Seminera
Asan’ny Apostoly 11, 15


Asan’ny Apostoly 11, 15

Mitarika ny Fiangonany amin’ny alalan’ny fanambarana ny Mpamonjy

I Petera sy Jakoba miresaka amin’ireo apôstôly, sy ireo loholona ary ireo mpikambana hafa tao Jerosalema mikasika ny famorana. Ampahan-tsary: ahitana ny sasany amin’ireo olana anaty horonantsary, pika sary samihafan’ny andian’olona mihaino.

Nilaza tamin’ireo Apôstôliny i Jesoa fa hotorina amin’ny firenena rehetra ny filazantsara. Mitaky fanovana sarotra tamin’ny fomban-drazana Jiosy efa hatry ny ela anefa ny fanaovana izany. Noho ny fiakaran’i Jesoa tany an-danitra dia nila natao tamin’ny alalan’ny fanambarana ireo fiovana ireo. Ny tanjon’ity lesona ity dia ny hampitombo ny fahatakaranao ny fomba itarihan’ny Mpamonjy ny Fiangonany amin’ny alalan’ny fanambarana ho an’ny mpaminaniny sy ireo apôstôliny.

Fanontanian’ny namana iray

Alaivo sary an-tsaina hoe misy namana iray tsy mitovy finoana aminao izay mahafantatra momba ny finoanao ireo mpaminany sy apôstôly maoderina. Na dia mino ny mpaminany sy ny apôstôly ao amin’ny Baiboly aza ilay namanao, dia sarotra aminy ny manaiky fa miasa amin’ny alalan’izy ireo Andriamanitra ankehitriny. Manontany anao izy hoe: “Ahoana no fomba iresahan’i Jesoa amin’ny mpaminany sy ny Apôstôly?”

  • Manao ahoana ny fahatokisanao ny fahaizanao mamaly io fanontaniana io?

  • Inona no ho lazainao amin’ilay namanao?

Na dia misy fomba maro hamaliana aza, ny Asan’ny Apostoly 11 sy 15 dia maneho fomba roa itarihan’i Jesoa Kristy ny Fiangonany amin’ny alalan’ny fanambarana.

Fanambarana amin’ny mpaminany

Taorian’ny fahitan’i Petera sy ny zavatra niainany niaraka tamin’i Kornelio (jereo ny Asan’ny Apostoly 10 dia nandeha tany Jerosalema izy ary nampianatra ireo fahamarinana vao nambara ireo tamin’ireo mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana.

Rehefa tonga tany Jerosalema i Petera dia nitantara indray ny fahitany sy ny zavatra niainany niaraka tamin’i Kornelio (jereo ny Asan’ny Apostoly 11:1–18).

Vakio ny Asan’ny Apostoly 11:4–18, ka tadiavo ny fomba fahitanao an’ Andriamanitra mitarika ny Fiangonana.

  • Inona no ianaranao avy amin’ity tantara ity mikasika ny fomba hitarihan’ny Tompo ny Fiangonany?

Ianarantsika avy amin’ny zavatra niainan’i Petera fa Mitarika ny Fiangonany amin’ny alalan’ny fanambarana amin’ny mpaminaniny, dia ny Apôstôly zokiny indrindra, i Jesoa Kristy.

  • Ahoana no ahafahan’ny fahalalana ity fahamarinana ity manampy anao hanamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba an’i Jesoa Kristy sy ny mpaminaniny?

  • Nahoana ianao no mino fa tarihin’ny mpaminanin’ny Tompo amin’ny alalan’ny fanambarana ny Fiangonana ankehitriny?

Fanambarana amin’ny alalan’ireo filankevitra

Aseho ao amin’ny Asan’ny Apostoly 15 ny ohatra iray hafa amin’ny fomba anomezan’ny Mpamonjy fanambarana ny mpaminaniny sy ny apôstôliny.

Nampianatra sy nanao batisa Jentilisa maro i Paoly sy i Barnabasy misiônera. Tonga tany Antiokia ireo Kristiana Jiosy sasany ary nampianatra fa mila mitandrina ny lalàn’i Mosesy amin’ny alalan’ny famorana ankoatra ny fiainana ny filazantsara nampianarin’i Jesoa Kristy sy ny Apôstôliny ny lehilahy Jentilisa niova fo (jereo ny Asan’ny Apostoly 15:1,; jereo koa ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Famorana,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org).

Vakio ny Asan’ny Apostoly 15:2 hahitana ny fomba nitadiavan’i Paoly sy Barnabasy ny famahana ilay olana.

  • Araka ny hevitrao, nahoana i Paoly sy i Barnabasy no nitady fitarihana tamin’ireo mpitarika ny Fiangonana tao Jerosalema?

