Testamenta Vaovao 2023
20–26 nôvambra. 1 sy 2 Petera: “[Miravoravoa] amin’ny fifaliana tsy azo tononina sady be voninahitra”


“20–26 nôvambra. 1 sy 2 Petera: —[Miravoravoa] amin’ny fifaliana tsy azo tononina sady be voninahitra—’” Avia hanaraka ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“20–26 nôvambra. 1 sy 2 Petera,” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2023

Sary
Nitory ny filazantsara tao amin’ny tontolon’ny fanahy i Jesoa Kristy

Christ Preaching in the Spirit World (I Kristy mitory ao amin’ny tontolon’ny fanahy), nataon’i Robert T. Barrett

20–26 nôvambra

1 sy 2 Petera

“[Miravoravoa] amin’ny fifaliana tsy azo tononina sady be voninahitra”

Tadidio fa ny tanjonao dia ny hampianatra olona fa tsy hampianatra lesona fotsiny. Rehefa mamaky ny Epistily nosoratan’i Petera ianao dia eritrereto tsirairay ireo mpianatrao. Inona avy ireo fitsipika hanampy azy ireo hampiorina ny finoany?

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Soraty eny amin’ny solaitrabe ny lohateny hoe 1 Petera sy 2 Petera. Omeo fotoana ny mpianatra hamakiana ireo toko ireo, ary asao izy ireo hanoratra eo ambanin’ireo lohateny ireo ny teny na andian-teny izay hitan’izy ireo fa manan-danja. Ampiasao avy eo ilay lisitra hanasana ny olona hizara ny heviny.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

1 Petera 1:3–9; 2:19–24; 3:14–17; 4:12–19

Afaka mahazo fifaliana aho mandritra ireo fotoana hisian’ny fitsapana sy ny fijaliana.

  • Fomba iray hijerena ny torohevitr’i Petera ao amin’ny 1 Petera 1:3–9; 2:19–24; 3:14–17; ary 4:12–19 ny fanasana ny mpianatra hieritreritra olona iray fantatr’izy ireo izay mandalo fitsapana. Omeo fotoana izy ireo ao am-pianarana mba hanoratana taratasy ho an’izany olona izany, ka hampiditra ao anatin’izany ireo fahamarinana avy amin’ireo andininy ireo izay hankahery izany olona izany (jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:1–8; 123:17). Avy eo dia afaka miresaka ireo fahamarinana nofidiny ny mpianatra.

1 Petera 1:13–20; 2:1–12

Antsoina mba ho “olon’ Andriamanitra” isika.

  • Ny fampianaran’i Petera ao amin’ny 1 Petera 1:13–20 sy 2:1–12 dia afaka ny ho fampahatsiahivana manentana ny fanahy ny amin’ny fomba fahitan’ny Tompo antsika vahoakany sy ny zavatra andrasany amintsika. Azonao atao tsara ny manasa ny mpianatra hamakafaka ireo andinin-tsoratra masina ireo mba hitadiavana ny famaritana ny dikan’ny hoe “olon’ Andriamanitra” (1 Petera 2:10) ary avy eo dia hiresadresaka ny zavatra hitany. Azonao hazavaina fa ny teny hoe “nalaina” ao amin’ny 1 Petera 2:9 dia midika hoe “novidina” na “notehirizina”. Inona no ampianarin’izany antsika mikasika ny zavatra tsapan’ Andriamanitra amintsika sy ny fomba tiany hiainantsika?

1 Petera 3:18–20; 4:6

Notorina tamin’ireo efa nodimandry ny filazantsara mba hahafahana mitsara azy ireo ara-drariny.

  • Ny Epistily Voalohany nosoratan’i Petera dia mirakitra ny iray amin’ireo firesahana vitsivitsy ao amin’ny Baiboly momba ny fitsidihan’i Jesoa Kristy ny tontolon’ny fanahy taorian’ny nahafatesany. Tranga iray izay hazavain’ny fanambarana maoderina amintsika feno kokoa. Mba hanampiana ny mpianatra hampitombo ny fahatakarany momba ny tontolon’ny fanahy dia afaka manasa azy ireo ianao hamaky ireto soratra masina manaraka ireto ary hanoratra ny zavatra nianarany eny amin’ny solaitrabe: Jaona 5:25; 1 Petera 3:18–20; 4:6; Almà 40:7–14, 21; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:11–32 (jereo koa ny “Loharanom-pitaovana fanampiny.”) Nahoana no manan-danja ny mahafantatra momba ny fitsidihan’ny Mpamonjy ny tontolon’ny fanahy? Inona no fiantraikan’izany fahalalana izany amin’ny fomba fahatsapantsika an’ Andriamanitra sy ny drafiny ho an’ny fahasambarana?

