Testamenta Taloha 2022
Mampiasa ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady


“Mampiasa ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady,Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“Mampiasa ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady,Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2022

Sary
olona mandray fitenenana ao an-dakilasy ao am-piangonana

Mampiasa ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady

Miomana hampianatra ao amin’ny Sekoly Alahady

Ny fandalinana manokana sy miaraka amin’ny fianakaviana ao an-tokantrano no tokony ho ivon’ny fianarana ny filazantsara. Marina izany ho anao sy ireo izay ampianarinao. Rehefa miomana hampianatra ianao dia atombohy amin’ny fananana ny traikefanao manokana amin’ny soratra masina. Ny fiomananao manan-danja indrindra dia hitranga rehefa manadihady ny soratra masina sy mikatsaka ny fitaoman’ny Fanahy Masina ianao.

Ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia sady ampahany manan-danja amin’ny fandalinanao manokana no ampahany manan-danja amin’ny fiomananao hampianatra. Izy io dia hanampy anao hahatakatra lalindalina kokoa ireo fitsipika ara-potopampianarana izay hita ao amin’ny soratra masina. Izy io dia hanome fahafahana anao hitaona sy hanasa ireo mpianatra hampiasa ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana mba hanatsarana ny fandalinana soratra masina ataon’ny tena manokana sy ataon’ny mpianakavy (ho fanampiana amin’ny fanaovana izany dia jereo ny “Hevitra handrisihana ny fandalinana manokana sy ny fandalinana ataon’ny mpianakavy” ao anatin’ity fitaovana ity). Rehefa manao izany dia tadidio ny mitandrina tsara ny amin’ireo olona ao amin’ny kilasy izay anaty fianakaviana tsy afaka miara-mandalina ny soratra masina na manao takarivan’ny mpianakavy matetika noho ny toe-javatra misy azy.

Mandritra ny fiomananao dia hisy hevitra sy eritreritra tonga ao aminao momba ny olona ampianarinao, sy ny fomba hitahian’ny fitsipika ao amin’ny soratra masina azy ireo ary ny fomba ahafahanao mankahery azy ireo mba hahita ireo fitsipika ireo rehefa mandalina ny soratra masina samirery izy ireo.

Hevitra hoenti-mampianatra

Eo am-piomananao hampianatra dia mety hahazo fitaomana fanampiny ianao amin’ny alalan’ny fizahana ireo rindran-damina hoenti-mampianatra ato anatin’ity loharanom-pitaovana ity. Aza raisina ho toromarika arahina tsikelikely ireo hevitra ireo fa ho soso-kevitra kosa mba hampitsiry ny aingam-panahinao manokana. Fantatrao ireo olona ao amin’ny kilasinao, ary hanana fahafahana hahafantatra azy ireo kokoa ianao rehefa miara-mianatra ao an-dakilasy ianareo. Fantatry ny Tompo ihany koa izy ireo, ary hanome fitaomam-panahy anao Izy amin’ny fomba tsara indrindra mba hanampiana ireo mpianatra hiorina eo amin’ny fianarana ny filazantsara izay ataon’izy ireo any an-tokantranony.

Maro ireo loharanom-pitaovana hafa azonao ampiasaina eo am-piomananao, anisan’izany ireo hevitra hita ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana sy ireo gazetibokin’ny Fiangonana. Mba hahazoana fampahalalana bebe kokoa momba ireo sy ireo loharanom-pitaovana hafa, dia jereo ilay fizarana mitondra ny lohateny hoe “Loharanom-pitaovana fanampiny” ato amin’ity loharanom-pitaovana ity.

Zavatra tsara tadidiana

  • Mahomby kokoa ny fianarana ny filazantsara rehefa mifototra ao an-tokantrano. Amin’ny maha-mpampianatra anao dia manana andraikitra lehibe ianao ny hanohana sy hamporisika ary hiainga avy amin’ny fianarana ny filazantsara ao an-tokantrano ataon’ny olona ao amin’ny kilasy.

  • Ny fiovam-pon’ireo olona ao amin’ny kilasy amin’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany dia hihalalina kokoa rehefa takatr’izy ireo sy ampiharin’izy ireo ny fotopampianarana marina. Amporisiho izy ireo hirakitra sy hanaraka ireo bitsika azon’izy ireo avy amin’ny Fanahy Masina.

  • Ny mampianatra dia tsy vitan’ny hoe manome lesona fotsiny, kanefa izany koa dia tsy vitan’ny hoe mitarika fifanakalozan-kevitra fotsiny. Tafiditra ao anatin’ny anjara asanao ny mamporisika ny fandraisana anjara izay mankahery sy mifototra amin’ny soratra masina. Tokony hizara hevitra entanim-panahy izay azonao rehefa nandalina ny soratra masina ihany koa ianao.

  • Tsarovy fa olona maro ao amin’ny kilasy no miaina zavatra manan-danja rehefa mandalina any an-trano ny soratra masina izay horesadresahanareo ao an-dakilasy. Afaka manohana ny fandalinany ny soratra masina ianao amin’ny fanomezana azy ireo fahafahana matetika hizara ny zavatra niainany tany an-tokantrano.

  • Tian’ny Ray any An-danitra ho mpampianatra mahomby ianao. Nanome loharanom-pitaovana maro Izy mba hanampiana anao, anisan’izany ny fivorian’ny filankevitry ny mpampianatra. Amin’ireny fivoriana ireny no ahafahanao mifanolotra hevitra amin’ny mpampianatra hafa momba ireo olana izay atrehinao. Azonao atao koa ny mifanakalo hevitra sy mampihatra fitsipiky ny fampianarana tahaka ny an’i Kristy.

  • Tena mianatra zavatra ny olona rehefa manana fahafahana hampianatra. Azonao atao indraindray ny mamela mpianatra iray, anisan’izany ireo tanora, hampianatra ampahany iray amin’ny lesona. Ataovy arakaraka ireo zavatra ilaina sy ny fahaiza-manaon’ny mpianatrao ny fandraisana izany fanapahan-kevitra izany. Raha manasa mpianatra iray hampianatra ianao, dia makà fotoana hanampiana azy hiomana mialoha amin’ny fampiasana ireo hevitra hita ato amin’ity loharanom-pitaovana ity sy ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’ olona sy ny fianakaviana. Tsarovy fa amin’ny maha-mpampianatra voantso anao, dia ianao ihany amin’ny farany no tompon’andraikitra amin’izay zavatra ampianarina ao an-dakilasy.

Ity loharanom-pitaovana ity dia ahitana rindran-damina hoenti-mampianatra ho an’ny herinandro rehetra anatin’ny taona. Amin’ireo alahady izay tsy misy Sekoly Alahady dia azon’ireo fianakaviana atao ny manohy mamaky ny Testamenta Taloha any an-tokantrano araka ny fandaharam-potoana efa napetraka ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana. Amin’ireo alahady misy Sekoly Alahady dia afaka misafidy ny handingana lesona na hanambatra lesona ianao.

Hamoaka printy