Seminera
2 Korintiana 7


2 Korintiana 7

“Alahelo araka an’ Andriamanitra”

Zatovovavy iray mandohalika eo amin’ny sisin’ny fandriany mba hivavaka.

Mety ho sarotra ny mamantatra raha tena efa nibebaka tanteraka tokoa isika. Efa avy nanana fahasahiranana ve ianao tamin’ny famantarana raha tena mba efa nibebaka tanteraka tokoa ianao tamin’ny zavatra anankiray na tsia? Ao amin’ny taratasy voalohany ho an’ny Korintiana, dia nibedy ny sasany tamin’ireo Olomasina Korintiana ny Apôstôly Paoly noho ny fahotan’izy ireo. Endrey ny hafaliany sy fahafaham-pony, nony nahavoaray teny i Paoly taty aoriana fa tena nibebaka marina tokoa ireo Olomasina Korintiana. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatakatra singa anankiray manan-danja amin’ny tena fibebahana marina ary hanampy anao hanatona kokoa an’i Jesoa Kristy.

Alahelo araka an’ Andriamanitra

Vakio ity rafi-tantara manaraka ity. Tao anatin’ny tafa sy dinika anankiray amin’ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ho an’ny fanambadiana, dia nisy zatovovavy anankiray izay namboraka tamin’ny evekany ny sasany tamin’ireo fahotana izay vitany teo aloha. Taorian’ny tafa sy dinika izay nahafahana nifanakalo hevitra lalindalina kokoa, dia tonga dia takatry ny eveka fa tsy tena nibebaka marina tamin’ny fahotany ilay zatovovavy ary ampy hahatonga azy ho tsy mendrika ny hahazo fahazoan-dalana hidirana ny tempoly izany. Nanazava ilay eveka fa tsy maintsy miandry ilay zatovovavy vao mahazo ilay fahazoan-dalana ambara-pahavitany mibebaka tanteraka. Nikoropaka izy, ka nilaza fa efa avy nibebaka satria efa tsy namerina an’ireo fahotany ireo intsony izy nandritra ny fotoana naharitra. Nanazava hatrany ny eveka fa ny fampitsaharana ny fahotana fotsiny dia tsy mbola tena fibebahana, ary nanasa azy izy mba hanomboka amin-kitsimpo ny dingana ho an’ny tena fibebahana marina.

Nanazava tamin’ny evekany ilay zatovovavy fa tena sorena izy satria efa nilaza tamin’ny olona hafa momban’ilay fanambadiana ary efa nanao drafitra amin’ny hankalazana izany. Manahy izy amin’ny mety ho fahafahambaraka amin’ny fanemorana ny fanambadiany sy amin’ny fomba izay hilazany an’izany amin’ny fofombadiny sy ny ray aman-dreniny. Nanontany izy raha sendra ka misy fomba hafa ihany ahafahany miroso amin’ny fanambadiana araka izay efa nanomanany azy ary manohy ny dingana ho an’ny tena fibebahana marina indray rehefa avy eo.

  • Raha miainga avy amin’ny valintenin’ilay zatovovavy tamin’ny eveka, dia inona ny zavatra izay toa tena mampanahy azy indrindra?

  • Nahoana ny zavatra izay ifantohany no manasarotra ny tena fibebahana marina?

Saintsaino ny zavatra izay tena tsy takatr’ity zatovovavy ity tanteraka momba ny fibebahana. Rehefa manohy ity lesona ity ianao, dia mitadiava fitsipika izay mety afaka hanampy an’ilay zatovovavy. Saintsaino raha ohatra ka ilainao amin’ny fibebahanao manokana ihany koa ity fitsipika ity.

Alahelo araka an’ Andriamanitra

Iray amin’ireo tanjon’i Paoly tamin’ny nanoratany ny taratasiny teo aloha ho an’ireo Korintiana ny hamporisihana ny olona sasany mba hibebaka. Tao anatin’ny taratasin’i Paoly manaraka, dia nidera an’ireo izay nahitsiny noho ny fibebahana tamin-kitsimpo nataon’izy ireo izy ary nampianatra momba ny ampahany iray tena manan-danja amin’ny fibebahana.

Vakio ny 2 Korintiana 7:8–11, ary tadiavo ireo hevitra vaovao izay naroson’i Paoly momba ny fibebahana izay mety afaka manampy ilay vehivavy ao anatin’ilay rafi-tantara. (Mariho fa ny teny hoe mibebaka araka izay nampiasaina azy ao amin’ny andininy 8 dia midika hoe manenina.) Azonao jerena koa ny horonan-tsary “Godly Sorrow Worketh Repentance” (1:40), izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, ary araho izany ao anatin’ny soratra masinao.

