Testamenta Vaovao 2023
6–12 febroary. Jaona 2–4: “Tsy maintsy ateraka indray ianareo”


“6–12 febroary. Jaona 2–4: —Tsy maintsy ateraka indray ianareo—” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“6–12 febroary. Jaona 2–4,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2023

Sary
I Jesoa miresaka amin’i Nikodemosy

6–12 febroary

Jaona 2–4

“Tsy maintsy ateraka indray ianareo”

Ny famakiana ny Jaona 2–4 dia fomba tsara iray hanombohana ny fiomanana hampianatra. Raketo an-tsoratra izay fahatsapana ara-panahy voarainao, dia ampiasao ity rindran-damina ity mba hahitana hevi-baovao fanampiny.

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Manorata lohateny telo toy izao eo amin’ny solaitrabe: Jaona 2, Jaona 3, ary Jaona 4. Afaka maka minitra vitsivitsy ny mpianatra hamerenana hijery ireo toko ireo, ary avy eo hanoratra eo ambanin’ny lohateny tsirairay ny andininy izay nanampy azy ireo hahatakatra ny fotopampianarana sy ireo zava-nitranga tao amin’izany toko izany. Manaova fifanakalozan-kevitra momba ireo andinin-tsoratra masina nosoratan’izy ireo.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Jaona 2:1–11

Ireo fahagagana nataon’i Jesoa Kristy dia “naneho ny voninahiny.”

  • Ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia manolo-kevitra ny hamakiana ny Jaona 2:1–11 amin’ny fomba fijerin’ny olona izay teo tamin’i Jesoa nanova ny rano ho divay. Angamba afaka mizara hevi-baovao azony tamin’ny fanaovana izany ireo mpianatra. Inona no zavatra ianarantsika momba ny Mpamonjy avy amin’ireo andininy ireo? Amin’ny fomba ahoana no nanehoan’io fahagagana io ny voninahitr’ Andriamanitra? (jereo ny andininy 11).

Jaona 2:13–22

Afaka miaro ireo toerana sy zavatra masina isika.

  • Mba hanampiana ireo mpianatra hianatra avy amin’ny tantaran’i Jesoa nandroaka ireo mpanakalo vola hivoaka ny tempoly dia azonao angatahina izy ireo hieritreritra zavatra hafa, ankoatra ny tempoly, izay raisin’ny Tompo ho masina. Ahoana no ahafahantsika manampy amin’ny fiarovana ny fahamasinan’ireo zavatra ireo?

Jaona 3:1–21

Tsy maintsy ateraka indray isika mba hahafahana miditra ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra.

  • Ahoana no hanazavantsika amin’ny olona iray ny dikan’ny hoe ateraka indray? Hevero ny hanasana ny mpianatra hanao fanazaran-tena miaraka amin’ny olona mipetraka eo akaikiny momba ny fomba hamaliany izany fanontaniana izany. Eo am-panaovan’izy ireo izany dia afaka mifanakalo hevitra momba ny fanontaniana tahaka ireto izy ireo: Inona no ianarantsika avy amin’ny tenin’i Jesoa ao amin’ny Jaona 3:3–7? Ahoana no fomba hahafahan’ny fibebahana sy ny batisa ary ny fandraisana ho mpikambana manampy antsika ho teraka indray? Ireo teny nambara ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” dia afaka manome hevitra fanampiny amin’ilay fifanakalozan-kevitra.

  • Misy olona sasany mino fa tsy afaka tena miova ny olona. I Nikodemosy anefa dia ohatra iray mikasika ny olona izay niova vokatry ny fanarahana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Mba hanampiana ny mpianatra hahita izany dia afaka manasa azy ireo ianao hamakafaka ny Jaona 3:1–2; Jaona 7:45–52 ary ny Jaona 19:38–40. Inona no ianarantsika avy amin’ireo andininy ireo mikasika ny fihetsik’i Nikodemosy sy ireo zavatra inoany? Nanao ahoana ny fiovany rehefa nandeha ny fotoana? Inona no ohatra azontsika zaraina momba ny olona izay niova noho ny filazantsara?

