Seminera
Fifehezana fotopampianarana: 1 Korintiana 15:40–42


Fifehezana fotopampianarana: 1 Korintiana 15:40–42

Amin’ny fitsanganana amin’ny maty, dia misy ambaratongam-boninahitra telo

Sary
Sary maneho ny Famonjena sy ny Fisandratana: Masoandro& Volana ary Kintana

Tamin’ny lesona teo aloha, “1 Korintiana 15:32–54,” dia nianatra momba ireo ambaratongam-boninahitra telo amin’ny fitsanganana amin’ny maty ianao. Nianatra ihany koa ianao fa ny Raintsika any An-danitra dia hanome ireo mahatoky ny voninahitra selestialy amin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hitadidy ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ny andian-teny manan-danja izay hita ao amin’ny 1 Korintiana 15:40–42, hanazava ny fotopampianarana, sy hampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy eo amin’ny toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.

Ianaro tsianjery sy hazavao

Vitao ity dingana manaraka ity mba hanampiana anao hitadidy sy hanazava ny fotopampianarana ampianarina izay ampianarina ao amin’ny 1 Korintiana 15:40–42:

  1. Soraty hoe “1 Korintiana 15:40–42: Amin’ny fitsanganana amin’ny maty, dia misy ambaratongam-boninahitra telo” eny amin’ny faratampon’ny tapa-taratasy kely.

  2. Manaova sarina masoandro anankiray eo ambanin’ilay andian-teny, volana anankiray eo ambanin’ilay sarina masoandro, ary kintana anankiray eo ambanin’ilay sarina volana.

  3. Vakio ny 1 Korintiana 15:40–42, ary soraty eo amin’ny sary tsirairay izay nataonao ny anaram-boninahitra izay asehony avy. (Marihina fa ny Dikantenin’i Joseph Smith ho an’ny 1 Korintiana 15:40 dia manampy andalana iray momba ny voninahitra telestialy [ao amin’ny torolalana ho an’ny soratra masinah.)

  4. Jereo ny sary izay nataonao ary avereno ao an-tsainao ilay andinin-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja mandrapahazoanao antoka fa hainao tsara daholo izy ireo.

  5. Ahoana ny fomba hanazavanao ireo fahamarinana izay ampianarina ato amin’ity andinin-tsoratra masina ity amin’ny olona anankiray izay tsy mahatakatra ny zavatra hitranga aorian’ny fahafatesana ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra? Soraty amin’ny teninao manokana ny fanazavanao.

Fampiharana hanazaran-tena

Ny fampiharana ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy dia afaka manampy antsika amin’ireo toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana sy amin’ireo fanontaniana manan-danja izay ananantsika.

Vakio ireto rafi-tantara manaraka ireto, ary misafidiana anankiray izay tianao hifantohana amin’ny sahanasa manaraka.

  1. Miezaka manao ny tsara amin-kitsimpo i Julia, kanefa matetika izy no mahatsiaro ho voaheloka noho ny fahalemeny. Mino izy fa handeha ao amin’ny fanjakana selestialy ny olona sasany, saingy mampisalasala azy ny hahatongavany amin’izany.

  2. Vao nandre lahateny lehibe momba ny fanomezan’ny fitsanganana amin’ny maty izay avy omen’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ho an’ny rehetra i Maria. Manontany tena izy hoe: “Nahoana aho no tokony hibebaka na hitandrina ny didy raha toa ka hitsangana amin’ny maty sy hanana vatana tonga lafatra sy tsy mety maty avokoa ny olon-drehetra?”

Tao amin’ny lesona izay natao teo aloha, dia nandalina momba ity fahamarinana manaraka ity izay ampianarina ao amin’ny 1 Korintiana 15:40–42 ianao: ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra, dia misy ambaratongam-boninahitra samihafa ho an’ny vatana izay natsangana tamin’ny maty. Ampiasao ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy sy ny fahamarinana izay ampianarina ao amin’ny 1 Korintiana 15:40–42 mba hanampiana an’i Julia na i Maria amin’ireo olany na ny fanontaniany.

1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireo fanontaniana eo ambanin’ireto fitsipika fahazoana fahalalana ara-panahy tsirairay manaraka ireto.

Mamakafaka amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay ny foto-kevitra sy fanontaniana

Vakio ny andiam-pehezanteny 8 ao amin’ny fizarana hoe “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022). Hevero ny hanisiana marika ireo fanontaniana roa amin’ny faran’io andiam-pehezan-teny io.

  • Ahoana no fomba hampiharana ny valin’ireo fanontaniana roa ireo amin’ny toe-javatra izay iainan’i Julia na i Maria.

Ny andiam-pehezan-teny 8 dia milaza ihany koa fa, “Mikatsaka ny fanampian’ny Fanahy Masina isika mba hahitana zavatra amin’ny fomba fahitan’ny Tompo azy ireny.”

  • Inona ny zavatra izay mety hitan’ny Tompo amin’io toe-javatra io ka mety hanampy an’i Julia na i Maria? Nahoana?

Mikatsaha fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra

Vakio ny andiam-pehezan-teny 11–12 ao amin’ny fizarana “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana.

  • Aiza no hatoronao an’i Julia na i Maria hitadiavany ireo fahamarinana izay ilain’izy ireo eo amin’ny fiainany?

  • Inona ny zavatra izay niainanao ka nampiseho ny maha-zava-dehibe ny fisafidianana amim-pitandremana ny toerana izay hikatsahanao fahamarinana ara-panahy?

Manokàna minitra vitsivitsy hitadiavana soratra masina manokana na tenin’ny mpaminany izay tsapanao fa azo ampiharina amin’ny toe-javatra iainan’i Julia na i Maria. (Ny sasantsasany amin’ireo andinin-tsoratra masina avy tamin’ny lesona izay natao vao haingana dia mety afaka manampy ary tafiditra anatin’izany ny 1 Korintiana 15:40–42; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:50–52, 62–64, 69–70, 71–76, 81–85; 88:21–24.)

  • Inona ny zavatra hitanao ka azonao zaraina? Ahoana ny fomba nahafahan’ireo fahamarinana izay hitanao ireo nitondra fiovana teo amin’ny fiainanao?

Manao asa amim-pinoana

Avereno jerena ny andiam-pehezan-teny 5–6 ao amin’ny fizarana “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana. Asio marika ny andian-teny na hevitra anankitelo samihafa farafahakeliny izay heverinao fa afaka manampy an’i Julia na i Maria.

  • Inona avy ireo andian-teny izay nosafidinao? Ahoana ny fomba ahafahan’ireo andian-teny ireo manampy an’i Julia na i Maria?

  • Raha toa ianao ka nanana eritreritra mitovy tamin’ny an’i Julia na i Maria, ahoana ny fomba hamalianao amim-pahatokiana ireo eritreritra ireo?

  • Nahoana ireo zatovovavy ireo no mila mampifantoka ny finoany amin’i Jesoa Kristy rehefa mitolona amin’ny toe-javatra izay iainan’izy ireo? Nahoana no tsy manao izay tsara indrindra azony atao fotsiny ihany izy ireo fa tsy hoe mifantoka Aminy?

Hamoaka printy