Testamenta Vaovao 2023
17–23 jolay. Asan’ny Apostoly 10–15: “Nandroso sy niely ny tenin’ Andriamanitra”


“17–23 jolay. Asan’ny Apostoly 10–15: —Nandroso sy niely ny tenin’ Andriamanitra,—” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“17–23 jolay. Asan’ny Apostoly 10–15,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2023

Sary
Petera miresaka amin’i Kornelio

17–23 jolay

Asan’ny Apostoly 10–15

“Nandroso sy niely ny tenin’ Andriamanitra”

Ny fandalinana ombam-bavaka ny Asan’ny Apostoly 10–15 mialoha ny hamakiana ity rindran-damina ity dia hanampy anao hahazo fitaomam-panahy avy amin’ny Tompo. Ireto hevitra eto ambany ireto dia soso-kevitra fotsiny ihany.

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Asao ny mpianatra hizara amin’izay mipetraka eo akaikiny izay zavatra nampianarin’ny Fanahy Masina azy ireo rehefa namaky ny Asan’ny Apostoly 10–15 izy ireo. Manasà mpianatra vitsivitsy hizara ny heviny amin’ny mpianatra rehetra.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Asan’ny Apostoly 10; 11:1–18; 15:1–25

Mampianatra antsika andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra amin’ny alalan’ny fanambarana ny Ray any An-danitra.

  • Mety ho diso hevitra mikasika ny fomba fandraisana fanambarana ny mpianatra sasany. Mety hanampy azy ireo ny firesahana ny fomba nahatongavan’ny fanambarana teo amin’i Petera sy ny fomba ahafahan’izy ireo mandroso hatrany, “[tsy] misalasala” (Asan’ny Apostoly 10:20), rehefa toa tsy feno na tsy mazava ny fanambarana. Manorita tsipika eny amin’ny solaitrabe dia soraty eny amin’ny lohany anankirain’ilay tsipika ny hoe Tokony hotorina amin’ny Jentilisa ny filazantsara. Iaraho mijery amin’ny mpianatra rehetra ny Asan’ny Apostoly 10 sy ny 11:1–18, ary avy eo dia asio teboka maromaro eo amin’ilay tsipika mba hanehoana ny fomba nanambaran’ny Tompo tsikelikely tamin’i Petera fa efa tonga ny fotoana hitoriana ny filazantsara amin’ny Jentilisa. Azonao atao ohatra ny manomboka izany amin’ny teboka mitondra ny anarana hoe “Nahita fahitana i Kornelio” (Asan’ny Apostoly 10:1–6) na atombohy amin’ny didy nomen’ny Mpamonjy an’ireo mpianany mihitsy aza hoe “ataovy mpianatra ny firenena rehetra”, izay hita ao amin’ny Matio 28:19. Inona no azontsika ianarana mikasika ny fanambarana raha tsoahina avy amin’ny zavatra niainan’i Petera? Inona no zavatra ampian’ireo fampianaran’i Nefia mikasika ny fanambarana ao amin’ny 2 Nefia 28:30 sy ireo fampianarana avy amin’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” ao amin’ny fahatakarantsika?

    Sary
    zatovovavy mamaky soratra masina

    Ny fanambarana ho an’ny tena manokana dia matetika no tonga miandalana eny amin’ny alalan’ny ezaka tsy tapaka.

  • Afaka mandalina ohatra hita ao amin’ny soratra masina ianareo izay ahitana ny Tompo mampianatra ny olona andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra. Ankoatra ny zavatra niainan’i Petera ao amin’ny Asan’ny Apostoly 10 dia afaka mijery ny zavatra niainan’i Nefia (1 Nefia 18:1–3) sy i Almà (Almà 7:8; 16:20) ary i Môrmôna (3 Nefia 28:17, 36–40) ny mpianatra. Inona ireo ohatra hafa azon’ny mpianatra eritreretina izay nahitana olona nandray fitarihana ara-panahy “etsy kely ary eroa kely”? (2 Nefia 28:30). Nahoana ny Tompo no indraindray misafidy ny hanambara zavatra amin’izany fomba izany toy izay hanome ao anatin’ny indray mandeha ny valiny rehetra? (Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:40; 98:12).

