Testamenta Vaovao 2023
6–12 martsa. Matio 9–10; Marka 5; Lioka 9: “Ireo roa ambin’ny folo lahy ireo dia nirahin’i [Jesoa]”


“6–12 martsa. Matio 9–10; Marka 5; Lioka 9: —Ireo roa ambin’ny folo lahy ireo dia nirahin’i [Jesoa]—” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“6–12 martsa. Matio 9–10; Marka 5; Lioka 9,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2023

Sary
Jesoa manendy an’i Petera

6–12 martsa

Matio 9–10; Marka 5; Lioka 9

“Ireo roa ambin’ny folo lahy ireo dia nirahin’i [Jesoa]”

Rehefa mamaky ny Matio 9–10; Marka 5; ary ny Lioka 9, ianao dia mikatsaha fanentanam-panahy avy amin’ny Fanahy Masina mikasika ireo zavatra ilain’ireo izay ampianarinao. Ny firaketana an-tsoratra ireo fahatsapanao ara-panahy dia afaka manampy anao hiomana hiaina zavatra izay hitahy anao sy ireo mpianatrao.

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Afaka mangataka ny mpianatrao ianao mba hanoratra eo amin’ny tapa-taratasy iray ny fahamarinana nianaran’izy ireo avy amin’ny soratra masina tamin’ity herinandro ity ka ampidiriny ao anatin’izany ireo andinin-tsoratra masina ahitana izany. Mifidiana taratasy maromaro mba hovakina amin’ny iray kilasy rehefa voangona ireo taratasy. Ahoana no ahafahantsika mampihatra ireo fahamarinana ireo eo amin’ny fiainantsika?

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Matio 9

Manana hery hanasitranana antsika ara-batana sy ara-panahy i Kristy.

  • Maro amin’ireo fanasitranana nataon’ny Mpamonjy no mampianatra fahamarinana ara-panahy. Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra izany dia afaka mizara ny mpianatra ho vondrona efatra ianao ary omeo anankiray amin’ireto andalan-tsoratra masina manaraka ireto ny vondrona tsirairay: Matio 9:2–8; Matio 9:18–19, 23–26; Matio 9:20–22; sy Matio 9:27–31. Angataho ny vondrona tsirairay mba handalina ilay fahagagana nofaritana ao amin’ny andalan-tsoratra masina nomena azy ireo sy hamintina izany amin’ny iray kilasy. Inona no fahamarinana ara-panahy azontsika ianarana avy amin’ireo fahagagana ireo?

Sary
vehivavy iray nikasika ny akanjon’i Jesoa

Trust in the Lord (Matokia ny Tompo), nataon’i Liz Lemon Swindle

Matio 10

Omen’ny Tompo fahefana hanao ny asany ny mpanompony.

  • Afaka manampy antsika eo amin’ny andraikitsika manokana ny andraikitra nomen’ny Mpamonjy an’ireo Apôstôliny. Mety nahita hevi-baovao tao anatin’io lohahevitra io ny mpianatra tamin’ny alalan’ny fandalinan’izy ireo manokana. Ohatra misy sahanasa iray mikasika io lohahevitra io ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana. Asao izy ireo hizara ny zavatra nianarany na hamita ilay sahanasa ao anaty vondrona kelikely ao an-dakilasy. Asao ny mpianatra hizara ny zavatra niainany rehefa nahatsapa ny herin’ny Mpamonjy teo am-panatontosana ny antson’izy ireo.

  • Ahoana no hanampian’ny fandalinana ny andraikitra nomen’i Kristy an’ireo Apôstôliny ao amin’ny Matio 10 an’ireo mpianatrao mba hahatakatra ny anjara asan’ireo mpaminany sy apôstôly maoderina? Mety hanampy ny fampitahana ny andraikitra nomen’ny Mpamonjy an’ireo Apôstôly amin’ny andraikitra nomena ny Kôlejy voalohan’ny Apôstôly Roambinifolo ao anatin’ity fotoampitantanana ity, izay hita ao amn’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny.” Azon’ireo mpianatra atao angamba ny mizara ny fiantraikan’ny fanampoan’ireo Apôstôly velona teo amin’izy ireo. Mijoroa ho vavolombelona momba ny antso masina sahanin’ireo mpaminany sy apôstôly velona ary asao ny mpianatra mba hizara ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona koa.

