fahalavorariana ny Tompo.

  • Mba hanombohana fifanakalozan-kevitra iray momba ny fampianaran’i Jakoba mikasika ny faharetana ao anatin’ireo andininy ireo, dia afaka manasa ny mpianatra ianao mba hizara zavatra niainana tamin’ny fotoana tsy maintsy nananan’izy ireo faharetana sy hizara ny zavatra nianaran’izy ireo avy amin’izany zavatra niainana izany. Avy eo izy ireo dia afaka mikaroka fitsipika ao anatin’ny Jakoba 1:2–4; 5:7–11 izay mifandray amin’ny zavatra niainan’izy ireo. Afaka mitady fitsipika azo ampiharina koa izy ireo ao amin’ny hafatry ny Filoha Dieter F. Uchtdorf “Mitozoa ao amin’ny faharetana” (Liahona, mey 2010, 56–59). Ny mpianatra dia afaka mizara ny zavatra nianarany momba ny faharetana rehefa lasa nahafantatra ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy izy ireo. Inona no nanampy antsika hanana faharetana?

Jakoba 1:3–8, 21–25; 2:14–26

“Maty … ny finoana raha tsy misy asa.”

  • Ny fomba iray hifanakalozana hevitra momba ny finoana sy ny asa dia amin’ny alalan’ny fizarana ny kilasinao ho vondrona roa. Ny iray mamakafaka ny antony hitakian’ny finoana asa ary ilay iray hafa mamakafaka ny antony hitakian’ny asa ataontsika finoana. Mba hanaovana izany dia azon’izy ireo vakina ny Matio 7:21–23; Jakoba 1:6–8, 21–25; 2:14–26; ary ny Joseph Smith—Tantara 1:19. Avy eo ny vondrona tsirairay dia afaka mizara ny zavatra hitan’izy ireo ary mifampiresaka mikasika ny antony samy ilàna ny finoana sy ny asa.

    Sary
    I Abrahama mivavaka eo ivelan’ny trano lainy

    “Abrahama nino an’ Andriamanitra, ka dia nisaina ho fahamarinany izany” (Jakoba 2:23). Abraham on the Plains of Mamre (I Abrahama teo amin’ny lemak’i Mamre), nataon’i Grant Romney Clawson

  • Mba hanampiana ny mpianatra handalina misimisy kokoa ilay andian-teny mendrika ho tadidina hoe “Maty … ny finoana raha tsy misy asa” (Jakoba 2:26), dia azonao atao ny manoratra ity fehezan-teny manaraka ity eny amin’ny solaitrabe: Ny finoana tsy misy asa dia toy ny tsy misy . Asao ny mpianatra hieritreritra fomba mahomby hamenoana io fehezan-teny io, ary avelao izy ireo hanoratra ny heviny eny amin’ny solaitrabe. Inona no azontsika atao mba hahafahana manao zavatra tsy tapaka eo anatrehan’ny finoantsika an’i Jesoa Kristy?

Jakoba 2:1-9

Amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy antsika dia tia ny olona rehetra isika, na inona na inona toe-javatra iainan’izy ireo.

  • Mba hanentanana ny mpianatra hampiseho fitiavana tahaka ny an’i Kristy amin’ny olona rehetra na inona na inona toe-javatra iainan’ny hafa, ary na manao ahoana na manao ahoana ny endriny ety ivelany, dia afaka mangataka ny mpianatra ianao mba hifandimby hamaky andininy avy amin’ny Jakoba 1:9–11; 2:1–9; 5:1–6. Ifanakalozy hevitra ny fanontaniana tahaka ireto manaraka ireto: Inona no dikan’ny hoe “mizaha tavan’olona”? (Jakoba 2:9). Nahoana indraindray no raisintsika amin’ny fomba hafa ireo olona manam-bola, na malaza, na manam-pahefana fa tsy mitovy amin’ny fandraisantsika an’ireo tsy manana? Ahoana no ahafahantsika misoroka ny fitondrana mitanila ataontsika amin’ny hafa izay mifototra amin’ny toe-javatra iainan’izy ireo? Nahoana ireo mpanara-dia mahatokin’ny Mpamonjy no tena faran’izay manan-karena? (jereo ny Jakoba 2:5).

Jakoba 3

Ny teny izay ampiasaintsika dia manana hery handratrana na hitahiana ny hafa.

  • Ireo sary mafonja nampiasain’i Jakoba dia afaka mampahatsiahy na mamporisika antsika hampiasa teny, na am-bava na an-tsoratra, mba hampaherezana ny hafa. Hevero ny hanasa ny mpianatra mba handinika akaiky ny Jakoba 3, ka hitady fampitahana nampiasain’i Jakoba mba hanazavana ny fomba handratran’ireo teny na hitahian’izany ny hafa. Mety misy mpianatra te hanao sary ny zavatra hitan’izy ireo. Ahoana no fomba hanehoan’ireo fampitahana ireo an’ireo torolalana nomen’i Jakoba ao amin’ity toko ity? Ohatra, ahoana no ahafahan’ny tenintsika ho toy ny afo? Angamba ny mpianatra dia afaka mizara zavatra niainana izay mampiseho ny herin’ny teny. Azonao asaina ny mpianatra hisaintsaina ny fomba ahafahan’izy ireo mampihatra ny torohevitr’i Jakoba.

Manatsara ny fampianarantsika

Entano ny mpianatra hanorina tontolo feno fanajana. “Ampio ny mpianatrao hahatakatra fa ny tsirairay amin’izy ireo dia mitondra zavatra izay misy fiantraikany eo amin’ny zavatra tsapa ao amin’ny kilasy. Amporisiho izy ireo hanampy anao hanorina tontolo feno fahalalahana sy fitiavana ary fanajana mba hahafahan’ny olona tsirairay mahatsapa fahatokiana rehefa mizara ny zavatra niainany sy mametraka ny fanontaniany ary mizara ny fijoroana ho vavolombelona ananany” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy15).

Hamoaka printy