Testamenta Vaovao 2023
4–10 desambra. Apokalypsy 1–5: “Ho an’ny Zanak’ondry anie … ny voninahitra ary ny fanjakana mandrakizay mandrakizay”


“4–10 desambra. Apokalypsy 1–5: —Ho an’ny Zanak’ondry anie ny … voninahitra ary ny fanjakana mandrakizay mandrakizay—” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“4–10 desambra. Apokalypsy 1–5,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2023

Sary
zanak’ondry mipetraka eo amin’ny bozaka

4–10 desambra

Apokalypsy 1–5

“Ho an’ny Zanak’ondry anie ny … voninahitra ary ny fanjakana mandrakizay mandrakizay”

Ny fahazoana fahatsapana ara-panahy dia manampy anao hanaiky fa te hampianatra anao ny Fanahy Masina. Ny firaketana an-tsoratra sy ny fanarahana ireo fahatsapana ireo dia maneho fa manisy lanja azy ireny ianao ary maniry ny handray bebe kokoa.

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Rehefa manomboka fifanakalozan-kevitra ianao dia mety hanampy ny manasa ny mpianatra hizara ny sasany amin’ireo hafatra hitany ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy nandritra ny fandalinana nataony manokana na niaraka tamin’ny fianakaviany. Ohatra, inona no nianaran’izy ireo momba ny drafitry ny Ray any An-danitra hanavotana ny zanany? Inona no nianaran’izy ireo momba ny Mpamonjy sy ny anjara asany ao amin’io drafitra io? Amporisiho ireo mpianatra hanohy hitady ireo hafatra manan-danja momba an’i Jesoa Kristy sy ny drafitry ny famonjena eo am-panohizan’izy ireo mamaky ny Apokalypsy any an-trano. Omeo fahafahana izy ireo mandritra ireo lesona any aoriana mba hizara ny zavatra hitan’izy ireo.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Apokalypsy 1

I Jesoa Kristy no Zanakalahy Velon’ilay Andriamanitra Velona.

  • Ireo kisary sy tandindona ao amin’ny Apokalypsy 1 dia mijoro ho vavolombelona mazava tsara fa velona i Jesoa Kristy ary mitarika ny Fiangonany Izy. Azon’ny mpianatra atao tsara ny manoratra andian-teny maromaro avy ao amin’ny Apokalypsy 1 eny amin’ny solaitrabe izay ahitana kisary na tandindona, ary mizara ny zavatra ampianarin’ny tsirairay avy amin’izany azy ireo momba an’i Jesoa Kristy. Ohatra hoe inona no ianarantsika avy amin’ireo tandindona ireo mikasika ny fomba hitarihan’i Kristy ny Fiangonany amin’izao fotoana izao? Toy ny ahoana ny famaritan’i Jaona ny Mpamonjy raha ampitahaina amin’ilay ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:1–4?

Apokalypsy 2–3

Fantatr’i Jesoa Kristy manokana isika ary hanampy antsika Izy handresy ireo olana atrehantsika.

  • Ny famakiana ireo hafatry ny Tompo ho an’ireo sampana samihafa an’ny Fiangonana ao amin’ny Apokalypsy 2–3 dia afaka manome toky ireo mpianatra fa fantatry ny Mpamonjy ny momba azy ireo. Mety hoe azonao asaina izy ireo hamaky ireo toko ireo mba hitady porofo fa fantatr’i Jesoa Kristy ny fitsapana mahazo ny sampana tsirairay sy ny tanjany. Afaka mizara zavatra niainana ihany koa izy ireo izay nahatsapany fa nahafantatra ny zavatra manokana niainan’izy ireo ny Mpamonjy. Inona no torohevitra nomen’ny Tompo ny Olomasina izay afaka manampy antsika ihany koa handresy ny ady ataontsika?

  • Nanome fampanantenana manentana ny fanahy ho an’ireo izay mandresy ny Tompo ao amin’ireo toko ireo ihany. Afaka manasa ny mpianatra ianao hiara-hiasa tsiroaroa mba hamakafaka ny Apokalypsy 2–3 hahitana ireo fampanantenan’ny Tompo. Azon’izy ireo atao tsara koa ny manao sary mba hanehoana ny sasany amin’ireo fampanantenana ireo, ary hizara amin’ny mpianatra ny zavatra hitany avy eo. Ahoana no hitaoman’ireo fampanantenana ireo antsika hanohy hiezaka handresy ireo fitsapana mahazo antsika sy ny fahalementsika?

