Seminera
Asan’ny Apostoly 12:1–19


Asan’ny Apostoly 12:1–19

Sary
Anjely iray manampy an’i Petera amin’ny fivoahany ny fonja. Tsy mahatsiaro tena eo amin’ny tany ireo mpiambina ny fonja.

Niatrika fanoherana ireo Apôstôly rehefa niezaka ny hampandroso ny asan’ny Mpamonjy. Maty maritiora i Jakoba noho ny baiko izay nomen’i Heroda, raha toa kosa ka nogadraina i Petera saingy nafahan’ny anjely iray izy ho valin’ny vavaka izay nataon’ireo mpikamban’ny Fiangonana. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hampitombo fatokiana bebe kokoa ny Ray any An-danitra sy ireo valim-bavaka izay atolony.

Vokatra samihafa azo

Saintsaino ireo fihetsika samihafa izay mety hataon’ny olona manoloana ireto toe-javatra manaraka ireto:

Misy zatovolahy iray izay tena mazoto mivavaka tokoa mandritry ny taona maro mba ho sitran’ny homamiadana ny rainy, saingy tsy sitrana ny rainy.

Misy zatovovavy iray izay mivavaka mafy mba ho sitran’ny homamiadana ny reniny, ary rehefa nitolona nandritry ny taona maro dia sitrana tamin’ny fomba feno fahagagana ny reniny.

  • Oviana ianao na olon-kafa no nivavaka ka tsy nahazo valiny araka izay nantenaina?

  • Ahoana no nasetrinao izany?

  • Inona no fiantraikan’ny fatram-pahatokianao ny Ray any An-danitra tamin’ny valinteninao?

Jereo ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina, ireo fahagagana na fitahiana izay tadiavinao. Eritrereto hoe amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny fametrahana fitokisana bebe kokoa amin’ Andriamanitra hampisy fiantraikany tsaratsara kokoa eo amin’ny fiainanao. Rehefa mandalina ianao, dia tadiavo ireo fahamarinana sy ohatra izay afaka manampy anao hampitombo fatokiana bebe kokoa ny Ray any An-danitra sy ireo valim-bavaka izay atolony.

Fanenjehana ireo mpikamban’ny Fiangonana

Raha nitohy hatrany ny fielezan’ny filazantsara, dia nenjehin’ireo mpitarika Romana sy Jiosy ireo mpikambana sy ireo mpitarika ny Fiangonana. Ny mpitarika sasany tao amin’ny Fiangonana, toa an’i Petera sy i Jaona, dia nafahan’ Andriamanitra tamin’ny fomba mahagaga (jereo ny Asan’ny Apostoly 5:17–21), fa ny hafa kosa, toa an’i Stefana, dia tsy nafahany (jereo ny Asan’ny Apostoly 7:54–60).

Alaivo sary an-tsaina hoe mpikamban’ny Fiangonana ianao nandritra ireo fisehoan-javatra ireo rehefa mamaky ny Asan’ny Apostoly 12:1–4. Ny teny hoe mampahory dia midika hoe manimba na mandratra. Ny andininy 4 dia midika fa nametraka miaramila 16 i Heroda mba hiambina an’i Petera rehefa nitetika ny hamono azy ampahibemaso izy tatỳ aoriana.

  • Inona no fahatsapana sy fanontaniana izay mety ho nanananao tamin’ny maha mpikamban’ny Fiangonana anao tamin’io fotoana io?

Vakio ny Asan’ny Apostoly 12:5, ary tadiavo ny fomba nentin’ireo mpikamban’ny Fiangonana hamaliana izany.

  • Nahoana no mety ho sarotra ny nampihatra ny finoana tamin’ny alalan’ny fivavahana ho an’i Petera?

  • Inona araka ny eritreritrao ny zavatra takatr’ireo mpikamban’ny Fiangonana momba ny Ray any An-danitra ka nanosika azy ireo hanao izany?

Vakio ny Asan’ny Apostoly 12:6–11, ary tadiavo ny fomba namaliana ny vavaka izay nataon’ireo mpikamban’ny Fiangonana.

1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Inona no fahatsapana na eritreritra izay mety ho niainanao raha toa ka nahita maso an’io valim-bavaka io ianao?

  • Inona no mety ho fiantraikan’ny fisehoan-javatra tahaka izao eo amin’ny fatokianao ny Ray any An-danitra?

  • Inona avy ireo fahamarinana momba ny vavaka izay azontsika ianarana avy amin’io tantara io?

