Testamenta Vaovao 2023
12–18 jona. Lioka 22; Jaona 18: “Nefa aoka anie tsy ny sitrapoko no atao, fa ny Anao”


“12–18 jona. Lioka 22; Jaona 18: —Nefa aoka anie tsy ny sitrapoko no atao, fa ny Anao,—” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“12–18 jona. Lioka 22; Jaona 18,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2023

Sary
I Kristy sy ireo mpianany tao Getsemane

Gethsemane Grove (Ala kely tao Getsemane), nataon’i Derek Hegsted

12–18 jona

Lioka 22; Jaona 18

“Nefa aoka anie tsy ny sitrapoko no atao, fa ny Anao”

Eritrereto ny zavatra hataonao mba hanasana ny Fanahy ao amin’ny kilasinao rehefa miresaka mikasika ireo zava-niseho masina ao amin’ireo toko ireo ianareo. Mitadiava ombam-bavaka fomba hanampiana ny mpianatra mba hanao izay hampahalalina ny fitiavan’izy ireo ny Mpamonjy sy ny finoan’izy ireo Azy.

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Manasà mpianatra maromaro mba hizara ny zavatra tsapan’izy ireo nandritra ny famakian’izy ireo tamin’ity herinandro ity ary hizara ireo andininy izay nanampy azy ireo hanana fahatsapana toy izany.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Lioka 22:39–46

Lasa mitovy bebe kokoa amin’i Kristy isika rehefa misafidy ny hampandefitra ny sitrapontsika mba hanekena ny sitrapon’ny Ray.

  • Ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy amin’ny fanekena ny sitrapon’ny Ray dia afaka manampy ireo mpianatrao rehefa mila manao tahaka izany izy ireo. Mba hanombohana fifanakalozana iray dia afaka manasa ny mpianatra ianao mba hizara ny zavatra niainan’izy ireo rehefa nilefitra izy ireo teo anatrehan’ny zavatra iray izay fantatr’izy ireo fa tian’ Andriamanitra hataon’izy ireo. Angataho izy ireo mba hizara ny fomba nahafantaran’izy ireo ny zavatra tian’ Andriamanitra hataon’izy ireo ary ny fitahiana azon’izy ireo rehefa nanaiky ny sitrapony izy ireo. Asao ny mpianatra mba hamaky ny Lioka 22:39–46 sy hiresaka mikasika ny antony nampandeferan’ny Mpamonjy ny sitrapony mba hanekena ny sitrapon’ny Ray. Ahoana no ahafahantsika manaraka ny ohatry ny Mpamonjy?

  • Ankoatra ilay fihetsika nasehon’ny Mpamonjy mba hankatoavana an’ Andriamanitra ao amin’ny Lioka 22:42, dia inona ireo ohatra hafa maneho ny fanoavany Azy izay hitantsika ao amin’ny Lioka 22 sy Jaona 18? Ahoana ny fomba naneken’ny Mpamonjy ny sitrapon’ny Rainy nandritra ny fiainany? Inona no azontsika atao mba hitovy kokoa Aminy? Ilay teny nambaran’ny Loholona Neal A. Maxwell ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” dia mety hanampy eo amin’ny famporisihana ny mpianatra hieritreritra ny fomba ahafahan’izy ireo mampandefitra ny sitrapon’izy ireo mba hanekena ny sitrapon’ Andriamanitra.

Lioka 22:39–46

Nanatanteraka Sorompanavotana tsy manam-petra ho antsika i Jesoa Kristy.

  • Ny Lioka 22:39–46 dia mamaritra ny zava-nitranga tao Getsemane. Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny lanjan’io zava-nitranga masina io ho an’ny tena manokana, dia angamba azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ny fanontaniana toy ny hoe Inona no nitranga tao Getsemane? sy ny hoe Nahoana izany no zava-dehibe ho ahy? Afaka mahita valiny ao anatin’ny Lioka 22:39–46; Almà 7:11–13; ary ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:16–19 ny mpianatra. Mety afaka mahita valiny ao anatin’ilay hafatry ny Filoha Tad R. Callister hoe “Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy” koa izy ireo (Liahona, mey 2019, 85–87).

