Testamenta Vaovao 2023
2–8 janoary. Matio 1; Lioka 1: “Aoka anie ho tonga amiko araka ny teninao”


“2–8 janoary. Matio 1; Lioka 1: —Aoka anie ho tonga amiko araka ny teninao—” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“2–8 janoary. Matio 1; Lioka 1,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2023

Sary
I Maria sy i Elizabeta

2–8 janoary

Matio 1; Lioka 1

“Aoka anie ho tonga amiko araka ny teninao”

Alohan’ny hamakianao izay mety ho fitaovana fanampiny hoenti-mandalina, dia vakio sy saintsaino ny Matio 1 sy ny Lioka 1, ary raketo ireo zavatra ara-panahy tsapanao. Avelao ny Fanahy hitarika ny fanomananao. Fantaro avy eo ireo hevitra ao anatin’ity rindran-damina ity sy ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana.

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Tanjona fototr’i Matio sy i Lioka ary ireo mpanoratra hafa ny Filazantsara ny hijoro ho vavolombelona fa Zanak’ Andriamanitra i Jesoa Kristy. Omeo minitra vitsy ireo mpianatra hamerenana mijery ny Matio 1 na Lioka 1 ary hizara andininy iray izay manorina ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy. Omeo sosokevitra ny mpianatra fa rehefa mandalina ny Testamenta Vaovao izy ireo amin’ity taona ity, dia afaka manao ny lisitr’ireo andinin-tsoratra masina izay mijoro ho vavolombelona fa Zanak’ Andriamanitra i Jesoa Kristy. Azonao atao miaraka amin’ny mpianatra aza io lisitra io.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Matio 1:18–25; Lioka 1:5–80

Miasa amin’ny alalan’ireo zanany mahatoky ny Ray any An-danitra mba hanatanterahana ny tanjony.

  • Antenaina kokoa ny hahazoan’ny mpianatra traikefa manan-danja eo am-pandalinana ny Testamenta Vaovao amin’ity taona ity raha misintona lesona avy amin’ny zavatra niainan’ireo olona hitany ao amin’ny soratra masina izy ireo. Mba hanampiana azy ireo hanao izany dia azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ny anaran’ireo olona ao amin’ny Matio 1 sy ny Lioka 1, miaraka amin’ireo andinin-tsoratra masina miresaka momba ireo olona ireo, toy izao manaraka izao:

    Inona no azontsika ianarana avy amin’ireo tantara ireo izay hanampy antsika amin’izao fotoana izao?

  • Mba hanampiana ireo mpianatra hieritreritra lalina kokoa momba an’i Maria sy ny anjara asany ao amin’ny drafitry ny Ray dia iaraho mamaky ny Lioka 1:26–38, 46–56, ka tadiavo ireo zavatra izay nolazan’i Maria izay maneho zavatra momba ny toetrany. Inona no zavatra hafa ianarantsika avy amin’i Maria?

Lioka 1:5–25

Tonga amin’ny fotoana nomanin’ Andriamanitra ireo fitahiana avy Aminy.

  • Mety misy olona ao amin’ny kilasinao, izay miaina amim-pahamarinana tahaka an’i Elizabeta sy i Zakaria, kanefa tsy nahazo fitahiana iray izay nandrandraina. Hevero ny hanasa ny iray kilasy hamaky ny Lioka 1:5–25, ka hitady ireo lesona izay azon’izy ireo ianarana avy amin’i Elizabeta sy i Zakaria mikasika ny fiandrasana ny Tompo. Inona no ohatra hafa mikasika ny fiandrasana ny fotoan’ny Tompo izay azon’ny mpianatra zaraina avy amin’ny fiainan’izy ireo manokana, na avy amin’ireo tantara ao amin’ny soratra masina? Inona no ianarantsika avy amin’ireo ohatra ireo? Afaka mifanakalo hevitra momba ilay teny nambara ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” koa ireo mpianatra.

Lioka 1:26–38

“Tsy hisy tsy ho tanteraka ny teny rehetra ataon’ Andriamanitra.”

  • Indraindray ny mpianatra dia mety hanontany tena, tahaka ny nataon’i Maria, ny amin’ny fomba ahafahana manatanteraka ny drafitr’ Andriamanitra ho azy ireo, na ny fampanantenana nomeny azy ireo. Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra fa afaka ny ho tanteraka ny zavatra rehetra amin’ny alalan’ny herin’ Andriamanitra dia azonao aseho ilay sary Ny Fiarahabana: Niseho tamin’i Maria ny Anjely Gabriela (Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 28) sy azonao asaina izy ireo mba hiaraka hamaky ny Lioka 1:26–38. Inona no azontsika ianarana mikasika ny fandresena ilay zavatra izay toa tsy azo tanterahina mihitsy amin’ny alalan’ny fandalinana ny teny nolazain’i Maria sy ny asa nataony? Asao ny mpianatra hizara zavatra niainana, ka tao anatin’izany dia nampian’ Andriamanitra izy ireo hanatanteraka zavatra izay noheverin’izy ireo fa tsy azo tanterahina.

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana

Loharanom-pitaovana fanampiny

Miandry ny Tompo.

Noho ny fahafantarana fa maro amintsika no manontany ny antony tsy maintsy iandrasantsika ireo fitahian’ Andriamanitra, dia nilaza ny Loholona Jeffrey R. Holland hoe:

“Ny valin’izany fanontaniana izany dia hoe—Eny, Andriamanitra dia afaka ny hanao fahagagana eo no ho eo kanefa na ho ela na ho haingana dia mianatra isika fa Izy ary Izy irery ihany no mandidy ireo fotoana sy ireo vanim-potoan’ny fiainantsika eto an-tany.— Ny finoana dia midika hoe fahatokiana an’ Andriamanitra na amin’ny fotoana tsara na ratsy na dia midika aza izany fa hisy fijaliana mandra-pahitantsika ny fanehoany ny sandriny hamonjy antsika.

“… Ireo izay —miandry ny Tompo dia mandroso hery kosa [ary] elatra no hiakarany tahaka ny voromahery; hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra; handeha izy, nefa tsy ho reraka— [Isaia 40:31; nampiana fanamafisana]. Mivavaka aho mba ho tonga amin’ny tsirairay aminareo izay mikatsaka fanamaivanana amin’ny alahelonareo ary fanafahana amin’ny fijalianareo ireo fitahiana ireo—afaka kelikely—, na ho ela na ho haingana. Mijoro ho vavolombelona ny amin’ny fitiavan’ Andriamanitra sy ny Famerenana amin’ny laoniny ny Filazantsarany feno voninahitra aho, izay vahaolana amin’ireo olana rehetra atrehantsika eo amin’ny fiainana na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana” (“Eo am-piandrasana ny Tompo,” Liahona, nôv. 2020, 116–17).

Manatsara ny fampianarantsika

Amporisiho ny mpianatra handalina ny soratra masina any an-trano. Fomba iray azonao handrisihana ny fandalinana soratra masina any an-trano ny fanomezana fotoana an’ireo mpianatra mba hizarana ireo zavatra hitany sy ireo hevi-baovao azony avy amin’ny fandalinany manokana sy ny fandalinan’ny mpianakavy (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy29).

Hamoaka printy