1:40

Repentance

Godly sorrow for sin leads to repentance. 2 Corinthians 7:8–10

Ho an’ireo hevi-baovao izay hita ao amn’ny Bokin’i Môrmôna momba ny alahelo araka an’ Andriamanitra, dia vakio ny Almà 36:12–13; 42:29.

  • Inona avy ireo hevi-baovao izay azonao ka mety afaka hanampy ilay vehivavy ao anatin’ilay rafi-tantara?

  • Ahoana ny fomba mety ahafahan’ireo fampianarana ireo manampy anao?

Fahamarinana anankiray izay mety ho hitanao dia ny hoe ny alahelo araka an’ Andriamanitra dia mitarika amin’ny fibebahana.

  • Inona avy ireo karazana alahelo izay resahan’i Paoly ao amin’ny andininy 10?

  • Inona ny zavatra izay hitanao ao amin’ilay rafi-tantara ka maneho ny karazana alahelo izay tsapan’ilay zatovovavy?

Manaova tsanganana roa ao anaty diary fandalinanao soratra masina amin’ny alalan’ny fanaovana tsipika midina eo afovoan’ny pejy. Soraty hoe Alahelo araka an’ Andriamanitra eo amin’ny faratampon’ny tsanganana iray ary Alahelo araka izao tontolo izao eo amin’ny faratampon’ilay tsanganana iray hafa.

Ampio ny eritreritrao momba ireto fanontaniana manaraka ireto eo ambanin’ny lohateny tsirairay.

  • Inona ny zavatra izay ampianarin’i Paoly ao amin’ny andininy 8–10 mikasika ny maha samy hafa ny alahelo araka an’ Andriamanitra sy ny alahelo araka izao tontolo izao?

  • Inona araka ny hevitrao no fahasamihafana fanampiny eo amin’ireo karazana alahelo roa ireo?

Vakio ireto fanambarana manaraka ireto, ary mitadiava hevitra vaovao fanampiny momba ny alahelo araka an’ Andriamanitra sy ny alahelo araka izao tontolo izao. Ampio ao amin’ny tabilaonao ireo hevi-baovao ireo.

Ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanome ity famaritana ity momba ny alahelo araka an’ Andriamanitra:

Sary ôfisialin’ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, aogositra 2010.

[Ny alahelo araka an’ Andriamanitra dia midika fa] mahatsapa alahelo lalina sy nenina noho ny fitondran-tena izay nanampy ny fanaintainan’ny Mpamonjy sy ny fijaliany, rehefa manala izay mety ho fandavana na fialan-tsiny ny fanahintsika. …

Mety ho fifohazana ara-panahy lehibe indrindra eto amin’ity fiainana ity mba ho tonga zanakalahy na zanakavavin’ Andriamanitra malemy fanahy angamba ny fahatsapan’ny tena manokana fa tena misy tokoa ny fanefanana ny ota nataon’i Jesoa Kristy ary tsy natao ho an’ny olon-kafa rehetra fotsiny ihany ny fijaliany—fa natao ho anao sy ho ahy ihany koa! … Rehefa takantsika ara-panahy fa nijaly noho ny fahotantsika Izy, dia malahelo isika noho ny fanaintainana izay nahazo Azy. Tsapantsika anefa fa tafiditra ao anatin’ny drafitry ny Raintsika izany, saingy tototry ny fanomezana izay atolony ho antsika isika. Ity fahatalanjonana, fankasitrahana, fiderana ny Mpamonjy izay nanao izany ho antsika, dia mitondra antsika handohalika rehefa feno alahelo araka an’ Andriamanitra ny fanahintsika.

(Neil L. Andersen, Fanomezan’ Andriamanitra ny famelan-keloka [2019], 149, 150)

Ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, izay tao amin’ny Fiadidiana Voalohany tamin’izany, dia nilaza izao manaraka izao momba ny alahelo araka an’ Andriamanitra:

16:19

Vitanao io, izao dia izao!

Fa raha mbola te hiverina hijoro koa isika sy hanohy eo amin’ilay lalana, … dia afaka mianatra zavatra avy amin’ny tsy fahombiazana ary ho tonga tsara kokoa sy falifaly kokoa.

Sary tapaka ôfisialin’ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, 2006. Nantsoina ho Mpanolotsaina Faharoa tao amin’ny Fiadidiana Voalohany, 3 febroary 2008. Nanao ny sary tapaka ôfisialy tamin’ny 2008 ho solon’ilay sary tapaka nalaina tamin’ny 2004.

Ny alahelo araka an’ Andriamanitra dia mitaona amin’ny fiovana sy fanantenana amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Ny alahelon’izao tontolo izao dia misintona antsika hidina, mamono ny fanantenana, ary mandresy lahatra antsika hilefitra amin’ny fakam-panahy fanampiny.