Fahamarinana iray aseho ao amin’ny Asan’ny Apostoly 15 ny hoe amin’ny alalan’ny fifampizarana torohevitra sy ny fikatsahana fanambarana avy amin’ Andriamanitra no ahazoan’ireo mpitarika ny Fiangonana fitaomam-panahy mikasika ireo olana sarotra. Rehefa nifanome torohevitra i Petera sy ireo mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana dia nahazo fitarihana avy tamin’ Andriamanitra izy ireo. Nandefa taratasy izy ireo nampahafantatra ireo mpikamban’ny Fiangonana momba ny fanapahan-kevitra nentanim-panahy azon’izy ireo mba tsy hitaky ny famorana ireo Jentilisa niova fo, ary nampidirin’izy ireo tamin’izany ny fanasana hankatò ireo didy hafa.

Ny filankevitra dia vondron’olona mivondrona mba hifanakalo hevitra momba ny raharaha manan-danja sy ny fomba hamahana azy ireny. Mba hahatakarana bebe kokoa momba ny fomba fiasan’ny filankevitra ao amin’ny Fiangonana dia vakio ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany ity manaraka ity:

Ny mpitarika [ny filankevitra] dia mamporisika ny mpikambana mba hiteny malalaka sy amin-kitsimpo. Ireo zavatra namolavola, ny taona, ny traikefa ary ny fomba fijery samihafa ananan’ireo mpikambana ao amin’ny filankevitra dia manatsara ilay filankevitra. Mizara soso-kevitra ary mifampihaino amim-panajana ireo mpikambana. Rehefa mikatsaka hahafantatra ny sitrapon’ny Tompo izy ireo dia afaka manjaka ny fanahin’ny fitaomam-panahy sy ny firaisan-kina.

Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 4.4.3, ChurchofJesusChrist.org)

  • Ahoana no hamintinanao ny atao hoe filankevitra ao amin’ny Fiangonana?

Ny filankevitra tao Jerosalema

Vakio ny Asan’ny Apostoly 15:6–15, 22–28, ary tadiavo ny porofon’ireo fizarana samihafa ao amin’ny filankevitra. Adikao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity tabilao manaraka ity. Soraty eo amin’ny tsanganana ankavanana ny teny na andian-teny avy amin’ireo andininy izay mifanaraka amin’ireo andian-teny ao amin’ny tsanganana ankavia.

Miasa eo ambanin’ny fanalahidin’ny fisoronana

Mifantoka amin’ny mahasoa ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana

Manome fahafahana an’ireo mpikambana ao amin’ny filankevitra mba haneho hevitra

Mitarika ho amin’ny firaisan-kina

Ireo mpitarika maoderina koa dia mampiasa filankevitra mba hanasana ny fitarihan’ny Tompo ny raharahan’ny Fiangonana. Nizara izao manaraka izao ny Filoha Russell M. Nelson:

2:3

Fanambarana ho an’ny Fiangonana, fanambarana ho an’ny fiainantsika

Mijoro ho vavolombelona ny Filoha Nelson fa mitarika ny Fiangonana amin’ny alalan’ny fanambarana ny Tompo ary afaka mandray fanambarana ho an’ny tenany manokana ny tsirairay.

Sary ôfisialin’ny Filoha Russell M. Nelson nalaina tamin’ny janoary 2018

Rehefa nivory amin’ny maha Filankevitry ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Roambinifololahy izahay, dia lasa efitranon’ny fanambarana ny efitrano fivorianay. Tena tsapa fa eo ny Fanahy. Rehefa sahirana mafy tamin’ireo toe-javatra sarotra tokony ho vahana izahay, dia misy zavatra mampientanentana mitranga rehefa milaza amin-kalalahana ny eritreriny sy ny heviny ny Apôstôly tsirairay. Na dia mety ho tsy mitovy aza ny fomba fijerinay any am-boalohany, dia tsy miova mihitsy ny fifankatiavana tsapanay. Manampy anay hamantatra ny sitrapon’ny Tompo ho an’ny Fiangonany ny firaisanay hina.

Mandritra ny fivorianay dia tsy misy mihitsy izany hoe ny hevitry ny antsasa-manila no ampanjakaina! Mifampihaino amim-bavaka izahay ary mifampiresaka mandra-piray saina anay. Ary rehefa samy manaiky tanteraka izahay, dia mampientanentana ery ny fitaomana mampiray avy amin’ny Fanahy Masina! Miaina ny zavatra fantatry ny Mpaminany Joseph Smith isika rehefa nampianatra izy hoe: “Amin’ny alalan’ny fahatsapana fiombonana no ahazoantsika hery avy amin’ Andriamanitra” [Fampianaran’ny filoham-piangonana: Joseph Smith (2007), 393–94]. Tsy misy mpikambana ao amin’ny Fiadidiana Voalohany na ny Kôlejin’ny Roambinifololahy izay handray fanapahan-kevitra ho an’ny Fiangonan’ny Tompo kanefa miankina amin’ny fahaizany mitsara manokana!