  • Ao anatin’ny Bokin’i Môrmôna dia antsoin’i Jakôba hoe “sorompanavotana tsisy fetra” (2 Nefia 9:7) ilay Sorompanavotan’i Jesoa Kristy . Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny dikan’izany dia azonao zaraina ny fampianaran’ny Filoha Russell M. Nelson ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” ary angataho ny mpianatra hitanisa ireo fomba azo handraisana ny herin’ny sorona nataon’ny Mpamonjy ho tsisy fetra. Afaka mamaky ihany koa ireto soratra masina manaraka ireto izy ireo ka manampy ny lisitra nataony: Hebreo 10:10; Almà 34:10–14; Fotopampianara sy Fanekempihavanana 76:24; ary ny Mosesy 1:33. Ahoana no ahafahantsika maneho ny fankasitrahantsika ny zavatra nataon’ny Mpamonjy ho antsika?

Sary
Petera mijery avy eny alavitra an’i Kristy

Peter’s Denial (Ny Fandavan’i Petera), nataon’i Carl Heinrich Bloch

Lioka 22:54–62

Afaka ny ho mahatoky amin’i Jesoa Kristy isika na eo aza ny tahotsika sy ny fahalementsika.

  • Mba hanampiana ny mpianatra hahita ny zava-niseho tao amin’ny Lioka 22:54–62, dia afaka mampiseho sary iray ianao, toy ny sarin’ny Fandavan’i Petera (ChurchofJesusChrist.org). Afaka mizara ny zavatra nianaran’izy ireo avy amin’ny zavatra niainan’i Petera ny mpianatra izay namporisika azy ireo ho mahatoky amin’i Kristy.

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana

Loharanom-pitaovana fanampiny

Mampandefitra ny sitrapontsika eo anatrehan’ny Ray.

Ny Loholona Neal A. Maxwell dia nampianatra hoe: “Rehefa mampandefitra ny sitraponao eo anatrehan’ Andriamanitra ianao, dia manome Azy ilay hany zavatra azonao omena Azy marina, ilay tena fanananao atolotrao ho Azy. Aza miandry ela loatra amin’ny fitadiavana ilay alitara na amin’ny fametrahana ireo sitraponao eo ambonin’izany!” (“Remember How Merciful the Lord Hath Been,” Liahona, mey 2004, 46).

Ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy tsy manam-petra.

Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe:

“Tsy manam-petra—tsy manam-piafarana ny Sorompanavotan’i [Jesoa Kristy]. Tsy manam-petra ihany koa izany amin’ny hoe hovonjena amin’ny fahafatesana tsy manam-piafarana ny olombelona rehetra. Tsisy fetra izany raha ilay fijaliany lehibe no jerena. Tsisy fetra izany eo amin’ny lafin’ny fotoana satria namarana ilay fomba arahina hanaovana sorona biby taloha. Tsisy fetra izany raha eo amin’ny halehibeny—notanterahina indray mandeha ho an’ny rehetra izany. Ary tsy hoe mipaka hatrany amin’ny olona maro tsy tambo isaina fotsiny ihany ny famindrampon’ny Sorompanavotana fa mipaka ihany koa hatrany amin’ireo tontolo tsy tambo isaina izay nohariny. Izany dia tsisy fetra ary mihoatra izay mety ho mari-drefin’ny olombelona na ny fahatakaran’ny olombelona.

“I Jesoa Kristy no hany afaka nanolotra sorompanavotana tsy misy fetra toy izany satria nateraky ny reny mety maty sy ny Ray tsy mety maty Izy. Noho izany lova tsy manan-tsahala izany dia Olona tsy misy fetra i Jesoa” (“The Atonement,” Ensign, Nov. 1996, 35).

Manatsara ny fampianarantsika

Aoka ianao ho fitaovana feno fanetrentena mitondra ny Fanahy. “Ny tanjonao amin’ny maha-mpampianatra anao dia tsy ny hanao famelabelarana mahavariana fa hanampy ny hafa kosa handray ny fitarihan’ny Fanahy Masina, ilay tena mpampianatra” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy10).

Hamoaka printy