Testamenta Vaovao 2023
6–12 nôvambra. Hebreo 7–13: “Mpisoronabe ny amin’ny zavatra tsara ho avy“


“6–12 nôvambra. Hebreo 7–13: —Mpisoronabe ny amin’ny zavatra tsara ho avy,—” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“6–12 nôvambra. Hebreo 7–13,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2023

Sary
Mitsodrano an’i Abrama i Melkizedeka

Melchizedek Blesses Abram (Mitsodrano an’i Abrama i Melkizedeka), nataon’i Walter Rane. Fanomezana avy amin’ilay mpahaikanto

6–12 nôvambra

Hebreo 7–13

“Mpisoronabe ny amin’ny zavatra tsara ho avy”

Rehefa mamaky ny Hebreo 7–13 ianao dia saintsaino ny hafatra nomen’ny Tompo an’ireo Olomasina Hebreo. Jereo ihany koa ny hafany ho anao sy ny olona ampianarinao.

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Manasà mpianatra vitsivitsy mialoha ny fotoam-pianarana mba ho tonga miaraka amin’ny fahavononana hizara andinin-tsoratra masina avy ao amin’ny Hebreo 7–13 izay manampy azy ireo “hanatona [an’ Andriamanitra] amin’ny fo marina sy amin’ny fahatokiana be avy amin’ny finoana” (Hebreo 10:22).

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Hebreo 7–10

Afaka mampitodika any amin’i Jesoa Kristy ireo ôrdônansy fahiny sy maoderina.

  • Ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia mandroso ny hikarohana ao amin’ny Hebreo 7 andininy izay mampianatra momba ny Fisoronana Melkizedeka sy mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy. Asao ny mpianatra hizara izay hitany. Na afaka manome azy ireo fotoana ianao ao am-pianarana mba hamakiana ny toko 7 sy hikarohana ireo andininy izay mampianatra momba an’io fisoronana io sy mijoro ho vavolombelona momba ny Mpamonjy. Inona no nampitovy an’i Melkizedeka tamin’i Jesoa Kristy? (jereo ireo anaram-boninahitr’i Melkizedeka ao amin’ny andininy 1–2). Ahoana no hanampian’ireo ôrdônansin’ny Fisoronana Melkizedeka antsika mba hanatona an’i Kristy? Angamba ny mpianatra afaka mitady izay mety ho valin’izany ao amin’ny Sujets de l’Évangile, “Prêtrise de Melchisédek” (topics.ChurchofJesusChrist.org).

  • Na dia tsy manao sorona biby hatao fanatitra aza isika, dia mbola mandray anjara ao anatina ôrdonansy ankehitriny, izay mampitodika ny fanahintsika any amin’i Kristy, mitovy amin’izany ihany koa, sy manolotra “fantsona nankatoavina … izay ahafahan’ireo fitahiana sy ny herin’ny lanitra mirotsaka eo amin’ny fiainan’ny olona tsirairay.” (David A. Bednar, “Hitana mandrakariva ny famelana ny fahotanareo,” Liahona, mey 2016, 60). Azonareo iarahana mamakafaka angamba ny nahatonga an’ireo ôrdônansy fahiny voafaritra ao amin’ny Hebreo 8–10 ho tandindon’ny sorona fanavotana nataon’ny Mpamonjy. Ohatra, maneho inona ny ran’osilahy sy ran’ombivavy? (jereo ny Hebreo 9:13–14). Maneho inona ilay mpisoronabe? (jereo ny Hebreo 9:24–26). Ahoana no nitahian’ireo ôrdônansy maoderina antsika sy nanampian’izany antsika hitodika any amin’i Jesoa Kristy? Inona no azontsika atao mba hahatonga ireo ôrdônansy ireo ho manan-danja kokoa sy mifantoka kokoa amin’ny Mpamonjy?

Hebreo 10:34–38; 11

Ny finoana dia mitaky ny fitokiana amin’ny fampanantenan’ Andriamanitra.

  • Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny fampianaran’i Paoly momba ny finoana, dia azonao atomboka izany amin’ny alalan’ny fanasana azy ireo hieritreritra ny fomba hamariparitan’izy ireo ny finoana ao anatin’ny fehezan-teny iray. Dia iaraho mamaky sy mifanakalo hevitra avy eo ny famaritana nomen’i Paoly ao amin’ny Hebreo 11:1. Azonao angatahina avy eo ny olona tsirairay mba hifidy iray amin’ireo olona voalaza ao amin’ny Hebreo 11 mba hohalalinina. Azon’ny mpianatra ampiasaina ny Torolalana ho an’ny soratra masina (scriptures.ChurchofJesusChrist.org) mba hamakiana ireo zavatra niainan’ilay olona tao amin’ny Testamenta Taloha ary zarainy amin’ny iray kilasy avy eo ny zavatra hitan’izy ireo. Ahoana ny fomba nampisehoan’ireo olona ireo fa nahatsapa “fahazoana antoka ny zavatra antenaina” izy ireo? (Dikantenin’i Joseph Smith, Hebreo 11:1). Afaka mizara ohatra hafa maneho olona mahatoky ny mpianatra. Oviana isika no nampihatra finoana teo anatrehan’ireo fampanantenana izay tsy mbola tanteraka?

  • Ny torohevitra ho an’ireo Olomasina Hebreo izay nalaim-panahy “hihemotra” tamin’ny finoan’izy ireo dia mety ho manan-danja ho an’ireo mpianatra izay mety manana fahasahiranana mahakasika ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo. Mety hanampy koa ireo olona izay miezaka ny manampy ireo olona akaikin’ny fo izay manana olana eo amin’ny finoana izany. Mba hahitana izany torohevitra izany, dia afaka mamaky ny Hebreo 10:34–38 sy ny teny nambaran’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” ny mpianatra. Nahoana isika indraindray no alaim-panahy hanary ny fahatokiantsika (jereo ny Hebreo 10:35) ny Tompo sy ny filazantsarany? Inona no azontsika atao mba hampiorenana sy hihazonana finoana sy fahatokiana mba “[hahazoana] izay lazain’ny teny fikasa[n’ Andriamanitra]”? (Hebreo 10:36).

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana

Loharanom-pitaovana fanampiny

“Koa aza manary ny fahasahianareo.”

Raha ny mikasika ny Hebreo 10:32–39, dia nampianatra an’izao ny Loholona Jeffrey R. Holland:

“Eny, sarotra tokoa ny lalana, mialoha ny hidiranao ho mpikambana ao amin’ny Fiangonana sy mandritra ny fotoana hiezahanao hiditra ho mpikambana, ary aorian’ny nahatafidiranao. Saingy efa tahaka izany foana ny fisehony araka ny voalazan’i Paoly, kanefa aza mihemotra. Aza mihotakotaka sy mitsoaka an-daharana. Aza manary ny fahatokianao. Aza hadinoina ny zavatra efa tsapanao. Aza tsinontsinoavina ny zavatra efa niainanao. …

“Misy fitandremana sy fandinihana tokony hatao amin’izay mety ho fanapahan-kevitra lehibe rehetra, kanefa raha vantany vao misy fahatsapana dia mitandrema amin’ny fakam-panahy hiala amin’ny zavatra tsara. Raha tsara izany tamin’ny fotoana nivavahanao mikasika izany ka natoky sy niaina ho an’izany ianao dia tsara izany amin’izao fotoana izao. Aza milavo rehefa mihamafy ny faneriterena. … Atreho ireo ahiahinao. Fehezo ny tahotrao. —Koa aza manary ny fahasahianareo.— Tohizo ny dianao dia jereo ny hakanton’ny fiainana izay haseho anao” (“Cast Not Away Therefore Your Confidence,” Ensign, Mar. 2000, 8–9).

Manatsara ny fampianarantsika

Vakio aloha ny soratra masina. Ny soratra masina no tokony ho loharano voalohany hanaovanao ny fandalinanao sy ny fiomananao. Afaka mameno ireo soratra masina nankatoavina ireo tenin’ny mpaminany maoderina (jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy17).

Hamoaka printy