Testamenta Vaovao 2023
3–9 jolay. Asan’ny Apostoly 1–5: “Ho vavolombeloko [ianareo]”


“3–9 jolay. Asan’ny Apostoly 1–5: —Ho vavolombeloko [ianareo]—” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“3–9 jolay. Asan’ny Apostoly 1–5,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2023

Sary
vahoaka eo amoron-drenirano izay atao batisa ao anaty renirano

Day of Pentecost (Andron’ny Pentekôsta), nataon’i Sidney King

3–9 jolay

Asan’ny Apostoly 1–5

“Ho vavolombeloko [ianareo]”

Rehefa mamaky ny Asan’ny Apostoly 1–5 ianao ary mikatsaka ny fitarihan’ny Fanahy dia hahazo fitaomam-panahy ny amin’izay fahamarinana ao amin’ireo toko ireo izay hanampy ny mpianatrao hiantehitra bebe kokoa amin’ny Fanahy Masina sy ho vavolombelona mahatokin’i Jesoa Kristy Tompo.

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Misy andalan-tsoratra masina sy fitsipika manan-danja maro ao amin’ny Asan’ny Apostoly 1–5. Fomba iray tena tsara hamantarana izay manan-danja indrindra amin’ireo mpianatra ao amin’ny kilasinao ny mamela azy ireo hilaza ny zavatra nahaliana azy ireo indrindra nandritra ny fandalinana nataony. Ahoana no fomba hanasanao ny mpianatra hizara zavatra toy izany? Mety ho zavatra tena tsotra izany, toy ny fanomezana azy ireo minitra vitsy hitadiavana sy hizarana andinin-tsoratra masina avy ao amin’ny Asan’ny Apostoly 1–5 izay nahatsapan’izy ireo fa miresaka amin’izy ireo ny Tompo ao anatin’izany.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Asan’ny Apôstôly 1:1–8; 2:37–39; 4:1–13, 31–33

Mitarika ny Fiangonany amin’ny alalan’ny Fanahy Masina i Jesoa Kristy.

  • Ny famakiana ireo zavatra niainan’ny Apôstôly dia afaka manampy ny mpianatrao hahita ny fomba hahafahany mandray hery sy fitarihana avy amin’ny Fanahy Masina eo amin’ny antso sy andraikitra ampanaovina azy ireo ao amin’ny Fiangonana. Fomba iray handalinana ireo zavatra niainana ao amin’ny Asan’ny Apostoly 1–5 ny fanoratana eny amin’ny solaitrabe ny hoe Ny Fanahy Masina dia afaka manampy ahy amin’ny antsoko amin’ny alalan’ny: ary avy eo dia manasa ny mpianatra hamaky ny Asan’ny Apostoly 1:1–8; 2:37–39; ary ny 4:1–16; 31–33, mba hitadiavana fomba hamenoana ilay fehezan-teny. Afaka mizara zavatra niainana avy eo ireo mpianatra izay nanampian’ny Fanahy Masina azy ireo amin’izany fomba izany. Nahoana ireo Apôstôly no nila ny Fanahy Masina, ary nahoana isika no mila Azy?

Asan’ny Apostoly 1:15–26

Antsoin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanambarana ny Apôstôlin’i Jesoa Kristy.

  • Eritrereto ny hanasa ireo mpianatra hanazava ny fomba mety hataon’ny orinasa iray rehefa misafidy izay hisolo toerana olona ambony ao aminy. Inona no mety ho mari-pahaizana tadiavin’izy ireo? Asao ireo mpianatra hampitaha izany amin’ny fomba niantsoana an’i Matia Apôstôly (jereo ny Asan’ny Apostoly 1:15–26; jereo koa ny 1 Samoela 16:1–13) sy ny ny tenin’ny Filoha Gordon B. Hinckley ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” izay manoritsoritra ny fomba iantsoana ireo Apôstôly. Inona no fiantraikan’ilay fomba fisafidianan’ Andriamanitra mpitarika eo amin’ny finoantsika ireo mpitarika izay nantsoiny? Azon’ireo mpianatra zaraina ny fomba nahazoan’izy ireo fijoroana ho vavolombelona fa ny apôstôly sy mpaminany ankehitriny dia nantsoin’ Andriamanitra.

Asan’ny Apostoly 2:37–47

Manentana antsika hampihatra ny zavatra nianarantsika ny Fanahy Masina.