Vavaka amin-kitsimpo sy amin-kafanam-po

Fahamarinana anankiray izay azontsika ianarana avy amin’ity tantara ity ny hoe ny vavaka amin-kitsim-po sy amin-kafanam-po izay ataontsika dia manasa ireo fahagagana sy fitahian’ Andriamanitra ho eo amin’ny fiainantsika sy ny fiainan’ny hafa.

Ny fahagagana vokatry ny vavaka atao amim-pahatokiana dia matetika kely sy tsotra fa tsy lehibe sy manaitra.

Azonao atao ny mijery ny “Miambena ka mivavaha mandrakariva: manomboka eo amin’ny mari-potoana faha 12:17 ka hatramin’ny 13:07, izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org na vakio ity fanambarana manaraka ity mba hahitana fahagagana niseho avy tamin’ny vavaka teo amin’ny fiainan’ny Filoha M.Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.

Sary
Sary ôfisialin’ny Loholona M.Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, 2004.

Fantatro ny herin’ny vavaka tamin’ny alalan’ny zavatra niainako manokana. Vao haingana aho no irery tao amin’ny biraoko. Vao avy nandalo fitsaboana teo amin’ny tanako aho. Mainty sy mangana izany, sady nivonto, no narary. Rehefa nipetraka teo amin’ny seza fiasako aho, dia tsy afaka nifantoka tamin’ireo raharaha manan-danja sy lehibe satria variana tamin’io fanaintainana io.

Nandohalika nivavaka aho ary nangataka tamin’ny Tompo mba hanampy ahy hifantoka mba hahavitako ny asako. Nijoro aho ary niverina teo amin’ireo antontan-taratasy teo ambony latabatro. Saika teo no ho eo ihany, dia tonga tao an-tsaiko ny fahazavana sy ny fifantohana ary afaka namita ireo raharaha maika teo anoloako aho.

(M. Russell Ballard, “Koa miambena, ary mivavaha mandrakariva,” Liahona, nôv. 2020, 79)

2. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona avy ireo zavatra izay niainanao na niainan’olon-kafa ka namalian’ Andriamanitra vavaka?

  • Inona no nampianarin’ireo zavatra izay niainanao ireo momba ny fanirian’ny Ray any An-danitra sy ny fihetseham-pony ho anao sy ny hafa?

  • Inona no fiantraikan’ireo zavatra izay niainanao ireo tamin’ny fanirianao sy ny fahafahanao matoky ny Ray any An-danitra?

Matoky an’ Andriamanitra

Vakio ny Asan’ny Apostoly 12:12–17 mba hahitanao ny fiafaran’ity tantara ity. Ataovy ao an-tsaina fa ilay Jakoba izay voalaza ao amin’ny andininy 17 dia tsy ilay Jakoba izay voalaza ao amin’ny andininy 2.

Indraindray dia tsy mivaly araka izay antenaintsika ireo vavaka. Mety ho ohatra iray amin’izany ny nahafaty maritiora an’i Jakoba. Ireo Olomasina tamin’izany fotoana izany dia azo inoana fa nivavaka ho an’i Jakoba ihany koa, saingy mbola novonoin’i Heroda ihany izy (jereo ny Asan’ny Apostoly 12:2).

Saintsaino ireo rafi-tantara tany am-piandohan’ny lesona sy ireo fotoana teo amin’ny fiainanao izay tsy namalian’ Andriamanitra araka ny nantenainao ireo vavaka izay nataonao.

  • Inona ny zavatra fantatrao momba ny Ray any An-danitra izay afaka manampy anao hatoky Azy ao anatin’ireo toe-javatra ireo?

Ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nampianatra zavatra izay afaka manampy rehefa mety ho tsy nahazoana valiny araka izay nanantenantsika ireo vavaka izay ataontsika. Azonao atao ny mijery ny “Healing the Sick” manomboka eo amin’ny mari-potoana faha 15:19 ka hatramin’ny 16:55 na vakio ity teny manaraka ity.

Sary
Sary ôfisialin’ny Filoha Dallin H. Oaks nalaina tamin’ny martsa 2018.

