Testamenta Vaovao 2023
18–24 desambra. Krismasy: “Teny soa mahafaly”


“18–24 desambra. Krismasy: —Teny soa mahafaly—” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“18–24 desambra. Krismasy,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2023

Sary
zazakely vao teraka

Little Lamb (Ondry kely), nataon’i Jenedy Paige

18–24 desambra

Krismasy

“Vaovao mahafaly sy fifaliana lehibe”

Mitondra hery ara-panahy ny fifanakalozan-kevitra mikasika ny filazantsara rehefa mifantoka amin’i Jesoa Kristy. Rehefa mandalina ny nahaterahan’i Jesoa Kristy sy ny iraka nanirahana azy ianao mandritra ity herinandro ity dia mikatsaha fitaomam-panahy avy amin’ny Fanahy Masina mba hahafantarana ny fomba ahafahanao mampifantoka tsara kokoa ny fifanakalozan-kevitra amin’ny Mpamonjy.

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Asao ireo mpianatrao hizara ny zavatra ataon’izy ireo na efa nataon’izy ireo tany aloha, na samirery izany na niarahana tamin’ny fianakaviany, mba hankalazana ny nahaterahan’ny Mpamonjy amin’ny fomba izay hahatonga azy ireo hanatona Azy bebe kokoa.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Matio 1:18–25; Lioka 1:26–38; 2:1–20

Nanaiky hidina ho teraka ety an-tany i Jesoa Kristy.

  • Ny Krismasy dia fotoana tsara handinihana sy hankalazana ny fihambanian’i Kristy—ny finiavany handao “ny lapan’ny Rainy any ambony, mba hiaina hiaraka amin’olombelona, sy ho faty ho an’ny olombelona” (“Again We Meet around the Board,” Hymns, no. 186). Mba hanentanana ny mpianatra hanao fifanakalozan-kevitra mikasika io lohahevitra io, dia azonao anontaniana azy ireo izay zavatra nianaran’izy ireo tao amin’ny fandalinany manokana na niaraka tamin’ny fianakaviany tamin’ity herinandro ity mikasika ny hoe iza moa i Jesoa Kristy talohan’ny nahaterahany (jereo ny Jaona 17:5; Môzià 7:27; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:12–14, 20–24; Mosesy 4:2). Avy eo dia azonao atao ny mampiseho ilay sary ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana rehefa mamaky mikasika ny nahaterahan’ny Mpamonjy ireo mpianatra (jereo ny Matio 1:18–25; Lioka 1:26–38; 2:1–20). Amporisiho izy ireo hizara ny eritreritra sy ny fahatsapana ananan’izy ireo rehefa mampitaha ny voninahitry ny Mpamonjy talohan’ny nahaterahany sy ny fahaterahany tamim-panetrentena ireo mpianatra.

  • Fanontaniana iray tahaka ilay napetrak’ilay anjely tamin’i Nefia tao amin’ny 1 Nefia 11:16 no mety ho fomba tsara hanombohana fifanakalozan-kevitra, na dia azonao ambara amin’ny teny hafa aza izany. Azonao atao tsara ny manoratra eny amin’ny solaitrabe ny hoe Inona no atao hoe fiambanian’ Andriamanitra? ary asao ireo mpianatra handinika io fanontaniana io rehefa mamaky ny 1 Nefia 11:17–33. Asao izy ireo hizara izay mety ho eritreritra tonga ao an-tsain’izy ireo momba ny Mpamonjy avy amin’ireo andininy ireo. Inona avy ireo sary azonao aseho ny mpianatra izay maneho ireo zava-nitranga teo amin’ny fiainan’ny Mpamonjy izay nofariparitan’i Nefia?

  • Ny hira dia fomba iray mahagaga hanasana ny Fanahy ho ao an-dakilasy. Hevero ny hanasa olona iray hanao hiran’ny Krismasy na hiaraka amin’ireo mpianatra hamaky na hihira hira vitsivitsy ao amin’ny fihirana (jereo ny Cantiques, no. 122–38). Azon’ireo mpianatra atao ny mitady andian-teny ao amin’ireo hira ao amin’ny fihirana ireo sy ireo soratra masina voatanisa miaraka amin’ireo hira ao amin’ny fihirana ireo izay mampitombo ny fankasitrahan’izy ireo ny Mpamonjy sy ny nanekeny ho tonga ety an-tany.

Sary
I Jesoa mandohalika ao amin’ny Sahan’i Getsemane

Gethsemane (Getsemane), nataon’i J. Kirk Richards

Lioka 4:16–21; Jaona 3:16

Nahatontosa ny iraka nampanaovina Azy i Jesoa Kristy, izay nahatonga antsika ho afaka mandova ny fiainana mandrakizay.

  • Mba hanampiana ireo mpianatra hifanakalo hevitra mikasika ireo antony nahaterahan’i Jesoa Kristy, dia azonao atao ny manasa azy ireo hitady sy hizara soratra masina izay mamintina ny iraka nampanaovina Azy (jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana raha mila ohatra). Angamba afaka miara-miasa tsiroaroa na mizara ho vondrona vitsivitsy ireo mpianatra rehefa mitady sy mamaky ireo andininy ireo. Inona no zavatra ianaran’izy ireo momba ny iraka nampanaovina an’i Kristy araka ireo andininy izay hitan’izy ireo? Inona no ianarantsika momba ny asa nanirahana Azy avy amin’ireo anarana fiantsoana Azy ao amin’ny soratra masina? (jereo ny Torolalana ho an’ny soratra masina, “Jesoa Kristy”).

  • Afaka mianatra mikasika ny asa nanirahana ny Mpamonjy ireo mpianatra amin’ny alalan’ny famakiana ny “Ilay Kristy Velona: Tenivavolombelon’ireo Apôstôly” (ChurchofJesusChrist.org) sy ny fizarana ireo fanambarana hitan’izy ireo fa manazava ny antony nahatongavany teto an-tany. Omeo fotoana ireo mpianatra handinika ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo mikasika an’i Jesoa Kristy sy ny asa nanirahana Azy. Afaka mizara zavatra niainany manokana ve izy ireo na tantara momba ny fiainan’ny Mpamonjy izay nampitombo ny finoan’izy ireo Azy sy ny fitiavan’izy ireo Azy? Amin’ny lafiny ahoana no nahafahan’ny fandalinana ny Testamenta Vaovao tamin’ity taona ity nanampy mba hananana fotoan’ny Krismasy misy dikany kokoa? Mba hiverenana mijery ny sasany amin’ireo tantara ao aminy Testamenta Vaovao izay nianaran’ireo mpianatra tamin’ity taona ity, dia azonao aseho ireo horonan-tsary hoe “Car Dieu a tant aimé le monde” sy “Voilà pourquoi Je suis né” (ChurchofJesusChrist.org

Manatsara ny fampianarantsika

Manokàna fotoana hizaran’ny mpianatra zavatra. “Rehefa mizara ny zavatra nianarany ny mpianatra dia tsy hoe mahatsapa ny Fanahy sy mampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona ananany fotsiny izy ireo fa mamporisika koa ireo olona hafa ao amin’ny kilasy hahita ireo fahamarinana amin’ny alalan’ny tenany manokana. … Manokàna fotoana ahafahan’ny mpianatra mizara ao anatin’ny lesona rehetra. Ao anatin’ny toe-javatra sasany dia mety ho hitanao fa ireny fifanakalozan-kevitra ireny no lesona” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 30).

Hamoaka printy