Testamenta Vaovao 2023
27 nôvambra–3 desambra. Jaona 1–3; Joda: “Andriamanitra dia fitiavana”


“27 nôvambra–3 desambra. Jaona 1–3; Joda: —Andriamanitra dia fitiavana—” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“27 nôvambra–3 desambra. Jaona 1–3; Joda,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2023

Sary
I Jesoa Kristy mitsiky eo am-pipetrahana miaraka amin’ny ankizy mitsiky

Perfect Love (Fitiavana tonga lafatra), nataon’i Del Parson

27 nôvambra–3 desambra

1–3 Jaona; Joda

“Andriamanitra dia fitiavana”

Inona no avy ireo lohahevitra sy fitsipika nisarika ny sainao rehefa namaky ny 1–3 Jaona sy Joda ianao? Ahoana no fomba ahafahanao mampiasa azy ireo mba hanampiana ny mpianatrao?

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Manasà mpianatra maromaro mba hizara lohahevitra na fahamarinana manokana izay nisarika ny sain’izy ireo rehefa nandalina ny Epistilin’i Jaona sy Joda izy ireo. Inona no hafatra avy ireo hafatra avy tao amin’ireo epistily ireo, izay tena manan-danja ho azy ireo sy ny fianakaviany?

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

1 Jaona 1:5–10; 2:3–11; 3:1–3; 4:7–21; 5:1–3

Ohatra tonga lafatra eo amin’ny fanehoana hazavana sy fitiavana ny Ray Any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

  • Ahoana no ahafahanao manampy ireo izay ampianarinao hahafantatra ny hazavan’ Andriamanitra sy ny fitiavany eo amin’ny fiainan’izy ireo? Azonao atomboka amin’ny alalan’ny fanoratana eny amin’ny solaitrabe ireo teny hoe hazavana sy fitiavana izany. Angataho ny mpianatra mba hizara ireo teny tonga ao an-tsain’izy ireo rehefa mieritreritra an’ireo teny anankiroa ireo izy ireo. Avy eo dia afaka mandalina ny iray amin’ireto andalan-tsoratra masina manaraka ireto ny mpianatra tsirairay, ka hitady zavatra ao anatin’ireo andininy izay mampianatra momba ny hazavana na fitiavana: 1 Jaona 1:5–10; 2:3–11; 3:1–3; 4:7–12; 4:16–21; 5:1–3. Angataho ny vitsivitsy amin’izy ireo mba hizara amin’ny iray kilasy ny zavatra hitan’izy ireo. Azonao atao koa ny manasa ny mpianatra hizara zavatra niainana izay nahatsapan’izy ireo ny hazavan’ Andriamanitra sy ny fitiavany.

  • Afaka manasa ny mpianatra ianao hijery jiro na hazavana miditra amin’ny varavarankely, ary asao izy ireo hizara izay zavatra fantany mikasika ny fahazavana ara-nofo. Inona no mampitovy ny fahazavana ara-nofo amin’ny fahazavana ara-panahy? Afaka mandalina izao manaraka izao ny mpianatra mba hahitana hevi-baovao fanampiny ao anatin’ny fomba hanoloran’ Andriamanitra sy ny Zanakalahiny hazavana eo amin’ny fiainantsika: Salama 27:1; Jaona 1:4–5; 1 Jaona 1:5–7; 3 Nefia 11:11; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:6–13; ary hira iray ao amin’ny fihirana momba ny hazavana toy ny “Christ est ma lumière” (Cantiques, no. 50). Afaka mizara zavatra niainana mahakasika ny fikatsahana sy fahazoana hazavana ara-panahy teo amin’ny fiainan’izy ireo koa ny mpianatra.

1 Jaona 2:18–28; 4:3; 2 Jaona 1:7–11; 3 Jaona 1:9–11; Joda

Tsy maintsy “[mitoetra] ao amin’ny fampianaran’i Kristy” isika.