Amin’ny maha zanak’ Andriamanitra antsika, izay mahafantatra ny Fitiavany lehibe sy ny Fahalalany faratampony amin’ny tsara indrindra ho antsika eo amin’ny mahasoa antsika mandrakizay dia matoky Azy isika. Ny fitsipika voalohan’ny filazantsara dia ny finoana ny Tompo Jesoa Kristy, ary ny finoana dia midika hoe fitokisana. Nahatsapa izany fatokisana izany aho rehefa naheno ny lahateny izay nataon’ny zanaky ny mpiraitam-po amin’ny ray aman-dreniko iray nandritry ny fivoriana fanaovam-beloma farany ny zatovovavy iray izay nodimandry noho ny aretina mafy izay nahazo azy. Nilaza ireto teny ireto izy, izay nahatalanjona ahy tany am-boalohany ary avy eo nankahery ahy: “Fantatro fa sitrapon’ny Tompo ny hahafatesany. Nisitraka fitsaboana tomombana izy. Nomena tsodranon’ny fisoronana izy. Ny anarany dia napetraka teo amin’ny taratasy mirakitra ny anaran’olona izay hoentina am-bavaka any amin’ny tempoly. Natao ho azy daholo ny vavaka aman-jatony mba hamerenana ny fahasalamany amin’ny laoniny. Ary fantatro fa ampy ny finoana ao amin’io fianakaviana io fa ho sitrana izy raha tsy hoe sitrapon’ny Tompo ny hamerenany azy hody any Aminy amin’izao fotoana izao.” Nahatsapa izany fatokisana izany aho tamin’ny tenin’ny rain’ny tovovavy sarobidy iray izay matin’ny homamiadana tamin’ny fahatanorany. Nilaza izy hoe: “Ny finoan’ny fianakavianay dia ao amin’i Jesoa Kristy ary tsy miankina amin’ny zavatra mety hitranga.” Ireo fampianarana ireo dia tsapako fa marina. Ataontsika izay azontsika atao rehetra ho fanasitranana ireo olon-tiantsika, ary matoky ny Tompo manoloana ny zavatra hitranga isika avy eo.

(Dallin H. Oaks, “Healing the Sick,” Liahona, May 2010, 50)

  • Inona no zavatra nampianarin’ny Filoha Oaks izay tsapanao fa manan-danja ny hahatsiarovana azy? Nahoana?

3. Ataovy ireto manaraka ireto.

Araka ny zavatra izay nianaranao androany, dia manorata lahatsoratra ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izay miresaka ny iray na maromaro amin’ireto manaraka ireto:

  1. Ny zavatra nianaranao momba ny Ray any An-danitra izay mampitombo ny fatokisanao Azy

  2. Ny zavatra nianaranao momba ny vavaka izay tianao hotsarovana

  3. Ny fahatsapana azonao avy amin’ny Fanahy Masina mikasika ny fomba hanatsarana ny vavaka izay ataonao manokana na ny fomba ahafahanao mikatsaka ny hatoky bebe kokoa ny Ray any An-danitra

Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao? 

Inona ny zavatra izay tokony ho takatsika rehefa toa tsy tonga ny valin’ny vavaka iray?

Nanazava ny Loholona Richard G. Scott tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Sary ôfisialy faran’ny Loholona Richard G. Scott tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, 2004. Nodimandry tamin’ny 22 septambra 2015.

Rehefa toa tsy tonga ny valin’ny vavaka maika iray, dia mety hoe tsy mahatakatra fahamarinana sasantsasany momba ny vavaka isika, na noho ny tsy fahafantarantsika ireo valim-bavaka rehefa tonga izy ireny. …

… Henony avokoa ny vavaka rehetra ary mamaly izany amin’ny fombany Izy.

(Richard G. Scott, “Learning to Recognize Answers to Prayer,” Ensign, Nov. 1989, 30–31)

Ahoana no ahafahan’ny vavaka izay ataoko mitahy ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana ankehitriny?

Ao amin’ny soratra masina dia mianatra isika fa ny Fiadidiana Voalohany dia tohanana amin’ny alalan’ny “fahatokiana, sy finoana, ary ny vavaky ny fiangonana” (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:22). Fony nanampo tamin’ny naha-Filohan’ny Fiangonana azy i Thomas S. Monson (1927–2018) dia nizara izy hoe: “Araka ny nolazaiko tamin’ireo fihaonambe teo aloha dia misaotra anareo aho noho ny vavaka izay nataonareo ho ahy. Mila azy ireo aho; mahatsapa azy ireo aho” (“Homba Anao Anie Andriamanitra mandrapaha hifakahitantsika indray,” Liahona nôv. 2012, 111).

Hamoaka printy