Seminera
1 Korintiana 15:29


1 Korintiana 15:29

“Nahoana ireny no atao batisa ho an’ny maty?”

Sary
Dobo fanaovana batisa ao amin’ny Tempolin’i Ogden Utah

Maro tamin’ireo Olomasina tao Korinto no nandray anjara tamin’ny batisa ho an’ireo razambeny izay efa nodimandry, kanefa ny sasany tamin’izy ireny dia tsy nino ny Fitsanganan’ny tena amin’ny maty akory. Nanampy azy ireo i Paoly mba hahita fa manao ôrdônansy ho an’ny maty isika miaraka amin’ny finoana fa hanangana antsika rehetra ho velona indray i Kristy amin’ny Fitsanganana amin’ny maty. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hanana faniriana sy hikendry mba handray anjara kokoa amin’ny tantaram-pianakaviana sy ny asa izay atao any amin’ny tempoly.

Ny maha zava-dehibe ny vavolombelona

Diniho ireto andian-tsary nampiarahana telo manaraka ireto. Saintsaino ny fifandraisan’ireo sary roa isaky ny andiany.

Andiany voalohany

Sary
Ny Ôrkesitra ao Temple Square, mey 2007. Mandray anjara amin’ny fampisehoana ilay oratorio “Elijah” izay natao tao amin’ny Tabernakely ao Temple Square izy ireo.

Amboaram-peon’ny Tabernakely, rindran-kira “Elijah” mey 2007

Sary
Fetin’ny dihy nataon’ny tsatòka miisa enina tao Portland Oregon

Andiany faharoa

Sary
Legioma, voatabia, brocoli ary karaoty
Sary
Zatovolahy mihazakazaka.

Andiany fahatelo

Sary
Fasana foana nisy an’i Jesoa Kristy - tao Goshen, Utah
Sary
Sarin’ny tempolin’i Guadalajara Mexique amin’ny andro mazava.
  • Ahoana no fomba hanazavanao amin’ny olona anankiray ny fifandraisana misy eo amin’ny fasan’ny Mpamonjy sy ireo tempolin’ny andro maoderina?

Rehefa fantatr’i Paoly Apôstôly fa nisy olona sasany tany Korinto nampianatra fa tsy misy ny fitsanganana amin’ny maty, dia nasongadiny fa ireo Olomasina dia efa nanatanteraka zavatra izay mijoro ho vavolombelona ny amin’ny maha-tena misy marina tokoa ny fitsanganana amin’ny maty.

Vakio ny 1 Korintiana 15:29, ary tadiavo ny fomba fanao izay noresahin’i Paoly.

1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Ahoana no fomba hamerenanao milaza ireo zavatra izay ampianarin’i Paoly ao amin’ny andininy 29 amin’ny teninao manokana?

  • Ahoana no fomba ahafahana milaza fa ny batisa ho an’ny maty dia fijoroana ho vavolombelona momba ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotany ary ny Fitsanganana amin’ny maty?

Batisa ho an’ny maty

Fahamarinana anankiray izay azontsika ianarana avy amin’ny 1 Korintiana 15:29 ny hoe ireo izay maty tsy vita batisa dia mbola afaka mandray io ôrdônansy manan-danja io amin’ny alalan’ny asa izay atao any amin’ny tempoly.

Ny Filoha Gordon B. Hinckley (1910–2008) dia nampianatra mikasika ny fomba ahafahan’ny fandraisana anjara amin’ny asa atao amin’ny tempoly mampifandray antsika amin’i Jesoa Kristy:

Sary
Sarin’ny tapany ambonin’ny Filoha Gordon B. Hinckley izay manatrika. Miankina eo amin’ny lamosin’ny seza ireo tanan’ny Filoha Hinckley. Io sary io no sary tapaka ôfisialy nalain’ny Fiangonana ho an’ny Filoha Hinckley tamin’ny 1995. Io no sary tapaka ôfisialy farany an’ny Filoha Hinckley. Maty tamin’ny 27 janoary 2008 ny Filoha Hinckley.

