Seminera
1 Korintiana 15:13–28


1 Korintiana 15:13–28

“Fa efa natsangana tamin’ny maty tokoa i Kristy”

Sary
Sary hosodoko maneho an’i Jesoa Kristy miandrandra ny lanitra manangana ny tanany. Eo akaikin’ilay fasana izay nampandriana Azy Izy.

Alao sary an-tsaina kely hoe mbola tsy nitsangana tamin’ny maty mihintsy i Jesoa Kristy. Inona no mety ho hevitr’izany ho an’izao tontolo izao? Ary ho anao manokana? Nahoana no zava-dehibe tokoa ny Fitsanganan’i Kristy tamin’ny maty? Rehefa nanontany ny fahamarinana momba ny Fitsanganana amin’ny maty ireo Olomasina tao Korinto dia nanoratra ho azy ireo mikasika ny mety ho hevitry ny Fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty ho azy ireo i Paoly. Ity lesona ity dia afaka manampy anao mba hahatsapa fitiavana sy fankasitrahana bebe kokoa an’i Jesoa Kristy noho ny fandreseny ny fahafatesana.

Ilay andro nanova ny tantara

Ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nizara fanontaniana iray izay efa nodinihiny indray mandeha. Jereo ny “Indro ny lehilahy!” manomboka amin’ny mari-potoana 1:37 ka hatramin’ny 2:31, hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, na vakio ity teny nambara manaraka ity.

Sary
Sary tapaka ôfisialin’ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, 2006. Nantsoina ho Mpanolotsaina Faharoa tao amin’ny Fiadidiana Voalohany, 3 febroary 2008. Nanao ny sary tapaka ôfisialy tamin’ny 2008 ho solon’ilay sary tapaka nalaina tamin’ny 2004.

Vao haingana aho no nanontany tao amin’ny internet hoe: “Inona no andro iray tena nanova ny fizotran’ny tantara?”

Ny valin’izany dia nanomboka tany amin’ny manaitra sy hafahafa ka hatrany amin’ny mitondra hevi-baobao sy mampieritreritra. Anisan’izany, ny andro izay nidobohan’ny planeta kely tamin’ny fahagolan-tany iray tany amin’ny Saikinosy Yucatán. Na ny nahavitan’i Johannes Gutenberg ny miliny fanontana printy tamin’ny 1440; ary mazava ho azy ilay andro tamin’ny 1903 izay nampisehoan-dry Wright mirahalahy an’izao tontolo izao fa tena afaka manidina raolombelona.

Raha toa ka apetraka aminareo io fanontaniana io dia inona no holazainareo?

(Dieter F. Uchtdorf, “Indro ny lehilahy!,” Liahona, mey 2018, 107–8)

  • Inona no andro iray lazainao fa tena nanova ny fizotran’ny tantara? Nahoana?

Ny Loholona Uchtdorf dia nizara ny zava-nitranga izay tsapany fa tena nanova ny fizotran’ny tantara. Jereo ny horonan-tsary “Indro ny lehilahy” manomboka amin’ny mari-potoana 4:20 ka hatramin’ny 4:55, na vakio ity teny manaraka ity.

Sary
Sary tapaka ôfisialin’ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, 2006. Nantsoina ho Mpanolotsaina Faharoa tao amin’ny Fiadidiana Voalohany, 3 febroary 2008. Nanao ny sary tapaka ôfisialy tamin’ny 2008 ho solon’ilay sary tapaka nalaina tamin’ny 2004.

Maro ireo zava-nitranga nandritra ny tantara izay nisy fiantraikany lalina teo amin’ny hoavin’ireo firenena sy vahoaka. Saingy raha atambatra izy ireo dia tsy afaka ny oharina akory amin’ny maha zava-dehibe an’ilay zava-nitranga tamin’io maraina voalohan’ny Paska io.

Inona no mahatonga ilay sorona tsy misy fetra sy ilay Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty ho toy ny zava-nitranga faran’izay manan-danja teo amin’ny tantara, izay nisy fiantraikany bebe kokoa noho ireo ady teto amin’izao tontolo izao sy ireo loza mahery vaika ary ireo fahitan-java-baovao ara-tsiantifika izay nanova ny fiainana?

(Dieter F. Uchtdorf, “Indro ny lehilahy!,” Liahona, mey 2018, 108)

  • Nahoana araka ny eritreritrao no zava-nitranga manan-danja indrindra teo amin’ny tantara ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy sy ny Fitsanganany tamin’ny maty?

  • Nahoana no manan-danja aminao ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty?

Ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty

Nanoratra ho an’ny Olomasina Korintiana i Paoly mba hanitsiana ny fipoiran’ila finoana diso hoe tsy misy ny Fitsanganana amin’ny maty. Rehefa mandalina ny teniny ianao dia manaova tabilao mitovitovy amin’ity manaraka ity mba hanoratana ireo antsipiriany sy ireo fahamarinana avy ao amin’ny soratra masina, ary koa ireo bitsika azonao avy amin’ny Fanahy Masina. Ny fanaovana izany dia afaka manampy anao hahatakatra bebe kokoa ny soratra masina, hanana traikefam-pianarana mahery vaika kokoa, ary hampitombo ny fitiavanao sy ny fahatakaranao mikasika ny Mpamonjy sy ny fandreseny ny fahafatesana.

