Seminera
Fifehezana fotopampianarana: 1 Korintiana 15:20–22


Fifehezana fotopampianarana: 1 Korintiana 15:20–22

“Ao amin’i Kristy no ahaveloman’ny olona rehetra”

Sary
Hosodoko amin’ny menaka ahitana an’i Maria mijery an’ilay Kristy efa nitsangana tamin’ny maty. Eo anoloany ilay fasana, manao akanjo lava volon-tsôkôla i Maria, mitodi-damosina aty amin’ny mpijery izy. Hita ao i Kristy ary misy marika ny tanany, manao akanjo fotsy Izy.

Tao amin’ny lesona anankiray teo aloha, dia nianatra ianao fa noho ny Fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty, dia hitsangana amin’ny maty avokoa ny zanaky ny Ray any An-danitra rehetra (jereo ny 1 Korintiana 15:20–22). Ity lesona ity dia afaka manampy anao hitadidy ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny 1 Korintiana 15:20–22, izay manazava ny fotopampianaran’ny Fitsanganana amin’ny maty ary mampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy amin’ny toe-javatra izay tena misy eo amin’ny fiainana.

Ianaro tsianjery sy hazavao

Ny Filoha Gordon B. Hinckley (1910–2008) dia nampianatra fa “amin’ireo zavatra rehetra izay nitranga teo amin’ny tantaran’ny zanak’olombelona, dia tsy misy manan-danja tahaka ny nitsanganan’ny Zanak’ Andriamanitra tamin’ny maty” (“The Empty Tomb Bore Testimony,” Ensign, mey 1988, 65).

1. Vitao ao anatin’ny diary fandalinanao ity manaraka ity:

Ampiasao ireo fahamarinana ao amin’ny 1 Korintiana 15:20–22, toy ny hoe noho ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty, dia hitsangana amin’ny maty ny rehetra, mba hanazavana ny antony mahatonga ny Fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty ho zava-nitranga manan-danja indrindra teo amin’ny tantaran’olombelona. Ampidiro ny antony maha zava-dehibe izany ho anao manokana.

Makà fotoana mba hitadidiana ilay andinin-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja ao amin’ny 1 Korintiana 15:20–22. Fomba anankiray azo anaovana izany ireto dingana manaraka ireto.

  1. Soraty eo ambony amin’ny tapa-taratasy iray ilay toko sy andinin-tsoratra masina ary ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina:

    1 Korintiana 15:20–22: “Tahaka ny ahafatesan’ny olona rehetra ao amin’i Adama no ahaveloman’ny olona rehetra kosa ao amin’i Kristy.”

  2. Aforeto midina ny lohan’ny taratasinao mba tsy ho hitanao ny zavatra izay nosoratanao. Avy eo dia soraty araka izay ahatadidiavanao azy ny andinin-tsoratra masina sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ilay soratra masina.

  3. Velaro ny tampon’ilay taratasy mba hijerena ny fahamarinany sy hanitsiana izay diso rehetra.

  4. Avereno izany dingana izany mandra-pahafahanao manoratra ny andinin-tsoratra masina sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina tsy misy diso intsony.

Fizàrana mampihatra

Noho ny Fahalavoan’i Adama sy Eva dia ho faty avokoa ireo zanaky ny Ray any An-danitra izay miaina ny fiainana an-tany (jereo ny 1 Korintiana 15:21–22). Rehefa maty ny olona izay akaiky antsika, dia mazava ho azy fa malahelo isika. Na dia samy hafa aza ireo zavatra izay iainan’ny tsirairay, dia afaka manampy amin’izany alahelo izany ny fahatakarana sy ny fampiharana ny fahamarinan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Ny Loholona S. Mark Palmer ao amin’ny Fitopololahy dia nitantara ny zavatra izay niainan’ny ray aman-dreniny tamin’ny nahafatesan’ny zanak’izy ireo vavy talohan’ny nianaran’izy ireo ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Jereo ny “Hody fifaliana ny alahelontsika,” izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, manomboka avy amin’ny mari-potoana faha 3:27 ka hatramin’ny 4:26, na vakio ny teny etsy ambany.

Sary
Sary ôfisialin’ny Loholona S. Mark Palmer. Nosoloina tamin’ny martsa 2017

Mpiompy ondry tany Nouvelle-Zélande ny raiko sy ny reniko. Nankafy ny fiainany izy ireo. Fony izy ireo mpivady vao herotrerony, dia nahazo zanaka vavy kely anankitelo izy ireo. Ann no anaran’ny zandriny indrindra tamin’izy ireo. Indray andro raha niara-nanao fialan-tsasatra tany amin’ny farihy iray izy ireo, dia nidaikadaika niala teo i Ann izay vao 17 volana monja. Taorian’ny minitra maro nikarohana azy fatratra, dia hita efa tsy nisy aina intsony tao anaty rano izy.

