Seminera
Asan’ny Apostoly 8


Asan’ny Apostoly 8

Nampianatra lehilahy Etiopiana iray i Filipo

Sary
I Filipo (olona ao amin’ny Testamenta Vaovao) mampianatra ny filazantsara amin’ny Etiopiana raha manao dia an-tsarety izy ireo. Lehilahy iray hafa hita anaty sary eo am-pitondrana soavaly sy sarety. Hita eo akaikin’ny lalana lalovan’izy ireo ny farihy na renirano iray. Andinin-tsoratra masina: Asan’ny Apostoly 8:26–39

I Filipo dia misiônera nafana fo sy nahatoky izay nankany an’efitra noho ny didin’ny Tompo. Notarihin’ny Fanahy ho any amin’ny lehilahy Etiopiana anankiray izay namaky ny soratra masina tao anatin’ny kalesiny i Filipo. Rehefa nanontany an’ilay lehilahy i Filipo hoe azony ve ny zavatra izay novakiany, dia namaly izy hoe, “Hataoko ahoana no fahay, raha tsy misy mampianatra ahy?” (Asan’ny Apostoly 8:31). Noho ny fahatakarany sy ny fitiavan’i Filipo ny soratra masina, dia afaka nampianatra ilay Etiopiana momba an’i Jesoa Kristy tamin’ny fomba izay nitarika azy hino sy hatao batisa izy. Rehefa mandalina ny Asan’ny Apostoly 8:26–40 ianao, dia saintsaino izay ahafahanao mampiasa ny soratra masina mba hanampiana ny hafa hino sy hanatona an’i Jesoa Kristy.

Mampiasa fitaovana mifanaraka

Ny fampiasana ny fitaovana mifanaraka amin’ny zavatra atao dia afaka manampy anao hanangana sy hanamboatra zavatra misy fahasimbana amin’ny fomba haingana sy mora kokoa. Alaivo sary an-tsaina ny maha sarotra ny manangana na manamboatra fitaovana iray raha tsy misy fitaovana mifanaraka amin’izany. Hevero ny hampiasa ireto fitaovana manaraka ireto.

Sary
Maritoa
Sary
Tsofa
Sary
Akanjo tohitenan’ny mpiasa
  • Amin’ny fotoana inona no ilana ireo fitaovana ireo?

  • Ahoana no ahafahanao mampiasa azy ireny amin’ny fomba mahomby?

Tahaka izany koa ny fitaovana sy fahaiza-manao sasany dia azo ampiasaina mba hanorenana sy hanamboarana ny faniriantsika hanaraka ny Mpamonjy sy hiaina ny filazantsarany.

  • Inona avy ireo fitaovana ara-panahy na fahaiza-manao izay nanampy anao hitombo ao amin’ny Filazantsara?

  • Ahoana no fomba ahafahanao mampiasa ireo fitaovana ireo mba hanasana ny olona hafa hanatona ny Mpamonjy?

Ny iray amin’ireo fitaovana ireo dia ny fahafahantsika mahatakatra sy mampiasa ny soratra masina, indrindra fa noho izy ireo mampianatra sy mijoro ho vavolombelona ny amin’i Jesoa Kristy. Saintsaino vetivety ny fomba ahatsapanao fa mahazo aina amin’ny fampiasana ny soratra masina mba hanasana ny hafa hanatona an’i Jesoa Kristy ianao. Rehefa mandalina ity lesona ity ianao, dia katsaho ny fitarihan’ny Fanahy Masina hahafantaranao ny fomba tsaratsara kokoa amin’ny ampiasana ny soratra masina mba hanampiana sy hitaomana ny hafa ho eo amin’ny Mpamonjy.

Voantso hankany an’efitra i Filipo

Ny Asan’ny Apostoly 8 dia mirakitra ny zavatra sasantsasany izay niainan’i Filipo, iray amin’ireo lehilahy fito nantsoin’ireo Apôstôly mba hanao asa fanompoana (jereo ny Asan’ny Apostoly 6:3–6). Mba hialana amin’ny fanenjehana izay tsy nitsahatra nitombo tao Jerosalema, dia nandeha tany Samaria i Filipo mba hanohy ny fizarana ny filazantsara. Tamin’ny alalan’ny fisoronana no nanaovany fahagagana sy nanasitrany olona maro ary “nitory momba an’i Kristy tamin’ny olona tao izy” (jereo ny Asan’ny Apostoly 8:5–8). Rehefa mandalina ity tantara manaraka ity ianao, dia tadiavo ireo fitaovana nampiasain’i Filipo mba hahombiazany tamin’ilay andraikitra tsy nampoizina izay noraisiny avy tamin’ny Tompo.

