Hiran’ny zatovo
Malala aho


2

Malala aho

1. Jereko ireo sary

mipoitra eo amin’ny finday

toa sambatra aoka izany,

f’izaho toa tsy mba ohatr’izay.

Nivezivezy hatrany,

tsy haiko hoe ho lasa iza aho rahatrizay.

Tsy mampahita tory

‘reo zava-maro andrandraina,

mikiky, mampahory.

Hitady aho nefa hiala maina,

ary tsy hahita akory

ny marina izay toa manahiran-tsaina. Mm.

Avy eo dia reko ilay feonao

‘zay mampitraka ahy,

miaro ity fanahy.

Mihamaivana aho

satria nampianao.

[Chorus]

Fa zanakao aho ‘zay malala

sy nandova toetranao aho,

‘zaho dia noharianao tsara,

tsy hisalasala aho,

antsoinao,

zanakao aho ‘zay malala

sy nandova toetranao aho,

‘zaho dia noharianao tsara,

tsy hisalasala aho,

antsoinao malala aho. Malala aho.

2. Tsy ahoako ireo kotaba,

mahita aho ‘zao am-pitoniana

f’ilay fitiavanao

no fanafana azoko hitokiana.

Fa eo ‘reo holatrao

porofo tsara ho tadidiana.

‘Ndraindray dia reko injay ‘lay feonao

‘zay mampitraka ahy,

miaro ity fanahy.

Haiko hoe iza aho,

na aiza misy ahy.

[Chorus]

Zanakao aho ‘zay malala

sy nandova toetranao aho,

‘zaho dia noharianao tsara,

tsy hisalasala aho,

antsoinao,

zanakao aho ‘zay malala

sy nandova toetranao aho,

‘zaho dia noharianao tsara,

tsy hisalasala aho,

antsoinao malala aho. Malala aho.

‘Reo ratra tsy hamaritra ahy

fa hanome traikefa.

Nampahitanao ‘ty fanahy

ireo zava-tsoa rehetra.

‘Reo ratra tsy hamaritra ahy

fa hanome traikefa,

nampahitanao ‘ty fanahy,

‘ty fanahy.

[Chorus]

Fa zanakao aho ‘zay malala

sy nandova toetranao aho,

‘zaho dia noharianao tsara,

tsy hisalasala aho,

antsoinao,

zanakao aho ‘zay malala

sy nandova toetranao aho,

‘zaho dia noharianao tsara,

tsy hisalasala aho,

antsoinao malala aho. Malala aho.

Tonony sy feony nataon’i Connor Austin, Ysabelle Cuevas, ary Nik Day 

Arranged by Landon Alley, Mitch Davis

Produced by Mitch Davis

© 2023 by Intellectual Reserve, Inc. All rights reserved. Ity hira ity dia azo adika raha sendra ampiasaina ao am-piangonana na ao an-tokantrano ka tsy atao itadiavam-bola. Tsy maintsy avoaka eo amin’ny tahadika tsirairay izay atao ity fanamarihana ity.

Ho an’ny feo sy Piano

Ho an’ny feo sy Gitara

Ho an’ny feo sy Okolele

Hamoaka printy