Apokalypsy 5

I Jesoa Kristy irery ihany no afaka manao izay hahatanteraka ny drafitry ny Ray any An-danitra.

  • Hanampy ny mpianatrao hahatakatra ny tandindona ao amin’ny Apokalypsy 5 momba ny Mpamonjy manokatra ilay boky misy tombo-kase ve ny lesona mampiasa zavatra azo tsapain-tanana iray? Afaka mitondra tsakitsaky kely ao anatina fitoeran-javatra mihidy mba hozaraina amin’ny mpianatra ianao. Omeo mangingina, mialoha ny fotoam-pianarana, an’ny olona iray ny fanalahidin’izany. Fariparito amin’ny mpianatra izay ao anatin’ilay fitoeran-javatra, dia avelao ny mpianatra maromaro hiezaka hanokatra ilay boaty mialoha ny hamahan’ilay olona manana ilay fanalahidy izany. Aorian’izay dia afaka mampitaha io lesona ampiasana zavatra azo tsapain-tanana io amin’ny Apokalypsy 5 ny mpianatra. Mety hanampy ny fanontaniana tahaka ireto: Inona no mampitovy ny famonjena ireo zanaky ny Ray any An-danitra amin’ilay fitoeran-javatra mihidy na ilay boky misy tombo-kase? Nahoana no i Jesoa ihany no afaka nanokatra ireo tombo-kase (jereo ny teny notsongaina ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny”).

  • Tahaka ireo olona falifaly voalaza ao amin’ny Apokalypsy 5, isika dia afaka koa amin’izao fotoana izao manandratra ny feontsika hidera ny Mpamonjy ho ilay Hany mendrika ny hanolotra antsika ny famonjena. Angamba afaka miaraka mihira hira fiderana iray ao amin’ny fihiranatena tiany momba ny Mpamonjy ireo mpianatra, toy ny “Gloire au Dieu tout-puissant” (Cantiques, no. 32). Afaka mamantatra fahamarinana ao amin’ilay fihirana izay mampianatra momba an’i Jesoa Kristy ireo mpianatra. Inona no zavatra mitovy hitantsika ao amin’ny hafatra ao anatin’ilay hira fiderana nataontsika sy ireo fanambarana ao amin’ny Apokalypsy 5:9–14?

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana

Loharanom-pitaovana fanampiny

I Jesoa Kristy irery ihany no afaka nanatontosa ny Sorompanavotana ho antsika.

Rehefa namariparitra ireo zava-nitranga tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana ny Loholona Jeffrey R. Holland dia nampianatra hoe:

“Nanolo-tena i Kristy ny hanaja ny safidim-pitondrantenan’ny olombelona rehetra na dia teo am-panaovany ny sorom-panavotana noho ny fahotan’izy ireo aza. Ao anatin’izany dingana izany dia ho averiny amin’ny Ray ny voninahitra rehetra noho ny fanomezana izany fitiavana manavotra izany.

“Azo notanterahina io Sorompanavotana tsy misy fetra nataon’i Kristy io satria (1) Izy no hany olona tsy nanam-pahotana tamin’izay rehetra niaina teto amin’ity tany ity ka noho izany dia tsy niharan’ny fahafatesana ara-panahy vokatry ny fahotana, (2) Izy no Zanaka Lahitokan’ny Ray ka noho izany dia nanana ny toetran’ny Andriamanitra izay nanome Azy ny hery handresena ny fahafatesan’ny vatana, ary (3) Izy no hita miharihary fa hany nanana fanetrentena ampy sy vonona tany amin’ny filankevitra tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana mba hotendrena mialoha hanao izany asa fanompoana izany” (“The Atonement of Jesus Christ,” Liahona, Mar. 2008, 35).

Manatsara ny fampianarantsika

Ampiasao ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminanin’ny andro farany. “Nandidy antsika ny Tompo mba —hifamp[ianatra] ny fotopampianaran’ny fanjakana— [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:77] sy hampiasa ny soratra masina mba —hampianatra ireo fitsipiky ny filazantsara[ny]— [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:12]. Ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany sy apôstôlin’ny andro farany no loharanon’ireo fahamarinana ampianarintsika” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 21).

Hamoaka printy