  • Ny fampianaran’i Jaona sy i Joda momba ny apôstazia dia afaka mampianatra ny mpianatra handinika ny fomba hihazonana ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy ho matanjaka. Hevero ny hanasa ny antsasaky ny mpianatra hikaroka famaritana momba ireo fampianarana diso na apôstazia ao amin’ny 1 Jaona 2:18–23, 26–28; 4:3; 2 Jaona 1:7–11; 3 Jaona 1:9–11 ary ilay antsasany iray hafa mba hikaroka famaritana toy izany ao amin’ny Joda. Na afaka mitady ny valin’ny fanontaniana tahaka izao izy ireo: Ahoana no fomba namaritan’i Jaona sy i Joda ny atao hoe antikristy? (jereo koa ny Torolalana ho an’ny soratra masina, “Antikristy,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org). Moa ve misy zavatra ao anatin’ireo andininy ireo izay toa azo ampiharina manokana eo anatrehan’ireo olana atrehantsika amin’izao fotoana izao? Inona no dikan’ny hoe “[mitoetra] ao amin’ny fampianaran’i Kristy”? (2 Jaona 1:9).

  • Nampiasa sariohatra mahaliana i Joda hamariparitana ireo mpampianatra sandoka, na ireo izay “miteny ratsy izay zavatra rehetra tsy fantany akory” (Joda 1:10). Afaka manasa mpianatra vitsivitsy ianao ho eny amin’ny solaitrabe hanao ny sarin’ireo sary nofaritana ao amin’ny Joda 1:12–13, ary ny mpianatra hafa kosa mba mamantatra hoe inona ireo andian-teny asehon’ilay olona manao sary. Ahoana no hanehoan’ireo sary ireo ireo mpampianatra sandoka sy antikristy? Ohatra, nahoana ireo fomba amam-panao ratsy no miteraka “harambato voasaron-drano eo amin’ny fanasam-pifankatiavan[tsika]”? Inona no azontsika atao mba hanamafisantsika orina ny tenantsika hanoherana ireo “mpaniratsira”? (jereo ny Joda 1:18–21). Inona mety ho antony nanoroan’i Joda hevitra ny mba “hamindrantsika fo” (Joda 1:22) an’ireo izay maniratsira ny filazantsara?

Sary
vehivavy iray manampy ankizy iray mamaky soratra masina

“Tsy manana fifaliana mihoatra noho izao aho, dia ny andrenesako fa mandeha araka ny fahamarinana ny zanako” (3 Jaona 1:4).

3 Jaona 1:1–4

Ho tonga ny fifaliana rehefa manampy ny hafa isika “handeha amin’ny fahamarinana.”

  • Mety misy olona ao amin’ny kilasinao izay afaka mahatsapa ny fahatsapana nananan’i Jaona raha nilaza izy fa “tsy manana fifaliana mihoatra” noho ny fandrenesany fa i Gaio (iray amin’ireo “zanany”) dia nandeha araka ny fahamarinana. Hahazo tombontsoa ireo mpianatra amin’ny fifampihainoana ny zavatra niainan’ny tsirairay. Angamba azonao atomboka amin’ny fiarahana mamaky ny 3 Jaona 1:1–4 izany sy ireo soratra masina voalaza ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny.” Inona no ampianarin’ireo soratra masina ireo mikasika ny loharano mitondra fifaliana marina? Afaka miresaka mikasika ny zavatra tsapany ireo mpianatra amin’ny maha-ray aman-dreny azy ireo, na amin’ny maha-misiônera sy mpitarika ao amin’ny Fiangonana, na amin’ny maha-mpampianatra rehefa nahafantatra izy ireo fa ny olona izay nampianarin’izy ireo dia mandeha araka ny fahamarinana. Azonao atao ny miantso mpianatra vitsivitsy mialoha ny kilasy, ary miangavy azy ireo hitondra ny sarin’ireo olona izay nampian’izy ireo hanatona an’i Kristy, ary hiresaka mikasika ny zavatra niainan’izy ireo tamin’izany.

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana

Loharanom-pitaovana fanampiny

Soratra Masina mikasika ny fanampiana ny hafa handeha amin’ny fahamarinana.

Manatsara ny fampianarantsika

Mivavaha ho an’ny mpianatrao. Tahaka ny nivavahan’ny Mpamonjy ho an’i Petera (jereo ny Lioka 22:32), dia tokony hivavaka ho an’ireo izay ampianarinao ianao sady manonona ny anaran’izy ireo, ary hiezaka ny hahatakatra izay zavatra ilain’izy ireo manokana. Rehefa manao izany ianao dia “hanomana ny [fon’izy ireo]” (Almà 16:16) ny Ray any An-danitra ary hanampy anao hahafantatra ny zavatra tokony hampianarina mba hanomezana izay zavatra ilain’izy ireo (jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy6).

Hamoaka printy