Testamenta Vaovao 2023
25–31 desambra. Apokalypsy 15–22: “Izay maharesy dia handova ny zava-drehetra”


“25–31 desambra. Apokalypsy 15–22: —Izay maharesy no handova izany zavatra izany—” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“25–31 desambra. Apokalypsy 15–22,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2023

Sary
I Jesoa Kristy miarahaba olona amin’ny Fiaviany Fanindroany

The City Eternal (Ilay tanàna mandrakizay), nataon’i Keith Larson

25–31 desambra

Apokalypsy 15–22

“Izay maharesy no handova izany zavatra izany”

Inona no ampianarin’ny ady eo amin’ny tsara sy ny ratsy izay nofariparitana ao amin’ny Apokalypsy anao mikasika ny maha-zava-dehibe ny fanarahana an’i Kristy eto an-tany? Rehefa avy mandalina an’io fitsipika io ianao dia eritrereto ireo zavatra izay ilain’ny mpianatrao. Inona avy ireo fahamarinana ao amin’ny Apokalypsy izay afaka manampy ny mpianatrao hanao safidy tsara?

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Eo am-pamaranan’ny mpianatra ny fandalinana ny Testamenta Vaovao dia amporisiho izy ireo hizara ny eritreriny mikasika ny Testamenta Vaovao. Asao izy ireo hizara ny fomba nanampian’ny fandalinan’izy ireo ny soratra masina azy ireo hahafantatra bebe kokoa an’i Jesoa Kristy sy ho lasa tahaka Azy bebe kokoa.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Apokalypsy 17–18

Tsy maintsy mihataka amin’ny fahavetavetan’izao tontolo izao isika.

  • Tsy dia mahafinaritra loatra ny mamaky mikasika ny faharatsiana sy ny faharavan’i Babylona ao amin’ny Apokalypsy 17–18, kanefa mampianatra zavatra izany satria i Babylona dia azo raisina ho toy ny tandindon’ny tontolo ratsy izay iainantsika ankehitriny. Mety ho azonao zaraina eo anivon’ireo mpianatra ireo toko ireo, ary iangavio izy ireo hitady valiny ho an’ny fanontaniana tahaka ireto: Nahoana ny olona no voasarika ho any Babylona, na amin’ny zavatr’izao tontolo izao? Nahoana no mampidi-doza i Babylona? Inona no hitranga amin’i Babylona? Inona no fampitandremana nomen’i Jaona hanampiana antsika hiala amin’ny faharatsian’i Babylona?

  • Rehefa avy mamaky ny Apokalypsy 18:4, dia azon’ny mpianatra atao ny mifanakalo hevitra ny amin’ny fomba ahafahan’izy ireo hiala ao Babylona ary “tsy hiombona ota aminy.” Afaka mizara soratra masina na hafatra avy amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana izy ireo izay nanampy azy ireo hanohitra ny fakam-panahin’i Babylona na izao tontolo izao. Hevero ny hamakiana ny tenin’ny Loholona Quentin L. Cook ao amin’ny “Loharanom-pitaovana Fanampiny.” Afaka mizara hevitra momba ny fomba hampiharana ireo fitsipika roa nolazain’ny Loholona Cook ireo mpianatra. Amin’ny heviny ahoana isika no miala an’i Babylona? (jereo ohatra ny Isaia 52:11; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:10). Inona no azontsika atao mba hamporisihana ny hafa hanao tahaka izany koa?

Apokalypsy 19–20

Afaka miomana ho amin’ny Fiavian’ny Tompo Fanindroany sy ny Andron’ny Fitsarana isika.

  • Mazàna ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany no antsoina hoe “andron’i Jehovah izay sady lehibe no mahatahotra” (Joela 3:4), ary raha ny ao amin’ny Apokalypsy 19–20, dia toa famaritana tsara izany. Hevero ny hanoratana ny sasany amin’ireo zava-nitranga notantaraina ao amin’ny Apokalypsy 19:5–20:15 eo amin’ny solaitrabe. Asao ireo mpianatra hitady ireo andininy izay mamaritra ireo zava-nitranga ireo. Nahoana ireo zava-nitranga ireo no antsoina hoe lehibe sy mahatahotra? Inona no azontsika ianarana avy amin’ireo andininy ireo mikasika ny Mpamonjy sy ireo mpanaradia azy? Inona no azontsika atao dieny izao mba ho anisan’ireo izay hifaly amin’ny fotoana hiaviany?