1. Ataovy sary ary fenoy ao anatin’ny diary fandalinanao ity tabilao manaraka ity:

Raha toa ka tsy nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy …

Satria nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy …

Vakio ny 1 Korintiana 15:13–19. Ampio teny roa na telo eo amin’ny ilany havia amin’ny tabilaonao avy amin’ny zavatra nianaranao tamin’ireo andininy ireo.

  • Raha toa ka tsy nitsangana tamin’ny maty i Jesoa dia inona no ho fiantraikan’izany aminao sy ny hafa?

Ny 1 Korintiana 15:20–22 dia andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Hevero ny hanisy marika ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana amin’ny fomba miavaka mba hahafahanao mahita azy ireny mora foana. Hianatra bebe kokoa mikasika io andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana io ianao ao amin’ny lesona manaraka.

Vakio izao ny 1 Korintiana 15:20–22. Tadiavo ny zavatra hitranga noho ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty. Ampio eo amin’ny tsanganana havanana amin’ny tabilaonao izany. Mariho fa ny “voaloham-bokatra” ao amin’ny andininy 20 dia ilazana an’i Jesoa Kristy ho ilay olona voalohany nitsangana tamin’ny maty.

  • Inona no namafisin’i Paoly fa hitranga satria nitsangana tamin’ny maty i Jesoa?

Ity andalana ity dia manampy antsika hahatakatra fa noho ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty dia hitsangana amin’ny maty avokoa ny olona tsirairay. Mihatra amin’ny rehetra ny fahafatesana ara-batana vokatry ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva. Nandresy izany vokany mihatra amin’ny olon-drehetra izany i Jesoa Kristy ho fanomezam-pahasoavana maimaim-poana.

Miatoa kely ary eritrereto hoe mampianatra inona momba an’i Jesoa Kristy ity fanomezam-pahasoavan’ny fitsanganana amin’ny maty ho an’ny rehetra ity.

  • Mampianatra inona anao momba Azy ny fandresen’ny Mpamonjy ny fahafatesana ara-batana ho an’ny olon-drehetra?

Raha azo atao dia jereo ny “#Haleloia—Hafatry ny Paska mikasika an’i Jesoa Kristy” (2:13), izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Tadiavo ary tanisao ao amin’ny tsanganana havanana amin’ny tabilaonao ny fomba hitahiana anao noho ny Fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty. Ny “Haleloia” dia midika hoe “Derao ny Tompo” (jereo ny Bible Dictionary, “Hallelujah “).

  • Inona no nianaranao avy tamin’ilay horonan-tsary ka nahatonga anao haniry hidera ny Tompo?

Eritrereto ilay fanontaniana tany am-piandohan’ny lesona hoe: “Nahoana no zava-dehibe aminao ny Fitsanganana amin’ny maty?”

  • Ahoana no fomba fiantraikan’ny zavatra nianaranao androany tamin’ny valinteninao tamin’io fanontaniana io?

  • Toy ny ahoana ny zavatra eritreretinao fa ho tsapanao momba an’i Jesoa Kristy rehefa nomeny fiainam-baovao ianao sy ireo olon-tianao?

Ny hevitry ny Fitsanganany tamin’ny maty ho antsika

Nijoro ho vavolombelona momba ny hevitry ny fandresen’ny Mpamonjy ny fahafatesana ho antsika ireo mpitarika ny Fiangonana fahiny sy maoderina.

Vakio ny 1 Korintiana 15:51–58, Almà 11:42–44, ary ity teny manaraka nataon’ny Loholona Paul V. Johnson ao amin’ny Fitopololahy ity, izay nanan-janaka vavy matin’ny homamiadana. Ampio izay antsipiriany manan-danja hitanao ny tabilaonao. Marihina fa ny hoe “tsy mety ho lo” (1 Korintiana 15:52) dia midika hoe maharitra mandrakizay ary tsy simba.

Sary
Ny Loholona Paul V. Johnson ao amin’ny kôlejin’ny Fitopololahy naka sary ôfisialy, 2021.

Isika tsirairay dia manana kilema sy fahalemena ara-batana sy ara-tsaina ary ara-pihetsehampo. Ireny olana ireny … dia ho voavaha any aoriana. Tsy misy amin’ireo olana ireo hampijaly antsika aorian’ny fitsanganantsika amin’ny maty. …

… Fantatsika fa [Kristy] dia afaka mahatonga antsika ho tomombana na manao ahoana na manao ahoana ny ratrantsika. Fantatsika fa Izy dia “hamafa ny ranomaso rehetra amin’ny maso[ntsika]; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana” [Apokalypsy 21:4].

(Paul V. Johnson, “Ary tsy hisy fahafatesana intsonyLiahona mey 2016, 122–23)

Avereno jerena ny tabilaonao. Saintsaino ny fiantraikan’ny zavatra noraketinao amin’ny fahatsapanao momba an’i Jesoa Kristy.