Heveriko fa ny asa isoloana tena ho an’ny maty dia manakaiky kokoa ny sorona izay nisoloan’ny Mpamonjy ny tenany mihoatra noho ny asa hafa izay fantatro. Omena am-pitiavana izany, tsy misy fanantenana handray valin-kasasarana, na tambin-karama, na zavatra hafa toy izany. Fitsipika be voninahitra tokoa izany [takaraiva amorom-patana tany Birmingham, Angleterre, 29 Aog. 1995].

(Gordon B. Hinckley, “Excerpts from Recent Addresses of President Gordon B. Hinckley,” Ensign, Jan. 1998, 73)

  • Ahoana ny fomba hahatonga antsika hitovy bebe kokoa amin’ny Mpamonjy rehefa mandray anjara amin’ny batisa sy ny asa hafa izay atao amin’ny tempoly?

Halalino ny fahatakaranao

Alaivo sary an-tsaina hoe niresaka momba ny drafitrareo tsirairay ho an’ny faran’ny herinandro ianao sy ireo namana indray andro tany am-pianarana. Nilaza ny namana anankiray fa tsy andriny intsony ny handehanana any amin’ny tempoly hanao batisa ho an’ny maty miaraka amin’ny zatovo hafa ao amin’ny paroasiny. Ary i Kaya, namany anankiray hafa, dia sanganehana ary manontany hoe: “Batisa ho an’ny maty? Inona daholo ary izany?”

  • Manao ahoana ny fahatokisan-tenanao hamaly io fanontaniana io amin’ny fomba mazava mba hahazoan’i Kaya izany?

Makà fotoana kely hanamafisana ny fahatakaranao ny ôrdônansin’ny batisa ho an’ny maty amin’ny alalan’ny fisafidianana anankiray na maromaro amin’ireto loharanom-pahalalana manaraka ireto na amin’ny alalan’ny fikarohana ireo loharanom-pahalalana izay anananao manokana. Rehefa mandalina ianao, dia mitadiava zavatra azonao zaraina amin’ny olona toa an’i Kaya izay te hahatakatra bebe kokoa an’io fomba fanao io.

  • scriptures.ChurchofJesusChrist.orgJereo ny “Batisa ho an’ny maty” ao amin’ny “ Batisa, manao batisa,” ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masinascriptures.ChurchofJesusChrist.org

  • topics.ChurchofJesusChrist.org

  • Leah Barton, “Three Facts about Temple Baptisms,” New Era, Sept. 2019, 22–23

  • “What Are Baptisms for the Dead?(Inona no Atao hoe Batisa ho an’ny Maty?)” (1:22), izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org

  • “Two Apostles Lead a Virtual Tour of the Rome Italy Temple” (11:31; watch from time code 1:23 to 4:13)

2. Hazavao ny fomba hampianaranao olona toa an’i Kaya, izay tsy mahalala ny batisa ho an’ny maty, momba an’ity ôrdônansy ity. Eritrereto ny hampiditra ireto teboka manaraka ireto anatin’ny fanazavanao:

  • Inona ny zavatra asehon’ny ôrdônansin’ny batisa ho an’ny maty mikasika ny zavatra izay tsapan’ny Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany momba antsika tsirairay avy.

  • Ny zavatra izay niainanao manokana tamin’ny fandraisanao anjara tamin’ity ôrdônansy ity.

Manaova asa araka ny zavatra izay nianaranao

Eritrereto ny zavatra izay efa avy niainanao manokana momba ny tantaram-pianakaviana sy ny asa izay atao amin’ny tempoly. Saintsaino ny antony nahatonga ireo zavatra izay efa avy niainanao ireo ho manan-danja sy ireo sakana rehetra izay efa avy natrehinao. Avy eo dia mamorona drafitra tsotra sy manokana momba ny fomba izay hampiharanao ireo zavatra izay nianaranao sy tsapanao androany. Ohatra, azonao atao ny manao drafitra mifandray amin’ny fandehanana any amin’ny tempoly, fahazoana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly, fampiasana ny FamilySearch mba hahitana ny anaran’ireo razambenao izay mila mandray ny ôrdônansin’ny batisa, fanaovana zavatra manokana mba hahatonga ireo zavatra izay niainanao ao amin’ny tempoly ho manan-danja kokoa, na fieritreretana ny anankiray amin’ireo hevitra izay nobitsihin’ny Fanahy taminao manokana. Araho ireo bitsiky ny Fanahy Masina mba hamoronana drafitra izay mety aminao. Raketo ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny drafitra izay nataonao.