  • Indraindray ny mpikambana manana fanontaniana na olana mikasika ireo fitsipika sy fandaharan’asa ao amin’ny Fiangonana. Mety hanampy azy ireo ny miresaka ny fomba nahatonga an’ilay fanambarana hoe hanomboka ny fitoriana ny filazantsara tamin’ny Jentilisa (jereo ny Asan’ny Apostoly 10) ho lasa nanolo ilay torolalana nomen’ny Tompo teo aloha an’ireo mpianany (jereo ny Matio 10:1, 5–6). Ahoana no mety hamalian’ny mpianatra olona iray tamin’ny andron’i Petera izay tsy nanaiky ny torolalan’i Petera satria nifanohitra tamin’ireo fomba amam-panao tany aloha izany? Ahoana no ahafahan’ilay fanambarana ao amin’ny Asan’ny Apostoly 10 manampy antsika hanaraka ny fanambarana mitohy avy amin’ny Tompo amin’ny alalan’ny mpaminaniny?

Asan’ny Apostoly 10:9–48

“Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra.”

  • Hitondra tombontsoa ho an’ny mpianatrao ve ny fanaovana fifanakalozan-kevitra momba ny dikan’ny hoe “tsy mizaha tavan’olona”? Azonao atao ny manomboka izany amin’ny alalan’ny fanasana ny mpianatra rehetra hamaky soratra masina izay mampianatra fa tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra, toy ny Romana 2:1–11; 1 Nefia 17:34–40; 2 Nefia 26:32–33; Almà 5:33; Môrônia 8:12; ary ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:34–35. Angataho ny mpianatra mba hanoratra famaritana azo omena mikasika ny atao hoe “tsy mizaha tavan’olona,” izay mifototra amin’ny zavatra novakin’izy ireo ary angataho izy ireo avy eo mba hizara ny zavatra nosoratany. Ahoana no hanehoan’ireo zava-niseho sy fitsipika ao amin’ny Asan’ny Apostoly 10:34–48 fa tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra? Ahoana no ahafahan’ny olo-marina ho “ankasitrahan’” Andriamanitra na dia tsy mizaha tavan’olona aza Izy? (Jereo ny Asan’ny Apostoly 10:34–35; 1 Nefia 17:35).

    Mety ilaina ny hanampianao ny mpianatra hahatakatra fa ny hoe “tsy mizaha tavan’olona” dia tsy midika hoe mitahy ny olona rehetra amin’ny fomba mitovy Andriamanitra na inona na inona ataontsika. Tiany hanaiky ny filazantsarany ny zanany rehetra, kanefa ny fahafenoan’ny fitahiana entin’ny filazantsara dia natokana ho an’ireo izay manao sy mitandrina ny fanekempihavanana natao Taminy.

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana

Loharanom-pitaovana fanampiny

Mandray fanambarana andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra.

Nampianatra ny Loholona David A. Bednar hoe: “Maro amintsika no manana fahazarana mihevitra fa hahazo valiny iray na bitsika iray avy amin’ireo vavaka sy fitalahoana nataontsika isika. Ary matetika koa isika no manantena fa ny valiny na bitsika toy izany dia ho tonga eo ho eo sy ao anatin’ny indray mandeha. Noho izany dia manana fironana ny hino isika hoe hanome antsika valiny lehibe haingana ary ao anatin’ny indray mandeha ny Tompo. Ilay lamina hita miverimberina ao amin’ny soratra masina anefa dia manambara fa isika dia mandray, —andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra, fitsipika anampy fitsipika,— na amin’ny teny hafa, valiny kely maro rehefa mandeha eny ny fotoana. Ny fanekena sy ny fahatakarana izany lamina izany dia fanalahidy lehibe mba hahazoana fitaomam-panahy sy fanampiana avy amin’ny Fanahy Masina” (“Line upon Line, Precept upon Precept,” New Era, Sept. 2010, 3–4).

Manatsara ny fampianarantsika

Atombohy amin’ny soratra masina. Mialoha ny hijerena ireo loharanom-pitaovana fanampiny dia halalino amim-pahazotoana ireo soratra masina fahiny sy maoderina. Ny fandalinana ombam-bavaka ny tenin’ Andriamanitra dia hanome fahafahana ny Fanahy hanampy anao hisintona zavatra avy amin’ny zavatra nohalalininao rehefa mampianatra ianao. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy12.)

Hamoaka printy