Seminera
1 Korintiana 15:32–54


1 Korintiana 15:32–54

Vatana selestialy, terestrialy, ary telestialy

Sary
Bikan-driran’ny zatovovavy iray ao anatin’ny tara-masoandro.

Nahoana no tsy mahafaty antoka ny manaraka an’i Jesoa Kristy na dia toa mahita fahasambarana ao amin’ny fahotana aza ny hafa? Nanazava ny iray amin’ny anton’izany i Paoly tamin’ny fampianarana ny Korintiana mikasika ny ambaratongam-boninahitra samihafa ao amin’ny Fitsanganana amin’ny maty. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hiezaka ho mendrika ny fitsanganana amin’ny maty selestialy amin’ny alalan’i Jesoa Kristy.

Fitahiana hoavy ao amin’ny drafitr’ Andriamanitra

  • Raha fantatrao fa hanome fanomezana ho an’ireo rehetra izay manao loko miavaka ny mpampianatra anao androany, mety hisy fiantraikany amin’ny safidin’akanjo hanaovanao ve izany?

  • Ho sosotra ve ianao raha efa tara loatra ny nahafantaranao izany? Fa nahoana?

Noho ny fitiavan’ny Ray any An-danitra antsika dia nolazainy tamintsika ny zava-mitranga aorian’ity fiainana ity sy ny momba izay safidy hitondra any amin’ny fahasambarana na ny fanenenana. Rehefa mandalina ny soratra masina ianao anio dia tadiavo ireo fahamarinana izay mety handrisika anao hisafidy ny làlana mankany amin’ny fahasambarana mandrakizay.

1. Ataovy ity sahanasa fanaovana sary manaraka ity ary valio ao anaty diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto.

Manaova sary na kisary tsotsotra momba ny zavatra efa fantatrao momba ny drafitry ny famonjen’ Andriamanitra. Ampidiro ao ny toerana nisy antsika talohan’ny nahaterahantsika, ny fiainana eto an-tany, sy ny zava-mitranga aorian’ny fahafatesana. Rehefa manao sary ianao dia ataovy azo antoka ny mieritreritra ny anjara asan’i Jesoa Kristy manerana ny drafitry ny Raintsika.

  • Amin’ny fomba ahoana no mampisy fiantraikany amin’ny fanapahan-kevitra raisinao eto amin’ny fiainana an-tany ny fahatakarana ny drafitry ny Ray any An-danitra ho antsika aorian’ny fahafatesana?

  • Ahoana no maha-ivon’ny drafitra an’i Jesoa Kristy?

Ao amin’ny 1 Korintiana 15:1–29, ny Apôstôly Paoly dia nanitsy ilay finoana diso hoe “tsy [hisy] fitsanganan’ny maty” (1 Korintiana 15:13). Nampitandrina ny Korintiana izy avy eo mba tsy ho voafitaky ny olona milaza hoe: “Aoka isika hihinana sy hisotro; fa rahampitso dia ho faty” (1 Korintiana 15:32), izay maneho ny finoana diso fa tsy misy fiainana aorian’ny fahafatesana ka tsy mampaninona noho izany izay ataontsika eto amin’ity fiainana ity.

Ny finoana diso iray hafa dia ny hoe, na inona na inona safidintsika, Andriamanitra dia hanome ny fitahian’ny fiainana mandrakizay ho an’ny olon-drehetra (jereo ny 2 Nefia 28:8; Almà 1:4).

  • Inona no mety ho fiantraikan’ny finoana diso fa tsy misy fiainana aorian’ny fahafatesana na hoe Andriamanitra dia hanome ny olona tsirairay ny fitahian’ny fiainana mandrakizay eo amin’ny fanapahan-kevitra sy ny fihetsika ataontsika? Nahoana?

Ny 1 Korintiana 15:40–42 dia andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Hevero ny hanisy marika ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana amin’ny fomba miavaka mba hahafahanao mahita azy ireny mora foana. Hianatra bebe kokoa mikasika io andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana io ianao ao amin’ny lesona manaraka.

