Sekoly Alahady
Andraikitra


Sary
Vondron’olona mitsiky

Ny antsoko amin’ny maha-filohan’ny Sekoly Alahady ahy

Andraikitra

Feno fankasitrahana ny Tompo noho ny fahavononanao hanompo ao amin’ny Fiangonany. Ity eto ambany ity ny topimaso mikasika ireo andraikitra amin’ny antsonao.

Ny tanjon’ny Sekoly Alahady

Manampy amin’ny fanatanterahana ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana ny Sekoly Alahady. Manao izany amin’ny alalan’ny fanampiana ireo zanak’ Andriamanitra hianatra sy hiaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izany (jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 13.1).

Fiadidian’ny Sekoly Alahady

Manana andraikitra ny hanompo ao amin’ny filankevitry ny paroasy sy ny hanara-maso ny fianarana sy fampianarana filazantsara any an-tokantrano sy any am-piangonana ary handrindra ireo kilasy ny filoha. Manohana sy mankahery ary mampianatra ireo mpampianatra ihany koa ny filoha mba hahomby kokoa amin’ny alalan’ny fanarahana ireo fitsipika ao amin’ny soratra masina sy ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy (jereo ny 13.2.2.2). Manampy azy amin’izany ireo mpanolotsainy.

Kilasy isaky ny alahady

Ny Sekoly Alahady dia tanterahina isaky ny alahady voalohany sy fahatelon’ny volana. Hiova araky ny filàn’ny paroasy tsirairay ny isan’ny mpanatrika amin’ny kilasy iray (jereo ny 13.3). Ireo mampianatra ao amin’ny Sekoly Alahady dia mampiasa ireo soratra masina sy ireo lesona manaraka ny Avia, hanaraka Ahy ary ireo tenin’ny mpaminany maoderina ho loharanom-pitaovana fototra hampiasaina ho amin’ny fampianarana.

Fianarana mifototra amin’ny ao an-tokatrano

Tompon’andraikitra amin’ny fampianarana ny filazantsara an’ireo zanany ny ray aman-dreny (jereo ny 13.5). Ireo mpampianatra sy mpitarika ao amin’ny Sekoly Alahady dia mankahery ireo mpikambana hikatsaka fitaomam-panahy ho azy manokana mikasika ny fomba andalinana sy ampianarana ny filazantsara (jereo ny 17.2).

Fivorian’ny filankevitry ny mpampianatra

Mandritra ny fivorian’ny filankevitry ny mpampianatra dia mifanakalo hevitra mikasika ireo fitsipiky ny fampianarana araka ny fomban’i Kristy ireo mpampianatra. Mifanakalo hevitra momba ny fanatsarana ny fianarana sy ny fampianarana ny filazantsara ihany koa izy ireo. Ampiasaina ho toy ny loharanom-pitaovana ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy (jereo ny 17.4). Tanterahina isaky ny telo volana mandritra ny kilasy fianarana amin’ny alahady ireo fivoriana ireo ary matetika tarihan’ny filohan’ny Sekoly Alahady (jereo ny 13.4).

Fivoriana filankevitry ny mpampianatra ho an’ireo ray aman-dreny

Ny filohan’ny Sekoly Alahady dia manampy amin’ny amin’ny fandrindrana ireo fivorian’ny filankevitry ny mpampianatra ho an’ireo ray aman-dreny eo ambany fitarihan’ny eveka sy ny filankevitry ny paroasy. Manaraka ny lamina sy ny fahamaroan’ny fivorian’ny filankevitry ny mpampianatra mahazatra ireo fivoriana ireo, saingy amin’ity tranga ity dia ny ray aman-dreny no asaina hanatrika. Ny tanjona dia ny hanampiana ireo ray aman-dreny mba ho mpampianatra tsara kokoa any an-tokatrano. Tokony ampiasaina ho toy ny loharanom-pitaovana ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy sy ny fitaovana fampahafantarana ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy (jereo ny 17.4).

Torolalana sy fitsipika

Ny olon-dehibe rehetra miara-miasa amin’ny zatovo dia tsy maintsy mamita ilay fiofanana mikasika ny fiarovana ny ankizy sy ny zatovo ao anatin’ny iray volana taorian’ny nanohanana azy (ProtectingChildren.ChurchofJesusChrist.org). Ireo torolalana fanampiny ho an’ny Sekoly Alahady dia hita ao amin’ny fizarana 13.7 ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany.

Hamoaka printy