Ny alahelo araka an’ Andriamanitra dia mitarika amin’ny fiovana sy fiovam-po. Izany dia mahatonga antsika hankahala ny fahotana ary hitia ny zavatra tsara. Mamporisika antsika izany hijoro sy handeha ao amin’ny fahazavan’ny fitiavan’i Kristy. Ny fibebahana marina dia resaka fiovana, fa tsy fampijaliana na fahoriana. Eny, ny nenina avy ao am-po sy ny tena fanenenana marina noho ny tsy fankatoavana dia matetika manaintaina ary dingana tena manan-danja amin’ireo dingana masin’ny fibebahana. Saingy rehefa ny fahamelohana no mitarika amin’ny fankahalana ny tena na manakana antsika tsy hiarina dia manakana ny fibebahantsika izany fa tsy mamporisika.

(Dieter F. Uchtdorf, “Vitanao io izao dia izao!,” Liahona, nôv. 2013, 56)

Jereo ny horonan-tsary “Repentance Is a Process That Brings Peace” manomboka avy amin’ny mari-potoana faha 0:00 ka hatramin’ny 1:39 mba hahitana ny fomba namariparitan’ny olona anankiray ny zavatra izay niainany tamin’ny alahelo araka an’ Andriamanitra sy ny fomba nahafahan’izany nitahy azy tamin’ny fiainany.

3:34

Repentance Is a Process That Brings Peace

Three adult members share their experiences with repentance. They say repentance leads to godly sorrow for sin and a willingness to involve God in a process that brings peace and joy.

Manoratra amin’ny penina na penisilihazo eo amina sombin-taratasy. 1. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto, amin’ny alalan’ny fampiasana ny zavatra izay nianaranao:

  • Inona no atao hoe alahelo araka an’ Andriamanitra?

  • Inona no atao hoe alahelo araka izao tontolo izao?

Manoratra amin’ny penina na penisilihazo eo amina sombin-taratasy. 2. Avereno saintsainina ny toe-javatra izay nisy teo amin’ilay zatovovavy sy ny evekany, ary valio ity fanontaniana manaraka ity rehefa avy eo.

  • Inona ny zavatra izay mba azonao zaraina amin’ilay zatovovavy momba an’i Jesoa Kristy sy ny alahelo araka an’ Andriamanitra ka afaka manampy azy hanasa ireo fitahiana entin’ny fibebahana?

Saintsaino vetivety ireo ezaka izay ataonao manokana mba hibebahana. Hevero ny zavatra izay tsapan’ny Mpamonjy sy niainany rehefa nijaly noho ny fahotanao. Inona no zavatra azonao atao mba hahafahanao manokatra kokoa ny fonao hahatsapa alahelo araka an’ Andriamanitra sy hanasa ny hery manasitrana avy amin’ny Mpamonjy eo amin’ny fiainanao? Hevero ny hanoratana ny valin-teninao amin’ity fanontaniana ity ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina manokana na anatin’ny bokikely fandraisanao zavatra an-tsoratra.

Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Ahoana no fomba hahafahako mahatakatra kokoa ny fahasamihafana izay misy eo amin’ny alahelo araka an’ Andriamanitra sy ny alahelo araka izao tontolo izao?

Fony izy mbola Fitopololahin’ny Vondromparitra, dia hoy ny Loholona D. Chad Richardson hoe:

Sary ôfisialy farany an’ny Loholona D. Chad Richardson tao amin’ny Kôlejy fahaenina an’ny Fitopololahy, 2002. Nisaorana nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2010, izay nihatra nanomboka ny 1 mey 2010.

Ny fahasamihafana lehibe izay misy eo amin’ny [alahelo araka an’ Andriamanitra sy ny alahelo araka izao tontolo izao] dia ny loharanon’izy roa ireo. Ny alahelo araka izao tontolo izao dia avy amin’i Satana. Izy io dia alahelo azo fa tra-tehaka, fa tsy afaka manohy ny fahotana intsony, na ny fanoheran-tena manokana amin’ny fankahalana na ny fanamavoana.

Ny alahelo araka an’ Andriamanitra kosa, etsy ankilany, dia alahelo azo noho ny fanomezana avy amin’ Andriamanitra ho an’izay vonona handray izany. Ny alahelo araka an’ Andriamanitra dia mitarika antsika hahafantatra tanteraka ny halehiben’ny fahotantsika miaraka amin’ny fahafantarana fa afaka ny ho afaka amin’izany isika.

(D. Chad Richardson, Forgiving Oneself,” Ensign, Mar. 2007, 32)

Tamin’ny septambra 2019 dia namoaka printy kisary mifototra amin’ny fampianran’ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ny New Era izay mety afaka manampy anao hanavaka tsara kokoa ny alahelo araka an’ Andriamanitra sy ny alahelo araka izao tontolo izao. Jereo eto: Dieter F. Uchtdorf, “Godly Sorrow,” New Era, Sept. 2019, 32–33.