Seminera
2 Korintiana 1; 4


2 Korintiana 14

“Ampiononin’ Andriamanitra”

Sary
Zatovovavy anankiroa miara-mipetraka amin’ny sezalava. Toy ny feno fanahiana, malahelo, na sahiran-tsaina amin’ny zavatra iray ny iray amin’ireo zatovovavy. Ilay zatovovavy iray dia maneho fitserana ary hita ho toy ny miezaka mampahery ilay iray hafa.

Isika rehetra dia samy mahatsapa alahelo sy fahoriana, fihemorana sy sakantsakana ary fahasorenana sy aretina. Rehefa niaina zava-tsarotra ny vahoakan’i Korinto dia nanoratra ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonana tany i Paoly mba hanome fanohanana sy torohevitra tsy tapaka. Nijoro ho vavolombelona momba ny fampiononana sy fiadanana azon’izy ireo tamin’ny alalan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy izy (jereo ny 2 Korintiana 1:3–4). Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatakatra ny sasany amin’ireo fomba anomezan’ Andriamanitra fampiononana ho an’ireo zanany sy hamantarana ireo fomba ahafahanao mizara ny fampiononany amin’ny hafa.

Inona no mampionona anao?

  • Amin’inona na iza no itodihanao hahazoana fampiononana mandritra ny fotoan-tsarotra?

  • Inona na iza no mampionona anao indrindra? Nahoana?

1. Vitao ao anaty diary fandalinanao soratra masina ity lisitra manaraka ity:

Manaova lisitr’ireo toe-javatra eo amin’ny fiainana ankehitriny na amin’ny hoavy izay mety hilanao fanampiana sy fampiononana ny fandalovana izany.

Saintsaino ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Nahoana ianao no afaka matoky fa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia hampionona anao amin’ny alalan’ny fanomezana ny Fanahy Masina mandritra ireo fotoana ireo?

  • Manao ahoana ny fahatsapanao ny fahafantarana sy ny fandraisana ny fampiononana omen’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy anao amin’ny alalan’ny Fanahy Masina?

  • Ahoana no ahafahanao mizara amin’ny hafa ny fampiononana omen’Izy Ireo?

Tadiavo ny valin’ireo fanontaniana teo aloha rehefa mandalina ity lesona ity ianao.

Naniry ny hampionona ny Olomasina Korintiana tao anatin’ny fitsapana mahazo azy ireo i Paoly

Raha tany Makedonia i Paoly dia nandre avy tamin’ny mpianatra iray nantsoina hoe Titosy izy fa noraisin’ny Olomasina tany Korinto tsara ny taratasiny teo aloha (jereo ny 2 Korintiana 2:13; 7:5). Nahafantatra momba ireo fisedrana maharitra niainan’ireo Olomasina ireo koa i Paoly ka nanoratra taratasy iray hafa (2 Korintiana) mba hampiononana azy ireo sy hamahana ny olany.

  • Inona no tadidinao momba an’i Korinto sy ny fahasahiranan’ny Olomasina tany?

Vakio ny 2 Korintiana 1:1–4, ary diniho tsara ny fomba nanokafan’i Paoly ny taratasiny faharoa ho an’ny Olomasina Korintiana.

  • Inona no nanaitra anao tamin’ny teny fiarahabana nataon’i Paoly tamin’ireo Olomasina?

  • Inona no anarana na anaram-boninahitra nampiasain’i Paoly ho an’ny Ray any An-danitra izay nanaitra anao?

  • Inona no ampianarin’ireo anarana na anaram-boninahitra ireo anao momba ny Ray any An-danitra?

  • Inona no fahamarinana nampianarin’i Paoly ao amin’ny andininy 4?

Mandray fampiononana avy amin’ny Ray any An-danitra sy manampy ny hafa hahazo izany

Mety ho hitanao ny fahamarinana toy izao manaraka izao ao amin’ny andininy 4: Rehefa mandray ny fampiononana avy amin’ny Ray any An-danitra isika mandritra ireo fitsapana mahazo antsika, dia afaka manampy bebe kokoa ny hafa handray izany koa isika.

  • Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe “mampionona azy ireo amin’ny fahoriana rehetra”? (andininy 4).

  • Inona araka ny eritreritrao no antony anantenana izany amin’ny mpianatr’i Jesoa Kristy?

2. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Oviana ianao na ny olona fantatrao no nahazo fanampiana sy fampiononana avy amin’ny Ray any An-danitra nandritra ny fitsapana iray?

  • Inona no nianaranao na nianaran’izy ireo avy tamin’izany zavatra niainana izany?

  • Inona araka ny eritreritrao no azonao atao mba handraisana bebe kokoa ny fampiononana avy amin’ Andriamanitra rehefa mila izany ianao?

Vakio ity teny manaraka nolazain’ny Filoha Spencer W. Kimball (1895–1985) ity:

Sary
Sary hosodoko maneho ny Filoha Spencer W. Kimball.

Tena mandinika antsika Andriamanitra ary miambina antsika Izy. Saingy matetika avy amin’ny alalan’ny olona iray hafa no hanomezany izay ilaintsika. Noho izany dia zava-dehibe ny fifanompoantsika ato amin’ny fanjakana.

(Teachings of Presidents of the Church: Spencer W. Kimball [2006], 82)

Raha misy dia jereo ilay horonan-tsary “Dieu nous édifiera” (4:58) on ChurchofJesusChrist.org. Mitantara tantarana zatovovavy iray antsoina hoe Brittany izany, izay nahazo fampiononana tamin’ny fanompoana ny hafa sy ny fatokiana ny Tompo fa tsy tamin’ny fifantohana tamin’ny toe-pahasalamany.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no mampiasa antsika matetika ny Ray any An-danitra hanampy ny hafa mandritra ny fitsapana mahazo azy ireo mba hahatsapany ny fitiavany sy ny fampiononany?

Mieritrereta olona iray fantatrao izay miatrika zava-tsarotra amin’izao fotoana izao. Eritrereto amim-bavaka ny fomba ahafahanao manampy azy ireo hahatsapa ny fampiononana omen’ny Ray any An-danitra eo am-panaovanao izao manaraka izao:

  1. Eritrereto ny zavatra nianaranao tao amin’ny 2 Korintiana 1:1–4 izay mety hanampy io olona io.

  2. Vakio ny roa na ny maromaro amin’ireto andian’andin-tsoratra masina manaraka ireto, izay mirakitra ireo fampianarana fanampiny nataon’i Paoly ho an’ny Korintiana momba ny fitsapana. Mitadiava andian-teny na andininy iray izay tsapanao fa manan-danja ho an’ilay olona nofidinao.

  3. Manaova zavatra izao mba hanampiana io olona io hahatsapa ny fampiononana avy amin’ny Ray any An-danitra. Eritrereto ny hivavaka ho azy ireo tahaka ireo Olomasina Korintiana nivavaka ho an’i Paoly (jereo ny 2 Korintiana 1:11). Ankoatra izany, azonao atao ny manoratra hafatra mampahery ho an’ity olona ity tahaka ny nataon’i Paoly tamin’ny Korintiana, na dia mety ho hafatra, mailaka, na naoty kely aza ny hafatrao fa tsy taratasy. (Hevero ny hampiditra ny zavatra nianaranao tao amin’ity lesona ity tao amin’ny 2 Korintiana 14 ary koa ny zavatra niainana manokana izay mety hanampy.)

  4. Manaova drafitra fanampiny hanampiana io olona io. Mety hanosika anao hanao zavatra fanampiny ny Ray any An-danitra, toy ny fitsidihana azy ireo na ny fanompoana azy ireo amin’ny fomba sasany. Aza hadino ny manoratra izay drafitra eritreretinao ao amin’ny toerana iray ahafahanao manaraka azy, toy ny ao amin’ny kalandrienao, na ao amin’ny findainao, na amin’ny taratasy kely izay hojerenao any aoriana.