Vakio ny 1 Korintiana 15:40–42, ka tadiavo ny fampianaran’i Paoly momba ny fitsanganana amin’ny maty ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra. Tena manampy ny fahafantarana fa ny Dikantenin’i Joseph Smith ho an’ny 1 Korintiana 15:40 dia miresaka momba ny vatana telestialy ihany koa.

  • Nahoana no zava-dehibe ny mahafantatra ny fahamarinana fa ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra dia misy ambaratongam-boninahitra samihafa ho an’ny vatana nitsangana tamin’ny maty?

Ambaratongam-boninahitra

Sary
Sary fanehoana ny ambaratongam-boninahitra telo. Misy masoandro sy volana ary kintana aseho amin’ny sary. Ireo sary olona vita amin’ny tsipika eo ambany dia maneho ambaratongana tara-pahazavana.

2. Ataovy ao anaty diary fandalinanao soratra masina ity sahanasa manaraka ity.

Ny fanambarana amin’ny alalan’ny mpaminany maoderina dia manome hevi-baovao fanampiny momba ny fampianaran’i Paoly. Halalino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:50–52, 62–64, 69–70, 71–76, 81–85; 88:21–24 ary vakio ity teny nambaran’ny Filoha Thomas S.Monson (1927–2018) ity. Tadiavo ny valin’ireo fanontaniana telo manaraka ilay teny.

Sary
Sary ôfisialin’ny Filoha Thomas S. Monson, 2008.

Vokatry ny fandresen’ i Kristy ny fasana dia hitsangana amin’ny maty isika rehetra. Izany no fanavotana ny fanahy. Nanoratra i Paoly hoe: “Ary misy … tenan’ny any an-danitra, ary misy tenan’ny ety an-tany, fa hafa ny voninahitry ny any an-danitra, ary hafa ny an’ny ety an-tany” (1 Korintiana 15:40).

Ilay fanjakana selestialy no katsahintsika rehetra. Ny hiaina eo anatrehan’ Andriamanitra no irintsika. Te-hiaraka eo anivon’ ny fianakaviana mandrakizay isika. Ireo fitahiana ireo dia azo avy amin’ ny alalan’ny fiainana feno ezaka, sy fikatsahana, sy fibebahana, ary farany fahombiazana.

(Thomas S. Monson, “Ny Hazakazaky ny Fiainana,” Liahona, mey 2012, 93)

  • Inona no andraikitry ny Mpamonjy amin’ny diantsika mankany amin’ny fanjakana selestialy?

  • Inona no tokony hataontsika mba hahazoana ny fanjakana selestialy?

  • Nahoana no mendrika ezaka ny fahazoana ny fanjakana selestialy noho ny fanjakana terestrialy na telestialy?

Saintsaino hoe aiza no ahitanao ny tenanao eo amin’ny lalana mankany amin’ny fanjakana selestialy. Moa ve ianao miantehitra amin’ny Mpamonjy mba hanampy anao hiaina amin’ny fomba izay ahafahanao mahazo ireo fitahiana ireo?

Afaka mahazo ny fanjakana selestialy tokoa ve isika?

Kivy ny olona sasany rehefa mahatsapa fa lavitra ny fiainana selestialy izy ireo ety an-tany. Vakio ny zavatra nampianarin’ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo momba ny fivoarantsika mandrakizay, na jereo ilay horonan-tsary “Eo anivontsika Andriamanitra,” manomboka amin’ny mari-potoana 5:01 ka hatramin’ny 6:58, izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Sary
Sary tapaka ôfisialin’ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, 2006. Nantsoina ho Mpanolotsaina Faharoa tao amin’ny Fiadidiana Voalohany, 3 febroary 2008. Nanao ny sary tapaka ôfisialy tamin’ny 2008 ho solon’ilay sary tapaka nalaina tamin’ny 2004.

