Seminera
Asan’ny Apostoly 6–7


Asan’ny Apostoly 6–7

Nanompo tahaka an’i Kristy i Stefana

Sary
Zatovolahy sy zatovovavy manampy vehivahy antitra iray amin’ny entana novidiany.

Ampahany lehibe amin’ny maha-Kristiana ny fiahiana ny mahantra sy ireo hafa izay mila fanampiana. Rehefa tsy nisy niraharaha ireo mpitondratena dia nifidy an’i Stefana sy olona enina hafa ireo Apôstôly mba hikarakara izay nilain’izy ireo. Nampalahelo anefa fa na dia nanao fahagagana lehibe tamin’ny herin’ Andriamanitra aza i Stefana, dia nitora-bato azy ny Jiosy noho ny fijoroany ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy. Rehefa mandalina ianao dia saintsaino ny fomba ahafahanao mitahy ny hafa amin’ny alalan’ny fiezahana hanaraka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy, ho tonga tahaka Azy Ireo ary hijoro ho vavolombelona momba Azy Ireo.

Ny filankevitry ny paroasy dia vondrona mpikambana manana antso (eveka, filohan’ny kôlejin’ny loholona, filohan’ny Fikambanana Ifanampiana, filohan’ny Zatovovavy, filohan’ny Kilonga, sy ny sisa) izay miara-mivory tsy tapaka mba handraisana an-tanana ireo toe-javatra sy olana samihafa ao amin’ny paroasiny. Alaivo sary an-tsaina ny fisian’ny toe-javatra toy izao manaraka izao ao amin’ny paroasy na sampana misy anao: Manana zanaka lahy 16 taona sy zanaka vavy 7 taona ary zaza 6 volana ny reny tokantena iray antsoina hoe Lalao. Hodidiana i Lalao amin’ity herinandro ity ary dimy andro izy no ho any amin’ny hopitaly. Ahoana no ahafahan’ireo mpikambana samihafa ao amin’ny filankevitry ny paroasy manampy io fianakaviana io?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe ny filankevitry ny paroasy, na ireo fikambanana hafa mitovy aminy?

  • Inona no mety ho tsapan’ireo izay mahazo fanampiana avy amin’ny filankevitry ny paroasy na ny vondrona mitovitovy amin’izany?

Vakio ny Asan’ny Apostoly 6:1, ka tadiavo ny olana natrehan’ny Fiangonana tany am-boalohany.

Noho ny isan’ireo mpitondratena izay sahirana na nila fanampiana tao amin’ny Fiangonana, dia nandany betsaka ny fotoany tamin’ny fanampiana azy ireo ny Roambinifololahy ka tsy afaka nanokana ny fotoanany hitoriana ny filazantsara araka ny fomba nangatahin’ny Mpamonjy azy ireo.

Vakio ny Asan’ny Apostoly 6:2–8 ary tadiavo ny vahaolana nomen’ny Roambinifololahy.

1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no mampitovy ireo antso ao amin’ny Fiangonana sy ny filankevitry ny paroasy ankehitriny amin’ny vahaolana nomen’ireo Apôstôly tany am-boalohany?

  • Rehefa mamaky momba ireo lehilahy fito izay voafidy hanampy ny Apôstôly ianao dia inona no toetra tahaka ny an’i Kristy tsikaritrao fa nananan’izy ireo?

  • Ahoana araka ny eritreritrao no ahafahan’ny tsirairay amin’ireo toetra ireo manampy ny olona iray hanompo sy hitahy ireo hafa izay sahirana?

Ny fahamarinana iray azontsika fantarina avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo dia ny hoe: Rehefa mikolokolo ireo toetra tahaka ny an’i Kristy isika dia afaka manompo sy mitahy tsaratsara kokoa ny sahirana.

  • Inona avy ireo toetra fanampiny ananan’i Jesoa Kristy ka manampy Azy hanompo ireo sahirana?

Makà fotoana hisaintsainana ny fomba nitomboanao tsara tamin’ireo toetra tahaka ny an’i Kristy ireo. Moa ve misy amin’ireo toetra ireo mifandray amin’ny tanjonao manokana ao amin’ny fandaharan’asa Ankizy sy Zatovo? Raha izany no izy dia makà fotoana hanoratana ao amin’ny diary fandalinanao momba ny hoe manao ahoana ny fandrosoanao amin’ny fikolokoloana izany toetra izany. Raha tsy izany dia ataovy ao anatin’ny diary fandalinanao ny drafitrao amin’ny fikolokoloana izany toetra tahaka ny an’i Kristy izany mba hahafahanao manompo sy mitahy tsara kokoa sy mitahy ny sahirana.