3. Fintino izao ny zavatra nianaranao nandritra ity lesona ity sy ny drafitra kasainao hatao.

Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

2 Korintiana 1:4. Nahoana ny Tompo no manantena ahy hanolo-tanana sy hampionona ny olona izay mila izany?

Nampianatra izao manaraka izao ny Loholona Gary E. Stevenson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Sary ôfisialin’ny Loholona Gary E. Stevenson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, 2015.

Manomboka amin’ny fotoana ivoahantsika avy ao amin’ny ranon’ny batisa no hanomezana andraikitra antsika hanao io asa io. Manolo-tanana ny hafa amim-pitiavana isika satria izany no nodidian’ny Mpamonjy hataontsika. … Isak’izay hoe ao anatin’ny fahoriana ara-nofo na ara-panahy ny manodidina antsika dia mihazakazaka manampy azy ireo isika. Mifampitondra ny enta-mavesatry ny tsirairay isika mba hanamaivana izany. Miara-malahelo amin’izay malahelo isika. Mampionona ireo izay mila fampiononana. Miandry izany avy amintsika amim-pitiavana ny Tompo. Ary ho avy ny fotoana izay hitanana antsika ho tompon’andraikitra amin’ny fikarakarana ataontsika rehefa manompo ny andian’ondriny.

(Gary E. Stevenson, “Mitarika ireo fanahy,” Liahona, nôv. 2018, 111)

2 Korintiana 4:17. Inona no tian’i Paoly holazaina rehefa nolazainy fa “fahoriana maivana” ireo olan’ny fiainana an-tany?

Nampianatra ny Loholona Paul V. Johnson ao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy hoe:

Sary
Ny Loholona Paul V. Johnson ao amin’ny kôlejin’ny Fitopololahy naka sary ôfisialy, 2021.

Eo anivon’ireo olana dia saika tsy ho vita ny mahita fa ireo fitahiana ho avy dia lehibe lavitra noho ny fanaintainana na ny fahafaham-baraka na ny ratram-po izay mety lalovantsika amin’izao. … Ny apôstôly Paoly dia nampianatra hoe: “Fa ny fahorianay maivana izay vetivety foana, dia mainka miasa fatratra indrindra ka mahatanteraka voninahitra mavesatra maharitra mandrakizay ho anay” [2 Korintiana 4:17]. Mahaliana ny ampiasan’i Paoly ny teny hoe “fahoriana maivana.” Izany teny izany dia avy amin’ny olona izay nokapohina, notoraham-bato, rendrika an-tsambo, notanana an-tranomaizina, ary nandalo fisedrana maro hafa. Tsy mino aho fa maro amintsika no hiantso ny fahoriantsika hoe maivana. Kanefa raha ampitahaina amin’ireo fitahiana sy fivoarana izay azontsika any am-parany, eto amin’ity fiainan’ity sy any amin’ny mandrakizay dia tena maivana tokoa ny fahoriantsika. …

Indraindray dia te-hivoatra tsy misy fanamby isika sy te-hatanjaka tsy mila miatrika olana. Saingy tsy azo amin’ny fandehanana amin’ny làlana mora ny fivoarana. Fantatsika tsara fa ny mpanao fanatanjahan-tena izay mandà ny fanazaran-tena mafy dia tsy ho tonga mpanao fanatanjahan-tena avo lenta na oviana na oviana. Tokony hitandrina isika mba tsy hankahala ireo zavatra izay manampy antsika indrindra hitafy ny toetra araka an’ Andriamanitra.

(Paul V. Johnson, “Manoatra noho ny mpandresy isika amin’ny alalan’Ilay tia antsika,” Liahona, mey 2011, 79–80)

Hamoaka printy