Testamenta Vaovao 2023
10–16 jolay. Asan’ny Apostoly 6–9: “Tompoko, inona no tianao hataoko?”


“10–16 jolay. Asan’ny Apostoly 6–9: —Tompoko, inona no tianao hataoko?—” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“10–16 jolay. Asan’ny Apostoly 6–9,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2023

Sary
Paoly mianjera amin’ny tany

Conversion on the Way to Damascus (Fiovam-po teo amin’ny lalana mankany Damaskosy), nataon’i Michelangelo Merisi da Caravaggio

10–16 jolay

Asan’ny Apostoly 6–9

“Inona no tianao hataoko?”

Halalino ny Asan’ny Apostoly 6–7 dia raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao. Izany dia hanampy anao handray fanambarana mikasika ny fomba hanampiana ny mpianatra hanatona kokoa an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fandalinan’izy ireo an’ireto toko ireto.

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Soraty eny amin’ny solaitrabe ny anaran’ny sasany amin’ireo olona voaresaka ao amin’ny Asan’ny Apostoly 6–9, toa an’i Stefana, i Saoly, i Filipo, i Ananiasy, i Petera, ary i Tabita na Dorkasy. Manasà mpianatra vitsivitsy hizara zavatra izay nianarany avy tamin’ny iray amin’ireo olona ireo nandritra ny fandalinana nataon’izy ireo tamin’ity herinandro ity.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Asan’ny Apostoly 7

Ny fanoherana ny Fanahy Masina dia mety hitarika any amin’ny fandavana ny Mpamonjy sy ireo mpanompony.

  • Afaka manomboka fifanakalozan-kevitra momba ny zavatra niainan’i Stefana ianao amin’ny alalan’ny fanasana ireo mpianatra hamerina hijery ireo tenin’i Stefana ao amin’ny Asan’ny Apostoly 7:37–53. Inona no mety ho fampitandremana fonosin’ny teniny ho antsika amin’izao fotoana izao? Mety hifantoka amin’ny teny nambaran’i Stefana ao amin’ny Asan’ny Apostoly 7:51 ianao. Inona no dikan’ny hoe “manohitra ny Fanahy Masina?” Mba hahatakarana lalina kokoa ireo teny ireo dia azon’ny mpianatra atao ny mifanakalo hevitra ny iray amin’ireto andinin-tsoratra masina ireto na mihoatra an’izany: 2 Nefia 28:3–6; 33:1–2; Môzià 2:36–37; Almà 10:5–6; ary Almà 34:37–38. Nahoana isika indraindray no “manohitra ny Fanahy Masina”? Inona no azontsika atao mba hamantarana sy hanarahana tsara kokoa ny fitaoman’ny Fanahy Masina?

Asan’ny Apostoly 8:9–24

Ny fontsika dia tokony ho “mahitsy eo anatrehan’ Andriamanitra.”

  • Raha handalina ny tantaran’i Simona ny iray kilasy dia azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ny fanontaniana hoe Iza i Simona taloha? Inona no notadiaviny? ary Inona no nezahiny natao hahazoana izany? Asao ny mpianatra tsirairay hamaky ny Asan’ny Apostoly 8:9–24 ary hitady ny valin’ireo fanontaniana ireo. Inona avy ireo fahamarinana izay tsy mbola takatr’i Simona? Inona no azontsika ianarana avy amin’ny zavatra niainan’i Simona? Ahoana no ahafahantsika mahazo antoka fa ny fontsika dia “mahitsy fo eo anatrehan’ Andriamanitra”? (andininy 21).

  • Nandritra ny fandalinany manokana dia mety nahatsikaritra toetra nananan’i Stefana sy i Filipo izay tsy nananan’i Simona ireo mpianatra (jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana). Raha izany dia azonao asaina izy ireo hizara ny zavatra hitany. Afaka mizara ohatra hafa ihany koa ireo mpianatra avy ao amin’ny Asan’ny Apostoly 6–9 momba ireo olona nanana fo mahitsy teo anatrehan’ Andriamanitra, toa an’i Filipo sy ilay lehilahy avy any Etiopia (jereo ny Asan’ny Apostoly 8:26–40), i Saoly (jereo ny Asan’ny Apostoly 9:1–22), ary i Tabita (jereo ny Asan’ny Apostoly 9:36–39).