2 Petera 1:1–11

Afaka mampitombo ny toetra araka an’ Andriamanitra ananantsika amin’ny alalan’ny herin’i Jesoa Kristy isika.

  • Mba hamporisihana ireo izay ampianarinao eo amin’ny ezaka ataony ho tonga tahaka an’i Jesoa Kristy kokoa, dia afaka manasa azy ireo ianao mba hitady ireo toetra tahaka ny an’i Kristy izay resahina ao amin’ny 2 Petera 1:1–11. Hevero ny hanoratra eny amin’ny solaitrabe ireo toetra ireo ary angataho ny mpianatra hamaritra izany. Aorian’izay ny mpianatra dia afaka mifanakalo hevitra momba ny fomba hitarihan’ny fiezahana hanana toetra iray ho amin’ny fananana ireo toetra hafa. Omeo fotoana izy ireo hisaintsainana ny toetra izay tian’izy ireo hampivoarana bebe kokoa.

Sary
karipetra voatenona be pitsiny

Ny toetra tahaka ny an’i Kristy tsirairay izay ezahintsika hananana dia manampy antsika handrary karipetra ara-panahin’ny maha-mpianatra.

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana

Loharanom-pitaovana fanampiny

Ny asa fanavotana ny maty dia mijoro ho vavolombelona ny amin’ny asa nanirahana an’i Kristy.

Nampianatra ny Loholona D. Todd Christofferson hoe:

“Inona no anjaran’ireo olona tsy tambo isaina an’arivorivon-tapitrisa izay niaina sy maty tsy nahalala an’i Jesoa? Tonga niaraka tamin’ny Famerenana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy tamin’ny laoniny ny fahatakarana ny fomba hanavotana ireo olona nodimandry tsy vita batisa sy ny fomba ahafahan’ Andriamanitra ho —Andriamanitra marina, fanaperana, ary ho Andriamanitra feno famindram-po koa— [Almà 42:15].

“Fony mbola teto an-tany i Jesoa dia naminany fa hitory ny filazantsara amin’ny maty koa Izy [jereo ny Jaona 5:25]. Nilaza tamintsika i Petera fa izany dia nitranga teo anelan’ny Fanomboana ny Mpamonjy sy ny Fitsanganany tamin’ny maty [jereo ny 1 Petera 3:18–19]. Hitan’ny Filoha Joseph F. Smith tao anatin’ny fahitana fa nitsidika ny tontolon’ny fanahy ny Mpamonjy [jereo ny Fotopampianarana 138:30, 33]. …

“Isika tsy mahatombona te hanavotra ny maty, ary ny fotoana sy loharanom-pitaovana afointsika hanatanterahana izany fanolorantena izany no tena fanehoana indrindra ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba an’i Jesoa Kristy. Izany dia mandrafitra ny fanambarana mahery vaika indrindra izay azontsika atao mahakasika ny maha-Andriamanitra Azy sy ny asa masina nanirahana Azy. Izany dia mijoro ho vavolombelona ny amin’ireto: voalohany, momba ny Fitsanganan’i Kristy tamin’ny maty; faharoa, momba ny maha-tsy manam-petra ny herin’ny Sorompanavotany; fahatelo, fa Izy no hany loharanon’ny famonjena; fahaefatra, fa Izy no nametraka ny fepetra hahazoana ny famonjena; ary fahadimy, fa hiverina indray Izy” (“The Redemption of the Dead and the Testimony of Jesus,” Ensign, Nov. 2000, 9–10).

Manatsara ny fampianarantsika

Ampianaro ny “antony.” “Indraindray ny mpianatra, ny zatovo, dia manontany tena hoe ahoana no hiainan’izy ireo miaraka amin’ireo fitsipiky ny filazantsara na nahoana izy ireo no tokony hankatò ny karazana didy sasany. Kanefa raha takatr’izy ireo ny drafitra mandrakizain’ny Ray any An-danitra ho an’ny fahasambaran’ireo zanany, dia ho lasa mazava kokoa ny antony ilàna ireo fitsipiky ny filazantsara sy ireo didy ary hitombo ny faharisihana hankatò” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 20).

Hamoaka printy