Safononoky ny fankasitrahana ho an’ny Raiko any An-danitra ny foko. Takatro fa tsy nandahatra ireo zanany Izy mba hitolona sy hiaina fahasarotana ety an-tany tsy ombam-panantenana ho ana hoavy mamiratra sy mandrakizay. Nanome torolalana izay manambara ny lalana miverina any Aminy Izy. Ary i Jesoa Kristy Zanaka Malalany sy ny sorona nataony ho antsika no ivon’izany rehetra izany. …

Zazakely avokoa isika raha oharina amin’ireo olona be voninahitra izay natao hahatongavantsika. Tsy misy olona hivoatra avy amin’ny fandadizana ho amin’ny fandehanana sy ny fihazakazahana ka tsy hianjera sy ho tafintohina ary haratra matetika. Izany no fomba ianarantsika.

(Dieter F. Uchtdorf, “Eo anivontsika Andriamanitra,” Liahona, mey 2021, 8–9)

  • Manampy anao hahatakatra inona momba ny Ray any An-danitra ny teny nataon’ny Loholona Uchtdorf?

  • Inona no fiantraikan’izany eo amin’ny fahatsapanao momba Azy sy ny fifandraisanao Aminy?

  • Inona no tsapanao fa nentanin’ny Fanahy mba hataonao noho ny zavatra nianaranao androany?

Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Ahoana moa raha miezaka miaina amim-pahatokiana amin’izao fiainana izao isika, nefa mbola tsy lavorary ihany rehefa maty?

Nanazava ny Mpaminany Joseph Smith (1805–44):

Sary
Sary tapaka an’ny Mpaminany Joseph Smith Zanany Mihodina any amin’ny ilany ny lohan’i Joseph Zanany, mitodika telo ampahefany, ny tanana havanana eo amin’ny valahany ary ny tanany havia mitazona taratasy. Manao akanjo volontsôkôlà matroka no anehoana azy miaraka amin’ny lobaka fotsy sy karavato.

Raha miakatra tohatra ianao dia tsy maintsy manomboka any ambany ary miakatra tsikelikely mandrapahatonga anao any amin’ny tampony ary dia toy izany koa amin’ireo fitsipiky ny filazantsara—tsy maintsy manomboka any amin’ny voalohany ianao ary manohy hatrany mandrapahaizanao ireo fitsipika rehetra mikasika ny fisandratana. Saingy mbola ho fotoana lava any aorian’ny hiampitanao ny voaly hahafatesanao mihitsy aza vao hahalala azy rehetra ianao. Tsy natao ho takatra eto amin’ity izao tontolo izao ity daholo izany; fa ho asa lehibe ny fianarana momba ny famonjena sy ny fisandratana ho antsika eny na dia any ankoatry ny fasana aza.

(Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 268)

Inona no dikan’ny hoe “Afafy amin’ny fahalòvana izy; atsangana amin’ny tsi-fahalòvana” (1 Korintiana 15:42)?

Nampitahain’i Paoly tamin’ny voa iray tsy lavorary na simba ny vatana mety maty (jereo ny 1 Korintiana 15:37–38, 42). Rehefa maty isika ka alevina (afafy na ambolena), dia hitsangana avy ao am-pasana toy ny zavamaniry mitsimoka avy ao amin’ny tany indray andro any. Tsy ho simba intsony ny vatantsika nitsangana tamin’ny maty, fa ho lavorary noho ny herin’ Andriamanitra.

Iza no hahazo ny fanjakana selestialy?

Ny fanjakana selestialy dia toerana nomanina ho an’ireo izay “nandray ny tenivavolombelon’i Jesoa” ary “natao fanaperana tamin’ny alalan’i Jesoa, ilay mpanelanelan’ny fanekempihavanana vaovao izay nanatontosa ity sorompanavotana fanaperana ity tamin’ny alalan’ny fandatsahana ny rany ihany” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:51, 69). Mba hahafahana mandova izany fanomezana izany dia tsy maintsy mandray ireo ôrdônansin’ny famonjena isika, mitandrina ireo didy ary mibebaka amin’ny fahotantsika. Mba hahazoana fanazavana amin’ny antsipiriany mikasika ireo izay handova ny fanjakana selestialy dia jereo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:50–70; 76:92–96.

(Sujets de l’Évangile, “Les royaumes de gloire,” topics.ChurchofJesusChrist.org)

Hamoaka printy