    Sary
    I Petera nanangana an’i Tabita tamin’ny maty

    Tabitha Arise (Ry Tabita, mitsangàna), nataon’i Sandy Freckleton Gagon

Asan’ny Apostoly 8:26–39

Ny Fanahy Masina dia hanampy antsika hitarika ny hafa ho any amin’i Jesoa Kristy.

  • Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny fomba ahafahan’izy ireo mitarika ny hafa ho any amin’i Jesoa Kristy (jereo Asan’ny Apostoly 8:31), dia afaka manasa mpianatra roa ianao hipetraka mifanatrika ary hamaky ny resaka nifanaovan’i Filipo sy ilay lehilahy Etiopiana ao amin’ny Asan’ny Apostoly 8:26–39. Misy mpianatra fahatelo afaka mamaky ireo ampahany izay tsy miendrika fifampiresahana. Inona no azontsika ianarana avy amin’ny ohatra nasehon’i Filipo mikasika ny fampianarana ny filazantsara amin’ny hafa?

  • Mba hahafahana mahita ohatra amin’izao fotoana izao mahakasika ilay tantara ao amin’ny Asan’ny Apostoly 8:26–39, dia afaka mizara ny zavatra niainan’izy ireo ny mpianatra mikasika ny fizarana ny filazantsara na tamin’ny nidiran’izy ireo ho mpikambana tato amin’ny Fiangonana. Ahoana no fomba nanampian’ny Fanahy Masina azy ireo? Inona no nataon’ny olona iray tamin’ny fitarihana azy ireo? Asao ny mpianatra handinika izay olona azon’izy ireo tarihina ho ao amin’ny filazantsara.

Asan’ny Apostoly 9

Rehefa manao ny sitrapon’ny Tompo isika dia afaka ho tonga fitaovana eo am-pelatanany.

  • Afaka mianatra fahamarinana mahery vaika mikasika ny fiovam-pon’izy ireo manokana ny mpianatra amin’ny alalan’ny fandalinana ny zavatra niainan’i Saoly, anisan’izany ilay fahamarinana hoe afaka mibebaka sy miova ny tsirairay raha manam-piniavana. Azonao asaina ireo mpianatra hampitaha ny zavatra niainan’i Saoly amin’ny zavatra niainan’i Almà (jereo ny Môsià 17:1–418; 26:15–21) sy ny an’i reo Antia-Nefia-Lehia (jereo ny Almà 24:7–12). Inona no nataon’ny Tompo hanampiana ireo olona ireo ho lasa niova fo? Ahoana no nanehoan’izy ireo ny fahavononany hiova? Inona avy ireo hafatra hitantsika ho an’ny fiainantsika manokana avy amin’ireo tantara ireo?

  • Mba hitarihana fifanakalozan-kevitra momba ny zavatra niainan’i Saoly, dia afaka manasa mpianatra vitsivitsy ianao hiomana hizara ny zavatra nianaran’izy ireo avy tamin’ireo fizarana tsirairay tao amin’ny lahatenin’ny Filoha DieterF. Uchtdorf hoe “Miandry eny amin’ilay lalana mankany Damaskosy” (Liahona, mey 2011, 70–77). Ahoana no fomba iandrasantsika eo amin’ny lalantsika manokana mankany Damaskosy indraindray? Araka ny voalazan’ny Filoha Uchtdorf, inona no zavatra afaka manampy antsika handre kokoa ny feon’ Andriamanitra Angamba afaka mizara ny zavatra niainan’izy ireo ny mpianatra mikasika ny fikatsahana sy fanarahana ny sitrapon’ Andriamanitra.

Manatsara ny fampianarantsika

Mijoroa ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy. Amin’ny maha-mpampianatra anao dia afaka manampy ireo mpianatra ianao hanorina ny finoan’izy ireo ao amin’ny Mpamonjy, toy ny nataon’i Filipo an’ilay lehilahy Etiopiana tamin’ny alalan’ny fampianarana azy avy tao amin’ny Isaia (jereo ny Asan’ny Apostoly 8:26–37). Mba hanaovana izany dia tsy maintsy manana fanorenana ny finoanao amin’ny soratra masina ianao. Ny tenivavolombelona zarainao dia afaka ho hery mahery vaika amin’ny fanampiana ireo mpianatra hanamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba an’i Jesoa Kristy.

Hamoaka printy