  • Nanampy anao tamin’ny fomba ahoana tamin’ny fandalinanao ny fampiasana ity tabilao ity?

  • Miantraika amin’ny fitiavana tsapanao ho an’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy sy avy amin’Izy Ireo amin’ny fomba ahoana ny zavatra noraketinao?

Mba hamaranana ny fandalinanao dia vakio ny tonon’ny fihirana “Velona ilay mpanavotra ahy” (Fihirana sy hiran’ny Ankizy, lah. 76), izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Soraty eo ambanin’ny tabilaonao ny zavatra nianaranao sy tsapanao androany ka nanan-danja indrindra taminao ary ny anton’izany.

Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Ahoana no fomba ahafahan’ny fahalalana ny herin’ny Fitsanganan’i Kristy tamin’ny maty mitaona ahy?

Nanazava ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany hoe:

Sary
Sary ôfisialin’ny Filoha Dallin H. Oaks nalaina tamin’ny martsa 2018.

Ny fanomezan-toky hoe ny fitsanganana amin’ny maty dia anisan’ny fahafahana hiarahana amin’ny fianakaviantsika—vady, ray aman-dreny, rahalahy sy anabavy, zanaka ary zafikely— dia famporisihana mahery vaika ho antsika hanatanterahana ny andraikitra sahanintsika amin’ny fianakaviana mandritra ny fiainana an-tany. Izany dia manampy antsika hiara-hiaina amim-pitiavana mandritra ity fiainana ity eo am-piandrandrana ilay fihaonana sy fiarahana feno fifaliana any ankoatra.

(Dallin H. Oaks, “Resurrection,” Liahona, May 2000, 16)

Hevero ny hijery ny “Dimanche viendra” (2:31) mba hahazoana hevitra fanampiny. ChurchofJesusChrist.org

Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy sy ny Fitsanganany tamin’ny maty amin’ireo famoizana izay iainantsika eto amin’ny fiainana an-tany?

Jereo ny “Prends les choses comme elles viennent et aime-les (Avelao ho avy izay ho avy dia tiavo izany)” manomboka eo amin’ny mari-potoana 8:23 ka hatramin’ny 9:12, izay hanazavan’ny Loholona Joseph B. Wirthlin tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ny fomba anampian’ny Mpamonjy antsika amin’ireo famoizantsika olona na zavatra mandritra ny fiainana an-tany. ChurchofJesusChrist.org

Nampianatra toy izao ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Sarin’ny Loholona D. Todd Christofferson. Nalaina tamin’ny martsa 2020.

Ny Mpamonjy no manao izay hahalasa marina ny zava-drehetra. Tsy misy tsy fahamarinana eto amin’ity tany ity ka haharitra, eny fa na dia ny fahafatesana aza satria namerina ny fiainana indray Izy. Tsy misy ratra na kilema na fitaka na fanararaotana izay tsy ho voahonitra any amin’ny farany noho ny famindram-pony sy ny fahamarinany faratampony.

(D. Todd Christofferson, “Ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty,” Liahona, mey 2014, 112)

Hitsangana amin’ny maty miaraka ve ny rehetra?

“Nohazavain’i Paoly fa ny Fitsanganana amin’ny maty dia manaraka lamina na filaharana voaorina (jereo ny 1 Korintiana 15:23). …

“I Jesoa Kristy no olona nitsangana tamin’ny maty voalohany. Taorian’ny Fitsanganany tamin’ny maty dia natsangana avy tao am-pasana avy hatrany ireo Olomasina marina (jereo ny Matio 27:52–53). Amin’ny Fiaviana Fanindroany dia hitohy ny Fitsanganana amin’ny maty miaraka amin’ny fahatongavan’ireo Olomasina marina hafa, izay -an’i Kristy amin’ny fiaviany- (1 Korintiana 15:23). Mianatra isika amin’ny alalan’ny fanambaran’ny andro farany fa ireo olona ireo dia handova ny fanjakana selestialy [jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:50–70; 88:97–98]. Dia ho avy ny fitsanganan’ireo izay handray ny voninahitra terestrialy [jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:71–79; 88:99]. Hanaraka azy ireo amin’ny fiafaran’ny Arivotaona ireo izay handova ny voninahitra telestialy [jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:81–86; 88:100–101]. Farany, ny Fitsanganana amin’ny maty dia hofaranana amin’ny fitsanganan’ireo … -zanaky ny fahaverezana- izay tsy hahazo ambaratongam-boninahitra fa -hiverina any amin’ny fitoerany avy, mba hifaly amin’izay tiany horaisina, satria tsy nety hankafy izay mety ho azony izy ireo- [jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:31–39, 43–44; 88:28–32, 35, 101–2]” (Testamenta Vaovao: Boky torolalana ho an’ny mpianatra [2014], 385).

Ireo fanahy izay nikomy tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana ka tsy nahazo vatana mety maty dia tsy ho anisan’ireo izay hitsangana amin’ny maty (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:32–39

Hamoaka printy