Ny fijoroana ho vavolombelon’i Stefana sy ny namonoana azy ho martiora

Nanoratra ny Loholona Bruce R. McConkie (1915–85) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Sarin’ny Loholona Bruce R. McConkie hatreo amin’ny soroka.

Tsy mora ny fahatongavan’ny zavatra lehibe; mifanehatra amin’ny fanoherana lehibe ny tranga manan-danja manova izao tontolo izao.

(Bruce R. McConkie, “Once or Twice in a Thousand Years,” Ensign, Nôv. 1975, 18)

Mihatra amin’i Stefana ny tenin’ny Loholona McConkie. Na dia “nanao fahagagana sy famantarana lehibe teo amin’ny vahoaka [i Stefana] … ny sasany, izay avy amin’ny synagoga … niady hevitra [taminy]” (Asan’ny Apostoly 6:8–9). Nentina teo anatrehan’ny filankevitry ny Jiosy i Stefana, ary nisy vavolombelona mpandainga nentina niampanga azy.

Rehefa nijoro teo anatrehan’ireo mpitarika Jiosy i Stefana, dia notantarainy ny nanoheran’ny Jiosy ny Fanahy Masina nandritra ny taranaka maro sy ny nandàvana ary ny namonoana ireo mpaminany izay nirahin’ Andriamanitra teo anivon’’izy ireo. Nijoro ho vavolombelona i Stefana avy eo fa nitohy hatramin’’io andro io ireo fihetsika feno fikomiana ireo, satria novonoin’ny olona mihitsy i Jesoa Kristy, Zanak’ Andriamanitra (jereo ny Asan’ny Apostoly 7:51–52).

Vakio ny Asan’ny Apostoly 7:54–60, ka tadiavo ny zavatra nataon’i Stefana na dia teo aza ny hatezerana sy fanoherana toy izany.

Sary
Ity sary hosodoko ity dia maneho ny fitoraham-bato an’i Stefana araka ny voafariparitra ao amin’ny Asan’ny Apostoly 7:54-60. Teo amin’ny fitoerana somary mandry no naneken’i Stefana tamin’ny alalan’ny fihetsika ny fanatrehan’ny Ray sy ny Zanaka izay nijoro tamin’ny akanjo fotsy teo an-tampon’ilay sary hosodoko ao amin’ny lanitra misokatra. Nataon’ireo nitora-bato azy tamim-pankahalana sy habibiana mahatsiravina izany. Mihazona ny akanjon’ny roa amin’izy ireo i Saoly. Misy mpisorona manao fijery miavona roa mijro eo ankavanana. Nosoniavina hoe “Walter Rane” ilay sary hosodoko.
  • Inona no nisongadina taminao tamin’ny tantaran’ny namonoana an’i Stefana ho maritiora?

Araka ny asehon’ny tantara momba ny namonoana an’i Stefana ho maritiora, ny olona sy ny tanjona tsara dia matetika tojo “fanoherana lehibe.”

  • Ahoana no nahitanao izany teo amin’ny fiainanao?

Tahaka an’i Stefana, rehefa misafidy ny hizara ny zavatra inoanao sy ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny Mpamonjy sy ny filazantsarany ianao dia mety hiaina fanoherana na fanenjehana mihitsy aza. Nampianatra ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Sary ôfisialin’ny Loholona Jeffrey R. Holland. Nalaina tamin’ny Janoary 2018.

Milaza amin’ny rehetra aho, indrindra amin’ireo tanoran’ny Fiangonana, fa ho avy ny fotoana indray andro any, raha toa ka mbola tsy nitranga izany, izay hanananareo fahafahana hiaro ny finoanareo, na hiaritra herisetra mihitsy aza noho ianareo hoe mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany tsotra izao fotsiny. Ny fotoana toy izany dia sady mitaky herim-po no mitaky fahalalam-pomba avy aminareo.

(Jereo Jeffrey R. Holland, “Ny Sarany Efaina—sy ireo Fitahiana azo—amin’ny Maha- mpianatr’i Kristy,” Liahona, mey 2014, 6).

2. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Nahoana araka ny eritreritrao no mendrika hijoroana ho vavolombelona sy harovana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

  • Ahoana araka ny eritreritrao no ahafahan’ny Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy manampy anao rehefa miatrika fanenjehana noho ny fijoroana ho vavolombelona sy ny fiarovana Azy Ireo ianao?

Makà fotoana hisaintsainana ny fomba ahafahanao misafidy ny hijoro ho vavolombelona sy hiaro ny Rainao any An-danitra sy ny Zanaka Malalany mandritra ity herinandro ho avy ity.

Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Asan’ny Apostoly 6:1–6. Iza no voantso hanampy ny Apôstôly amin’ireo raharaha ara-batana ankehitriny?

Tahaka ny niantsoan’ny Tompo lehilahy fito mendrika mba hanampy ny Roambinifololahy tamin’ny fanomezana ny zavatra nilain’ny Fiangonana teo amin’ny ara-batana araka ny voarakitra ao amin’ny Asan’ny Apostoly mihitsy no niantsoan’ny Tompo ny Episkôpà Mpiahy mba hanampy ny Roambinifololahy amin’ny fanomezana ny zavatra ilain’ny Fiangonana eo amin’ny ara-batana amin’izao ankehitriny izao. Ny Eveka Mpiahy sy ireo mpanolotsainy roa dia manompo eo ambany fitarihan’ny Fiadidiana Voalohany amin’ny fitantanana ireo raharaha ara-batan’ny Fiangonana. Ireo fanatitra amin’ny fifadian-kanina dia ampahany tena manan-danja ao anatin’io fandaharanasa io ary manome fanampiana tsy maharitra ho fitsinjovana ny aina ho an’ireo mahantra manerana izao tontolo izao. (Mba hahitana fampahalalana bebe kokoa dia jereo ny “Presiding Bishopric” ao amin’ny newsroom.ChurchofJesusChrist.org.)

Hiatrika fanenjehana ve aho na tsy maintsy hiaro ny finoako?

Jereo ny horonan-tsary “Ny sarany efaina—sy ireo fitahiana azo amin’ny maha-mpianatr’i Kristy” (hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org) manomboka amin’ny mari-potoana 1:01 ka hatramin’ny 2:31, na vakio ny teny nambara etsy ambany.

Ny Loholona JeffreyR. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanome ohatra momba ny olona iray nenjehina raha niezaka ny hijoro ho vavolombelona momba an’i Kristy:

Sary
Sary ôfisialin’ny Loholona Jeffrey R. Holland. Nalaina tamin’ny Janoary 2018.

Vao haingana no nisy rahavavy misiônera iray nanoratra taty amiko hoe: “Nahita lehilahy iray nipetraka sy nisakafo teo amin’ny dabilio teo amin’ny lapan’ny tanàna izaho sy ny rahavavy mpiara-miasa tamiko. Rehefa nanatona azy izahay, dia nitraka izy ka nahita ny soratra famantarana ny misiônera teny aminay. Nahatsiravina ny fijeriny, ary nitsangana izy sady nanainga ny tanany handeha hamely ahy. Nahay niala aho, saingy naloany teny amiko indray ny sakafony sady nanomboka nanompa anay tamin’ny teny ratsy faran’izay mahatsiravina izy. Niala teo izahay ary tsy niteny na inona na inona. Niezaka namafa ny sakafo teny amin’ny tarehiko aho, kanjo nisy vaingan’ovy voapotsitra namely ahy indray avy tao amin’ny hatoka. Indraindray dia tena sarotra ny manao asa fitoriana satria tamin’izay fotoana izay aho dia naniry ny hiverin-dalana, sy hisambotra ilay rangahy kely ka hiteny hoe: -AZAFADY KELY HOE!- Saingy tsy nanao izany aho.”

Ho an’io misiônera feno fanoloran-tena io, dia izao no lazaiko, ry zanako malala, ianao dia efa niditra tamim-panetrentena ho isan’ny vondrona iray izay ahitana vehivavy sy lehilahy tena miavaka izay voalazan’ny mpaminany Jakôba ao amin’ny Bokin’i Môrmôna hoe “ni[banjina ny fahafatesan’i Kristy] sy [n]iaritra ny hazofijaliany ary [nizaka] ny henatr’izao tontolo izao” [Jakôba 1:8].

(Jereo Jeffrey R. Holland, “Ny Sarany Efaina—sy ireo Fitahiana azo—amin’ny Maha- mpianatr’i Kristy,” Liahona, mey 2014, 6).

Hamoaka printy