Testamenta Taloha 2022
Lamina hitondrana ny fampianarana


“Lamina hitondrana ny fampianarana,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2022 (2021)

“Lamina hitondrana ny fampianarana,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2022

Sary
zatovo mandalina ny soratra masina

Lamina hitondrana ny fampianarana

Ny rindran-damina tsirairay ao anatin’ity loharanom-pitaovana ity dia manaraka ny lamin’ny fanasana, fizarana, ary fampianarana ny fotopampianarana.

Asao mba hizara

Mandritra ny fotoam-pianarana rehetra, dia asao ny mpianatra hizara hevi-baovao sy zavatra niainan’izy ireo nandritra ny herinandro lasa rehefa nandalina samirery ny soratra masina sy niaraka tamin’ny fianakaviany izy ireo, ary nampihatra ny zavatra nianarany. Ampio ny mpianatra hahita fa manan-danja ny fianaran’izy ireo manokana ivelan’ny fotoam-pianarana. Tsy ho amin’ny alalan’ny fianarana isaky ny alahady ihany no hitrangan’ny fiovam-pon’izy ireo manokana ho amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy fa amin’ny alalan’ny zavatra iainan’izy ireo isan’andro ihany koa. Rehefa mahare ny zavatra niainan’ny tsirairay sy ireo fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany ny mpianatra, dia ho moramora kokoa ny hikatsahan’izy ireo zavatra efa niainany mitovy amin’izany.

Tsy voatery ho namaky ireo toko ho an’ny lesona tsirairay daholo ny rehetra, ary na ireo izay namaky aza dia mety hahatsapa ho tsy mahazo aina rehefa asaina mizara hevitra. Ataovy izay hahatsapan’ny mpianatra rehetra fa singa manan-danja ao anatin’ilay kilasy izy, na manana zavatra hozaraina izy na tsia.

Ampianaro ny fotopampianarana

Na ianao na ny mpianatrao dia tokony hifantoka amin’i Jesoa Kristy sy ny fotopampianarany, dia ireo fahamarinana mandrakizain’ny filazantsara, izay hita ao amin’ireo andalan-tsoratra masina asaina vakina. Eo am-pifanakalozanareo hevitra momba ireo fotopampianarana avy amin’ny soratra masina , dia inona avy ireo andinin-tsoratra masina, teny nindramina, zavatra niainana, ary loharanom-pitaovana fanampiny mety hozarainao? Ahoana no mety hampiasanao an’ireo loharanom-pitaovana ireo mba hanampiana ny mpianatra hahafantatra sy hahatakatra ireo fitsipiky ny filazantsara? Ahoana no ahafahanao manampy azy ireo hanamafy ny finoany ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

Hamoaka printy