Niteraka alahelo tsy hay lazaina io nofy ratsy io. Nanoratra i Dada taty aoriana fa tsy hita teo amin’ny fiainan’izy ireo intsony ireo fotoana niarahana nihomehy sasantsasany. Niteraka faniriana lalina hahazo ny valin’ireo fanontaniana manan-danja indrindra eo amin’ny fiainana koa izany: Inona no hitranga amin’i Ann izay tena sarobidy taminay tokoa? Mbola hahita azy indray ve izahay? Ahoana no ahafahan’ny fianakavianay ho faly indray?

(S. Mark Palmer, “Ho Tonga Fifaliana ny Fahoriantsika,” Liahona, mey 2021, 88–89)

  • Tamin’ny oviana ianao na ny olom-pantatrao no niaina fahatsapana mitovy amin’ny an’ny ray aman-drenin’i Loholona Palmer taorian’ny fahafatesan’ny olon-tiana anankiray?

  • Ahoana no mety hahatonga ireo toe-javatra ireo ho sarotra kokoa noho ny tsy fahafantarana ny drafitry ny famonjen’ny Ray any An-danitra?

Ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy dia afaka manampy antsika haharitra amim-pahatokiana ireo toe-javatra sarotra tahaka izay niainan’ny fianakaviana Palmer. Alaivo sary an-tsaina hoe minamana amin’ny anankiray amin’ireo rahavavin’i Ann ianao, izay miady amin’ny fanontaniana sy zava-tsarotra ankehitriny rehefa namoy an’i Ann. Mahatsiaro ho voatarika hanoratra taratasy fampaherezana sy fanohanana ho azy ianao. Raha tsy izany, dia manorata taratasy ary omeo olona izay fantatrao fa mety hahazo tombontsoa amin’izany.

Mba ho fiomanana amin’ny fanoratana io taratasy io dia vakio ny andiam-pehezan-teny 5–8, 11 ao amin’ny fizarana “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022). Tadiavo ary asio marika ireo teny, andian-teny, soratra masina, na fahamarinana izay tsapanao fa mety hanampy ilay olona izay anoratanao.

  • Ahoana ny fomba ahafahan’ny fiezahanao hahita ilay olona izay anoratanao tahaka ny ahitan’ny Ray any An-danitra azy ireo manova ny zavatra soratanao ho azy ireo?

2. Ataovy ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity manaraka ity:

Manorata taratasy ho an’ny rahavavin’i Ann na ho an’ny olona anankiray izay nosafidinao. Ampidiro ireo hevi-baovao avy tamin’ireo fitsipika telo amin’ny fahazoana fahalalana ara-panahy.

Diniho ny sasany amin’ireto hevitra manaraka ireto rehefa manoratra ianao.

Manao asa amim-pinoana

  • Ahoana no mety ho endriky ny fanaovana asa amim-pinoana an’i Jesoa Kristy eo amin’ny toe-javatra izay niainan’izy ireo?

  • Ahoana ny fomba ahafahan’ny asa amim-pinoana an’i Kristy manampy antsika hiaritra ny famoizana?

  • Inona ny zavatra efa avy niainanao na niainan’ny olona fantatrao ka nanampy tamin’ny fiaretana fitsapana mitovy amin’izany ny fanaovana asa amim-pinoana an’i Jesoa Kristy?

Fakafakao ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay

  • Inona ny fahamarinana momba ny Ray any An-danitra sy ny drafiny izay mety hampionona amin’ny toe-javatra misy ilay olona izay anoratanao? Nahoana?

  • Ahoana no ilazana fa ny fananana fomba fijery mibanjina ny mandrakizay dia manampy azy ireo hahafantatra ny fomba tokony hataony amin’ny toe-javatra izay niainany?

Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana izay nofinidin’ Andriamanitra

  • Inona avy ireo andian-teny ao amin’ny 1 Korintiana 15:20–22 izay mety hanampy azy ireo? Nahoana?

  • Inona avy ireo loharanom-pahalalana hafa izay notendrin’ Andriamanitra ka afaka manampy azy ireo mba hampitombo ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy?

Hevero ny hamaranana ny taratasinao amin’ny fizarana ny fijoroana ho vavolombelona anananao.

Hamoaka printy