3. Zarao amin’ny mpampianatrao ny drafitrao.

Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Ahoana ny fomba izay ifandraisan’ny batisa ho an’ny maty amin’i Jesoa Kristy sy ny Fitsanganany tamin’ny maty?

Nampianatra toy izao ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Sarin’ny Loholona D. Todd Christofferson. Nalaina tamin’ny martsa 2020.

Isika tsy mahatombina te hanavotra ny maty, ary ny fotoana sy ny loharanom-pitaovana afointsika hanatanterahana izany fanoloran-tena izany no tena fanehoana indrindra ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba an’i Jesoa Kristy. Izany dia mandrafitra ny fanambarana mahery vaika indrindra izay azontsika atao mahakasika ny maha-Andriamanitra Azy sy ny asa masina izay nanirahana Azy. Izany dia, voalohany, mijoro ho vavolombelona ny amin’ny Fitsanganan’i Kristy tamin’ny maty; [ary] faharoa, ny amin’ny Sorompanavotany tsy manam-petra. …

Atao batisa ho an’ny maty isika satria fantatsika fa hitsangana izy ireo.

(D. Todd Christofferson, “The Redemption of the Dead and the Testimony of Jesus,” Ensign, Nov. 2000, 10)

Nanao batisa ho an’ny maty ve ny mpikambana tao amin’ny Fiangonan’i Kristy tamin’ny andron’ny Testamenta Vaovao?

Taorian’ny nitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty ihany no nanaovana batisa isoloan-tena. Ny 1 Korintiana 15:29 ihany no hany andalan-tsoratra masina ao amin’ny Baiboly miresaka mikasika ny batisa isoloan-tena ho an’ny maty, na dia misy andinin-teny efa tranainy hafa aza manamarina fa ny Kristianina voalohany dia nanao batisa ho an’ny maty.

“Nampianatra i Jesoa Kristy fa ilaina ny manao batisa mba hahazoana ny fiainana mandrakizay (jereo ny Jaona 3:5). I Paoly mihitsy no natao batisa ary nampianatra fa amin’ny alalan’io ôrdônansy manan-danja io dia afaka ‘mandeha amin’ny fiainam-baovao’ isika (Romana 6:4; jereo ihany koa ny Asan’ny Apôstôly 9:18). Kanefa an-tapitrisany ireo zanaky ny Ray any An-danitra no maty tsy nahazo fahalalana momba an’i Jesoa Kristy na tsy nandray ny ôrdônansy manan-danja momba ny batisa. Ny firesahan’i Paoly momba ny batisa ho an’ny maty dia milaza fa ireo mpikamban’ny Fiangonana tany am-boalohany dia nahafantatra ny drafitr’ Andriamanitra mba hanavotra ny maty (jereo ihany koa ny Jaona 5:25, 28; 1 Petera 3:18–19; 4:6)” (Testamenta Vaovao: Boky torolalana ho an’ny mpianatra [2014], 385).

Oviana ireo mpikambana ao amin’ny Fiangonan’i Kristy ho an’ny andro farany no nanomboka nanao batisa ho an’ny maty?

Mba hihainoana ny tantaran’ny fampidiran’ny Fiangonana naverina tamin’ny laoniny ny batisa ho an’ny maty dia jereo ny horonan-tsary “Glad Tidings: The History of Baptisms for the Dead” (6:55), izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Aiza ny toerana ahafahako mianatra misimisy kokoa momba ny batisa ho an’ny maty?

  • “What Are Baptisms for the Dead?(Inona no Atao hoe Batisa ho an’ny Maty?)” (1:22), izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org

  • “Two Apostles Lead a Virtual Tour of the Rome Italy Temple” (11:31; watch from time code 1:23 to 4:13)

Hamoaka printy