  • Mba hitaomana ny mpianatra hanao fifanakalozan-kevitra momba ny bokin’ny fiainana sy ny fitsarana farany, dia azonao asaina ny mpianatra hamorona boky kely avy amina taratasy mivalona efatra. Avy eo izy ireo dia afaka mamaky ny Apokalypsy 20:12–15; 2 Nefia 9:14; 29:11 ary hisaintsaina ny mety ho tiany hosoratana momba azy ireo ao amin’ilay bokin’ny fiainana. Asao izy ireo hanoratra ireo zavatra ireo ao amin’ny bokiny ary manasà mpianatra vitsivitsy hizara zavatra izay nosoratany. Inona no safidy azontsika atao izao mba hahatonga ireo zavatra ireo ho voasoratra ao anatin’ny bokin’ny fiainana? Mba hanampiana ireo mpianatra tsy ho kivy noho ny fivoarany ara-panahy dia eritrereto ny hizara torohevitra avy amin’ny hafatry ny Loholona Jeffrey R. Holland’s hoe “Aoka ho tanteraka ianareo, amin’ny farany” (Liahona, nôv. 2017, 40–42).

Sary
I Jesoa miaraka amin’ny vahoaka eo amin’ny hazavana eo an-kavanany ary vahoaka ao anatin’ny haizina eo an-kaviany

The Last Judgement (Ny fitsarana farany), nataon’i John Scott

Apokalypsy 21:1–22:5

Hahazo ny voninahitra selestialy isika raha toa ka mahatoky.

  • Na dia nambara mialoha aza fa izao andro farany izao dia feno faharatsiana sy fahoriana, ny valisoa izay hitan’i Jaona ho an’ireo mahatoky dia lehibe lavitra noho ireo fahoriana izay nialoha izany. Mba hanampiana ny mpianatra hahita ny hatsaran’ny famaranana ny Apokalypsy dia asao izy ireo hamaky ny Apokalypsy 21:1–22:5 ary hikaroka ireo andian-teny izay mitaona azy ireo hiezaka hahazo ny voninahitra selestialy. Inona no fampanantenana natao tamin’ny mahatoky? Ahoana no fomba hanampian’io famaritana io antsika rehefa miatrika ireo olana na fitsapana lalovantsika amin’izao fotoana izao isika?

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana

Loharanom-pitaovana fanampiny

Misafidy ny fahamarinana eo anoloan’ny faharatsian’i Babylona.

Nampianatra ny Loholona Quentin L. Cook hoe:

“Tsy afaka miala amin’izao tontolo izao isika. Tsy vahaolana ny fitokana-monina. Amin’ny lafiny tsara, ny fifandraisantsika amin’izao tontolo izao dia anisan’ny fanamby ho antsika ary tena ilaina rehefa hampitombo ny talentantsika isika. …

… Ny mpikamban’ny Fiangonana dia tokony hiaina ao anatin’izao tontolo izao amin’ny lafiny tsara. Ahoana ny fomba hampifandanjantsika ilay filàna ny fandraisana anjara amin’ny lafiny tsara eo amin’izao tontolo izao kanefa tsy tafalatsaka ao anatin’ny fahotan’izao tontolo izao? [Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:10; 59:9.] Fitsipika roa no hitondra fiovana manan-danja.

  1. Aoka ho fantatry ny olona fa ianao dia Olomasin’ny Andro Farany mpanolo-tena. …

  2. Aoka ianao ho mahatoky sy hiaina ny finoanao” (“Lessons from the Old Testament: In the World but Not of the World [Lesona avy amin’ny Testamenta Taloha: Eo amin’izao tontolo izao fa tsy anisan’izao tontolo izao],” Ensign, Feb. 2006, 54–55).

Manatsara ny fampianarantsika

Hajao ny fahafahan’ny hafa misafidy. “Tena hanao fanovana manan-danja eo amin’ny fiainany ny olona rehefa avy amin’ny fampiasany ny fahafahana misafidy manokana ireo fanovana ireo. Rehefa manao fanasana mba handray andraikitra ianao dia ataovy izay hanajana ny fahafahana misafidy ananan’ireo izay ampianarinao” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 35).

Hamoaka printy