Jaona 4:5–34

Manolotra ho antsika “rano velona” sy ny “hanin’ny” fanaovana ny asan’ Andriamanitra i Jesoa Kristy.

  • Mila hanina sy rano isan’andro ny vatantsika. Niresaka ireo zavatra ilain’ny olon-drehetra ireo i Jesoa rehefa nampianatra ilay vehivavy Samaritana sy ireo mpianany (jereo ny Jaona 4:5–34). Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy dia azonao atao ny mametaka sarina sakafo sy rano eo amin’ny solaitrabe, ary asao ny mpianatra hanoratra eo ambanin’ny sary tsirairay avy ireo fahamarinana momba ny sakafo sy rano ara-panahy nampianarin’i Jesoa. Amin’ny fomba ahoana no anafahan’ny Mpamonjy ny hanoanana sy ny hetaheta ara-panahintsika?

    Sary
    rano mikoriana

    Manolotra rano velona ho antsika i Jesoa Kristy.

  • Ny fisaintsainana ny fivoaran’ny fijoroana ho vavolombelona nananan’ilay vehivavy Samaritana momba an’i Jesoa Kristy dia afaka manampy an’ireo mpianatrao hisaintsaina ny fomba nahafahan’izy ireo nahafantatra fa Izy no ilay Mesia. Iaraho mijery ireo teny nampiasan’ilay vehivavy Samaritana hiantsoana ny Mpamonjy Jaona 4:6–30. Milaza inona momba ny fahalalany an’i Jesoa ireo teny ireo? Nitombo toy ny ahoana ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika fa Izy no Mpamonjy antsika?

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana

Loharanom-pitaovana fanampiny

Ny dikan’ny hoe ateraka indray.

Nampianatra ny Loholona David A. Bednar hoe: “Ny fiovam-po … dia mahery vaika, fa tsy kely—fahaterahana ara-panahy indray ary fiovana fototra eo amin’ny zavatra tsapatsika sy irintsika, ary eo amin’izay eritreretintsika sy ataontsika ary eo amin’ny maha-izy antsika. Marina tokoa fa ny fototry ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia tsy maintsy miteraka fiovana manan-danja sy maharitra eo amin’ny toetrantsika, izay tanteraka amin’ny alalan’ny fianteherantsika amin’ny —fahamendrehana sy ny famindram-po ary ny fahasoavan’ny Mesia Masina— (2 Nefia 2:8). Rehefa mifidy ny hanaraka ilay Mpampianatra isika dia mifidy ny hiova—ho teraka indray ara-panahy” (“Ye Must Be Born Again,” Liahona, mey 2007, 20).

Nampianatra ny Filoha Dallin H. Oaks hoe: “Nateraka indray isika tamin’ny fotoana nanaovantsika fanekempihavanana tamin’ny Mpamonjintsika tamin’ny alalan’ny fahaterahantsika tamin’ny rano sy ny Fanahy ary tamin’ny nandraisantsika ho eo amintsika ny anaran’i Kristy. Afaka manavao izany fahaterahana indray izany isika isaky ny Sabata rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo. Manambara ireo Olomasin’ny Andro Farany fa ireo izay nateraka indray tamin’ny alalan’izany fomba izany dia zanakalahy sy zanakavavy ara-panahy naterak’i Jesoa Kristy (jereo ny Môzià 5:7; 15:9–13; 27:25). Saingy, mba hahatongavan’ireo fitahiana katsahina avy amin’izany hoe nateraka indray izany dia tsy maintsy mbola mitandrina ireo fanekempihavanantsika sy maharitra hatramin’ny farany isika” (“Have You Been Saved?,” Ensign, May 1998, 56).

Manatsara ny fampianarantsika

Tsy tsaratsara kokoa noho ny mpianatra ny mpampianatra. Ny anjara asanao amin’ny maha-mpampianatra anao dia manan-danja, saingy tsy ianao irery ihany no loharanom-panentanam-panahy ao an-dakilasy. Ampio ny mpianatra hianatra avy amin’ny Fanahy ary hifampizara ny zavatra ianarany.

Hamoaka printy