  • Rehefa mandalina ny soratra masina any an-trano sy miaraka ao an-dakilasy isan-kerinandro ireo mpianatra dia mety hahatsapa matetika ho “voatsindrona tam-pony” (Asan’ny Apostoly 2:37) izy ireo. Mety ho taomim-panahy ianao hanampy azy ireo handroso kokoa amin’ny alalan’ny fanontaniana hoe “Inona no hataon[tsika]?” (Asan’ny Apostoly 2:37). Iaraho mamaky ny Asan’ny Apostoly 2:37–47, ka asao ny mpianatra hitady ireo zavatra nataon’ireo andian’olona miisa 3.000 ireo vokatry ny fanasana nataon’i Petera. Azon’izy ireo atao tsara koa ny mizara ny zavatra nataony hanatanterahana ny fitaomam-panahy voarain’izy ireo avy amin’ny fandalinany ny tenin’ Andriamanitra. Avy eo ianao dia afaka manokana fotoana any amin’ny fiafaran’ny fotoam-pianarana hametrahan’ny olona tsirairay amin’ny tenany ny fanontaniana hoe “Inona no tokony hataoko?” ary hanoratana ny zavatra tsapany.

Sary
I Petera mitsiky sy mitory miaraka ratra eo amin’ny tarehiny

Na dia nosamborina sy nokapohina aza i Petera dia nitory ny filazantsara tamim-pahasahiana.

Asan’ny Apostoly 3; 4:1–21; 5:12–42

Rehefa feno ny Fanahy Masina isika dia afaka mizara ny filazantsara amim-pahasahiana.

  • Azon’ny mpianatra atao ny mamerina mijery ny Asan’ny Apôstôly 3; 4:1–21; 5:12–42, ary hitady ohatra ahitana an’i Petera mijoro ho vavolombelona amim-pahasahiana. Inona no dikan’ny hoe mitory “ny tenin’ Andriamanitra tamin’ ny fahasahiana”? (Asan’ny Apostoly 4:31). Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny Fanahy Masina antsika hizara ny filazantsara amim-pahasahiana? Inona no tsy mampitovy an’io karazana fahasahiana io amin’ny fihantsiana ady? Mety manana zavatra niainana hozaraina ny mpianatra, izay niarovan’izy ireo na niarovan’ny olona fantany tamim-pahasahiana ny filazantsara na nijoroany ho vavolombelona momba izany tamim-pahasahiana.

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana

Loharanom-pitaovana fanampiny

Ny fiantsoana mpikambana iray ao amin’ny Roambinifololahy.

I Gordon B. Hinckley dia nizara izao hevitra manaraka izao mikasika ny fizotran’ny fiantsoana Apôstôly iray vaovao: “Ny dingana arahina dia tsy hita raha tsy ao amin’ny fiangonan’ny Tompo ihany. Tsy misy fikatsahana toerana, tsy misy fanaovana kolikoly mba hahazoana toerana iray, tsy misy fampielezan-kevitra hanindrahindrana ny hasin’ny tena. Ampitahao amin’ny fomban’izao tontolo izao ny fomban’ny Tompo. Ny fomban’ny Tompo dia manao zavatra amim-pahanginana, manao zavatra amim-pilaminana, ary tsy misy fidedadedahana na fandaniam-bola. Tsy ahitana fitadiavana tombontsoan’ny tena izany, na fieboeboana, na faniriana hahazo zavatra. Araka ny drafitry ny Tompo, ireo izay manana andraikitra hisafidy ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana dia mikatsaka ny hamaly fanontaniana iray manan-danja hoe: —Iza no tian’ny Tompo ho eo?— Misy ny fandinihana atao amim-pahanginana sy amim-pisaintsainana. Ary betsaka ny vavaka atao mba handraisana ny fanamafisana avy amin’ny Fanahy masina fa marina ilay safidy ” (“God Is at the Helm,” Ensign, mey 1994, 53).

Manatsara ny fampianarantsika

Asao ny mpianatra mba handray andraikitra. Matetika ny Fanahy Masina dia mitaona antsika hanao zavatra araka izay ianarantsika (jereo ny Asan’ny Apostoly 2:37). Rehefa nitranga tamin’ireo olona nampianarin’i Petera izany dia nanome fanasana izy ireo (jereo ny Asan’ny Apostoly 2:38). Eritrereto ny fomba azonao hanarahana ny ohatra nasehon’i Petera.

Hamoaka printy