(Russell M. Nelson, “Fanambarana ho an’ny Fiangonana, fanambarana ho an’ny fiainantsika,” Liahona, mey 2018, 95.)

Manoratra amin’ny penina na penisilihazo eo amina sombin-taratasy. 1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ny telo amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Ahoana no ho fihetsikao manoloana ilay toe-javatra niseho tany am-piandohan’ny lesona izay nahitana ny namana iray nanontany ny fomba niresahan’i Jesoa Kristy tamin’ny mpaminany sy ny apôstôly?

  • Ahoana no fomba fiantraikan’ny fahalalana ireo fahamarinana hita ao amin’ireo soratra masina ireo eo amin’ny fahatsapanao momba ny mpaminany sy ireo mpitarika hafa ao amin’ny Fiangonana?

  • Amin’ny fomba ahoana no misy fiantraikany amin’ny fomba fijerinao ireo fanapahan-kevitra noraisin’ny mpaminany sy ny apôstôly ankehitriny ny fahalalana fa mitarika ny Fiangonany amin’ireo fomba ireo i Jesoa Kristy?

  • Inona ireo filankevitra mety handraisanao anjara amin’ny fiainanao?

  • Inona no azonao atao mba hanampiana ny filankevitra iray handray fanambarana?

Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Fanambarana ho an’ireo mpitarika ny Fiangonana

Tao amin’ny lahateniny “Ny fotopampianaran’i Kristy” ny Loholona D.Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampiasa ny tantara voarakitra ao amin’ny Asan’ny Apostoly 11 sy 15 mba hampianarana momba ny fanambarana ho an’ireo mpitarika ny Fiangonana. Diniho ny fandalinana ny lahateny iray manontolo na ny fijerena ity horonan-tsary manaraka ity manomboka amin’ny mari-potoana 6:10 ka hatramin’ny 11:34.

15:14

Ny Fotopampianaran’i Kristy

Ao amin’ny Fiangonana ankehitriny toy ny tamin’ny fahiny ihany, ny fanorenana ny fotopampianaran’i Kristy sy ny fanitsiana ireo zavatra diso ara-potopampianarana dia misy ifandraisany amin’ny fanambarana masina.

Inona avy ireo ohatra sasantsasany ahitana ny fanambarana mitohy?

Ny Loholona Quentin L. Cook ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra momba ny fanambarana voaray ho an’ny Fiangonana. Jereo ny “Ny fitahiana entin’ny fanambarana tsy tapaka amin’ireo mpaminany sy ny fanambarana ho an’ny tena manokana hitarihana ny fiainantsika” manomboka amin’ny mari-potoana 4:55 ka hatramin’ny 6:42, hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

2:3

Ny fitahiana entin’ny fanambarana tsy tapaka amin’ireo mpaminany sy ny fanambarana ho an’ny tena manokana hitarihana ny fiainantsika

Mampianatra ny Loholona Cook fa ireo mpaminany dia mandray fanambarana tsy tapaka hitarihana ny Fiangonana ary isika dia afaka mandray fanambarana hitarihana ny fiainantsika.

Nampianatra ihany koa ny Loholona Cook fa ny mpaminany sy ny apôstôly dia mahazo fitaomana avy amin’ny Fanahy sy fanambarana mivantana avy amin’ny Mpamonjy. Jereo ny “Miomàna hihaona amin’ Andriamanitra” manomboka amin’ny mari-potoana 13:37 ka hatramin’ny 14:15.

2:3

Miomàna hihaona amin’ Andriamanitra.

Mampianatra ny Loholona Cook fa miomana ny hihaona amin’ Andriamanitra isika rehefa manatanteraka ireo andraikitra nomen’ Andriamanitra eo amin’ny asa fitoriana ny filazantsara, ny asa atao any amin’ny tempoly ary ny fampantanjahana ireo mpikamban’n

Ahoana no mety ho fomba fiasan’ny filankevitra ao anatin’ny fianakaviana?

Ny Filoha M.Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra momba ny filankevitry ny mpianakavy tao amin’ny lahateniny “Ireo filankevitry ny mpianakavy” (Liahona, mey 2016, 63–65).

14:27

Family Councils

Elder Ballard encourages members to follow a divine pattern by holding family councils, setting aside technology, and listening to one another.