Sekoly Alahady
Arahabaina


Sary
Sary hosodoko maneho an’i Jesoa mitrotro zanakondry

Arahabaina

Miarahaba anao nahazo ny antsonao vaovao. Feno fankasitrahana izahay ny amin’ny fitiavana sy ny fanolorantena ho an’ny Ray any An-danitra izay nasehonao tamin’ny alalan’ny fahavononanao hanompo ireo zanany. Amin’ny alalanao no ahafahany mikasika fo, sy manamafy orina fiovam-po ary mitarika ireo zananilahy sy zananivavy eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana.

Ireo loharanom-pahalalana tsara ho fantatra

Hanampy anao hamantatra ny antsonao ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany sy Ny antsoko , izay loharanom-pahalalana vokarin’ny Fiangonana. Vakio ireo famariparitana etsy ambany mba hahatakarana tsara kokoa ny fomba fampiasa ireo loharanom-pahalalana roa ireo.

NyBoky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia manolotra toromarika amin’ny antsipiriany mahakasika ireo andraikitra sahanintsika maro samihafa. Iangaviana ianao hampiasa io boky torolalana io mandritry ny fanompoanao sy handinika ombam-bavaka ny torolalana omen’izany.

Ny antsoko: Ny antsoko dia manolotra topimaso momba ireo andraikitrao vaovao. Misy rohy maromaro mifandray amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany tafiditra ao amin’ireo fintina mba hahitana fampahalalana amin’ny antsipiriany kokoa.

Hamoaka printy