Testamenta Taloha 2022
Loharanom-pitaovana fanampiny


“Loharanom-pitaovana fanampiny,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“Loharanom-pitaovana fanampiny,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2022

Loharanom-pitaovana fanampiny

Ireto loharanom-pitaovana ireto dia azo jerena ao amin’ny application Bibliothèque de l’évangile sy ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Cantiques sy Fihirana sy hiran’ny ankizy sy ny Bokin-kiran’ny ankizy

Ny hira masina dia manasa ny Fanahy ary mampianatra ny fotopampianaran’i Kristy amin’ny fomba tena miavaka. Ankoatra ny tahadika vita printin’ny Cantiques sy Fihirana sy hiran’ny ankizy sy ny Bokin-kiran’ny ankizy, dia afaka mahita raki-peo sy horonan-tsarin’ny fihirana sy hiran’ny ankizy maro ianao ao amin’ny music.ChurchofJesusChrist.org sy ao amin’ny application Musique sacrée sy ny Bibliothèque de l’évangile.

Boky torolalana ho an’ny seminera sy institiota

Ny Boky torolalana ho an’ny seminera sy institiota dia ahitana ny zava-nitranga ara-tantara sy fanamarihana ara-potopampianarana ho an’ireo fitsipika hita ao amin’ny soratra masina. Mety hanome hevitra enti-mampianatra ho an’ny kilasin’ny Sekoly Alahady ihany koa izany.

Gazetibokin’ ny Fiangonana

Ny gazetiboky Liahona sy Ho zatovo mahery! dia ahitana lahatsoratra sy fitaovana hafa izay afaka manampy ireo fitsipika ampianarinao avy ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady.

Sary
ankizy mandalina bokin’ny Fiangonana

Ireo lohahevitra mikasika ny filazantsara (Sujets de l’évangile)

Ao amin’ny Sujets de l’évangile (topics.ChurchofJesusChrist.org) ianao dia afaka mahita fampahalalana ankapobeny momba ny lohahevitra mikasika ny filazantsara isan-karazany, miaraka amin’ireo rohy mankany amin’ireo loharanom-pitaovana manampy toy ireo hafatra avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany, lahatsoratra, soratra masina, ary horonan-tsary izay mifandray amin’izany. Ao ihany koa ny Essais sur des sujets de l’évangile izay manome fampahalalana lalina kokoa momba ireo lohahevitra sarotra mahakasika ny fotopampianarana sy ny tantara.

Torio ny Filazantsarako

Io boky torolalana ho an’ny misiônera io dia manome topimaso momba ireo fitsipika fototry ny filazantsara.

Jeunes, soyez forts (kiboky)

Io loharanom-pitaovana io dia mandravona ireo fitsipi-pitondrantena an’ny Fiangonana izay afaka manampy antsika hiaina ny filazantsara sy hianoka ny fiarahana amin’ny Fanahy. Jereo matetika izany, indrindra fa rehefa mampianatra zatovo ianao.

Horonan-tsary sy asa kanto

Ny zava-kanto sy ny horonan-tsary ary ireo haino aman-jery hafa dia afaka manampy ireo izay ampianarinao hahatakatra ny fotopampianarana sy haka sary an-tsaina ireo tantara mifandray amin’ny soratra masina. Tsidiho ny Médiathèque ao amin’ny MediaLibrary.ChurchofJesusChrist.org mba hahitana ny fitambaran’ireo haino aman-jery an’ny Fiangonana. Misy amin’ny endriny application ho an’ny fitaovana finday koa ny Médiathèque. Sary maro izay azonao ampiasaina ao an-dakilasy no hita ao amin’ny Boky mirakitra sary mikasika ny filazantsara.

Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

Ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy dia afaka manampy anao hianatra sy hampihatra ireo fitsipiky ny fampianarana araka ny an’i Kristy. Ireo fitsipika ireo dia ifanakalozana hevitra sy ampiharina ao amin’ny fivorian’ny filankevitry ny mpampianatra.

Hamoaka printy