Matio 10:17–20

Rehefa manompo ny Tompo isika dia hanentana ny fanahintsika amin’izay zavatra tokony holazaintsika Izy.

  • Indraindray ny olona dia tsy mahazo aina rehefa mampianatra na miresaka amin’ny hafa momba ny filazantsara. Kanefa ny Tompo dia nampanantena an’ireo mpianatra fa hanampy azy ireo hahafantatra ny zavatra tokony holazainy Izy. Inona no tokony hataontsika mba handraisana ilay fanampiana nampanantenain’ny Tompo ho antsika? Asao ny mpianatra hamaky ny Matio 10:19–20; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:85; ary ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 100:5–8 mba hahitana valiny ho an’ity fanontaniana ity. Oviana ny Fanahy Masina no nanampy anao hahafantatra izay tokony holazaina? Azonao atao ny mizara ny zavatra niainanao sy manasa ireo mpianatra hizara ny zavatra niainany.

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana

Loharanom-pitaovana fanampiny

Andraikitra iray omena an’ireo Apôstôlin’ny Andro Farany.

Tamin’ny fotoana niantsoana ny sasany tamin’ireo mpikambana voalohany tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo tamin’ity fotoampitantanana ity, dia nanome azy ireo andraikitra i Oliver Cowdery izay andraikitra mitovy amin’ny nomen’i Jesoa Kristy ao amin’ny Matio 10. Hoy Izy:

“‘Ianareo dia hiady amin’ny fanavakavahan’ny firenena rehetra. … Noho izany aho dia mampitandrina anareo mba hanao izay hananana fanetrentena lehibe, satria fantatro ny fiherarehan’ny fon’ny olombelona. Tandremo fandrao ireo mpandokandokan’izao tontolo izao hanandratra anareo. Tandremo fandrao ny fitiavanareo ho voasariky ny zavatr’izao tontolo izao. Aoka ny asa fanompoanareo no handeha voalohany. … Zava-dehibe ny fandraisanareo fijoroana ho vavolombelona avy any an-danitra ho an’ny tenanareo manokana mba hahafahanareo mijoro ho vavolombelona momba ny fahamarinana. …

“‘… Mila mizara an’ity hafatra ity ho an’ireo izay mihevi-tena ho hendry ianareo. Ary ny olona toy izany dia mety hanenjika anareo, mety hikatsaka ny hamono anareo izy ireo. Ny fahavalo dia nikatsaka hatrany hamono ireo mpanompon’ Andriamanitra. Noho izany dia mila mivonona amin’ny fotoana rehetra ianareo mba hahafoy zavatra ao anatin’ny fiainanareo satria ho angatahin’ Andriamanitra izany ho fampandrosoana sy fanorenana ny asany. …

“Noraisiny tsirairay mitokana tamin’ny tanany avy eo izy ireo ary nilaza izy hoe: —Moa ve ianao handray anjara amin’ny fonao manontolo amin’ity asa fanompoana ity mba hitory ny filazantsara amim-pahavitrihana tanteraka miaraka amin’ireto rahalahy ireto ary araka ny votoatin’ilay andraikitra noraisinao sy ny tanjony?— Samy neken’ny tsirairay avy izany” (ao amin’ny “Minutes and Blessings, 21 February 1835,” Minute Book 1, 159–161, 164, josephsmithpapers.org; spelling and punctuation modernized).

Manatsara ny fampianarantsika

Mijoroa ho vavolombelona momba ireo fitahiana. Rehefa manasa olona hanao asa ianao, dia mijoroa ho vavolombelona amin’ireo izay ampianarinao fa handray ireo fitahiana izay nampanantenain’ Andriamanitra izy ireo rehefa mampihatra amim-pinoana ny fampianarany. Tsy tokony ho antony fototra mampazoto antsika hankatò ny fitahiana, kanefa maniry ny hitahy ny zanany rehetra ny Ray any An-danitra. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy35.)

Hamoaka printy