Testamenta Vaovao 2023
11–17 desambra. Apokalypsy 6–14: “Naharesy … noho ny amin’ny ran’ny Zanak’ondry”


“11–17 desambra. Apokalypsy 6–14: —Naharesy … noho ny amin’ny ran’ny Zanak’ondry—” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“11–17 desambra. Apokalypsy 6–14,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2023

Sary
I Jesoa mijoro eo anivon’ny kintana

Zavakanto natambatra nataon’i Eric Johnson: The Grand Council (Ilay Filankevitra Lehibe), nataon’i Robert T. Barrett; antokon-kintana nahazoana lalana avy tamin’ny European Space Agency

11–17 desambra

Apokalypsy 6–14

“Naharesy … noho ny amin’ny ran’ny Zanak’ondry”

Nilaza i Joseph Smith fa ny bokin’ny Apokalypsy “no iray amin’ireo boky tsotra indrindra izay nasain’ Andriamanitra nosoratana hatramin’izay” (ao amin’ny Journal, December 1842–June 1844; Book 2, 10 March 1843–14 July 1843, 98, JosephSmithPapers.org). Ahoana no ahafahanao manampy ny mpianatra hahita fahamarinana tsotra ao anatin’ireo toko ireo?

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Mba hanampiana ny mpianatra hamerina handinika ny sasany amin’ireo hevi-baovao hitan’izy ireo rehefa nandalina ny Apokalypsy 6–14 izy ireo, dia soraty eny amin’ny solaitrabe ny tarehimarika 6 hatramin’ny 14. Azon’ny mpianatra soratana eo akaikin’ny tarehimarika iray ireo hevi-baovao hitan’izy ireo ao amin’ilay toko mifandray amin’izany izay manan-danja ho an’ny olona iray miaina amin’ny andro farany.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Apokalypsy 6

I Jesoa Kristy manokatra ireo tombo-kase eo amin’ilay boky.

  • Mba hanampiana ny mpianatra hahazo sary an-tsaina ilay boky misy tombo-kase miisa fito (jereo ny Apokalypsy 5:1), dia azonao hazavaina fa matetika ireo horonam-boky fahiny no nisy tombo-kase tanimanga na savoka kely. Tsindrina eo amin’ilay tanimanga na savoka ny peratra na hajia iray, izay maneho ny fahefahana ananan’ilay olona nanisy tombo-kase an’ilay horonam-boky ary mampihemotra ny olona tsy nahazo lalana tsy hanokatra izany. Avy eo ny mpianatra dia afaka mizara izay eritreritra sy fahatsapana tonga teo amin’izy ireo rehefa namaky momba izany boky izany izy ireo tao amin’ny Apokalypsy 6; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77:6–7; ary ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana. Nahoana araka ny eritreritrao no manan-danja ny mahafantatra ny hevitra an’ohatra an’ity boky ity? Nahoana araka ny eritreritrao no manan-danja ny mahafantatra fa ny Mpamonjy no ilay hanokatra ny tombo-kase tsirairay eo amin’ilay boky? (jereo ny Apokalypsy 5:1–9).

Apokalypsy 7–11

“Ny fanjakan’izao tontolo izao dia efa lasan’ny Tompontsika.”

  • Mety ho saro-takarina ny Apokalypsy 7–11. Ny fitahiana iray avy amin’ny kilasin’ny Sekoly Alahady dia ny fahafahan’ny mpianatra mifanampy mba hahatakatra ny soratra masina. Afaka manao ny lisitry ny fanontaniana izay ananan’ny mpianatra momba ireo toko ireo ianao ary manasa azy ireo hifampizara hevitra. Amporisiho ny mpianatra rehetra, izay mahatsapa fa nahazo fahalalana bebe kokoa sy ireo izay mety mahatsapa fa tsy tsy mahalala zavatra firy, mba hizara ny hevitr’izy ireo momba ity toko ity.

  • Azonao atao ny manomboka fifanakalozan-kevitra amin’ny alalan’ny fanontaniana ny mpianatra hoe, inona avy ireo lohahevitra miverimberina hita ao amin’ny Apokalypsy 7–11. Afaka mizara andininy ahitana ireo lohahevitra ireo izy ireo sy manazava ny maha-zava-dehibe an’ireo lohahevitra ireo. Raha mila fanampiana izy ireo dia afaka manoro hevitra azy ireo ianao mba hamaky ny Apokalypsy 11:15–17. Inona avy ireo lohahevitra hitan’izy ireo ao amin’ireo andininy ireo ary ahoana no fomba hanehoana ireo lohahevitra ireo any amin’ireo andininy hafa ao amin’ny Apokalypsy 7–11? Na dia miresaka momba ana ady sy loza aza ireo toko ireo, dia inona no zavatra hitantsika fa manome antsika fanantenana sy fahatokian-tena ao amin’i Jesoa Kristy?

Apokalypsy 12–14

Isika dia mandresy an’i Satana “noho ny amin’ny ran’ny Zanak’ondry, sy ny teny filazana [avy amintsika].”

  • Manampy antsika hahatakatra kokoa ny fiainana eto an-tany ny fianarana mikasika ny Ady tany An-danitra. Afaka mamaky ny Dikantenin’i Joseph Smith, Apokalypsy 12: 7–11 (ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina) ny mpianatra ary hitady ny fomba nandresentsika an’i Satana sy ny mpanara-dia azy. Inona ireo hevi-baovao hafa azontsika avy amin’ireo lohahevitra momba ny Ady tany An-danitra ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina na Sujets de l’Évangile? (topics.ChurchofJesusChrist.org). Inona no zavatra ianarantsika izay afaka manampy antsika handresy ilay fahavalo?

  • Resahina ao amin’ny Apokalypsy 13–14 ny ady teo amin’ny tsara sy ny ratsy. Inona no ampianarin’ny toko 13 antsika mikasika ny fomba nentin’ilay dragona niatrika izany ady izany? Araka ny toko 14, dia ahoana ny fomba niatrehan’ny Zanak’ondry izany ady izany? Mety mahaliana ny mitanisa ireo fomba nentin’ny andaniny sy ny ankilany niatrika izany ady izany araka ireo toko roa ireo. Inona avy ireo fitoviana sy fahamasihafana hitantsika?

  • Inona no dikan’ny hoe ny Zanak’ondry dia “voavono hatramin’ny nanorenana izao tontolo izao”? (Apokalypsy 13:8; jereo ihany koa ny Apokalypsy 5:6). Hevero ny hanampy ny mpianatrao hitady ny valin’io fanontaniana io amin’ny fiarahan’ny iray kilasy mamaky ny Môzià 3:13 sy ny Mosesy 7:47. Inona no dikan’ny hoe maharesy an’i Satana “noho ny amin’ny ran’ny Zanak’ondry”? (Apokalypsy 12:11).

Apokalypsy 14:6–7

“Ary hitako … nisy anjely iray … nanana filazantsara mandrakizay.”

Manatsara ny fampianarantsika

Tsy maninona ny miteny hoe “tsy fantatro.” “Na dia zavatra mahazatra aza ny faniriana hamaly ny fanontaniana rehetra dia tsara ao anatin’ny toe-javatra sasany ny miteny tsotra fotsiny hoe: —Tsy fantatro. Aoka isika handalina manokana io fanontaniana io amin’ity herinandro ity ary afaka hifanakalo hevitra momba izany isika amin’ny manaraka—” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy24). Avy eo dia angataho ny mpianatra hikaroka valiny ao anatin’ny soratra masina sy ireo loharanom-pitaovana hafa an’ny Fiangonana.

Hamoaka printy