Vakio ny Asan’ny Apostoly 8:26–39, ary jereo ireo tranga izay voasoritsoritra ao amin’ity tantara ity. Azonao atao ny manisy marika ireo teny sy andian-teny izay manan-danja aminao. (Mariho fa ny tandapa dia mpanompo mahatoky, ary Esaia no anarana Grika ilazana an’i Isaia mpaminany.)

1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Ahoana no fomba izay nitarihan’ny Tompo an’i Filipo? Nahoana no zava-dehibe ny fanarahana ny bitsiky ny Tompo rehefa miezaka hanampy ny hafa mba hanatona Azy isika?

  • Ahoana no nahafahan’i Filipo nampiasa ny fahalalany ny soratra masina mba hampianarany ny momba an’i Jesoa Kristy tamin’ilay Etiopiana?

  • Inona no lesona nanaitra anao tamin’io tantara io?

Ao anatin’ireo fahamarinana maro ao amin’ity tantara ity dia mety nahita fitsipika iray toy izao manaraka izao ianao: Rehefa mahatakatra ny soratra masina sy mampianatra momba ny Mpamonjy avy amin’izany isika, dia afaka manampy ny hafa hanatona Azy.

Mampiasa soratra masina mba hampianarana ny momba an’i Jesoa Kristy

Rehefa nanontany ilay Etiopiana raha toa ka mikasika an’i Isaia mpaminany na “lehilahy hafa” ilay soratra masina izay novakiany, dia mariho fa ny fahalalan’i Filipo ny soratra masina no nahatonga an’i Filipo afaka nanomboka avy hatrany “tamin’izany soratra masina izany ka [nitory] taminy momba an’i Jesoa” (Asan’ny Apostoly 8:34–35).

Ilay andalan-tsoratra masina izay novakin’ilay Etiopiana dia hita ao amin’ny Isaia 53, faminaniana mahafinaritra iray momba ny Mpamonjy, Jesoa Kristy. Azonao atao ny mampifandray na mampifanaraka ny Asan’ny Apostoly 8:32–33amin’ny Isaia 53:7–8.

Alaivo Sary an-tsaina hoe eo amin’ny toeran’i Filipo ianao ary manana fahafahana hizara amin’ny namana iray ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba an’i Jesoa Kristy. Vakio ny Isaia 53:3–9, ka diniho tsara ny zavatra izay eritreretinao sy tsapanao momba ny Mpamonjy rehefa mamaky ianao.

2. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no zavatra tianao ho fantatry ny namanao, ho tsapany, na ho takany momba an’i Jesoa Kristy avy amin’io andalana io? Nahoana?

  • Ahoana no fomba hahafahanao mampiasa ny zavatra izay fantatrao sy tsapanao momba an’i Jesoa Kristy mba hamporisihina ny namanao hanaraka Azy bebe kokoa?

Mahery amin’ny alalan’ny fiomanana

Noho ny ezaka izay nataon’i Filipo dia niova fo sy natao batisa ilay Etiopiana (jereo ny Asan’ny Apostoly 8:36–38). Tahaka an’i Filipo, dia afaka mitarika sy mampahery ny hafa mba hanaraka sy ho tonga tahaka an’i Jesoa Kristy ihany koa isika. Ny Loholona Ulisses Soares ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra fa ny fiomanantsika manokana dia afaka manampy antsika hitarika ny hafa hanatona an’ Andriamanitra bebe kokoa:

Sary
Sary ôfisialin’ny Loholona Ulisses Soares, Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.

Rehefa mikatsaka ny hianatra sy hifampianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amim-kitsimpo sy amim-pahazotoana ary amim-pahamatorana isika, miaraka amin’ny tanjona tena marina ary eo ambany fanentanan’ny Fanahy, dia afaka hanova fo sy hitaona faniriana hiaina araka ireo fahamarinan’ Andriamanitra ireo fampianarana ireo.

(Ulisses Soares, “Ahoana no ahafahako mahatakatra?,” Liahona, mey 2019, 8)

3. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny iray amin’ireto andiam-panontaniana roa manaraka ireto:

  • Inona avy ireo fanitsiana tokony hataonao amin’ny fandinihanao manokana ny soratra masina izay hanomana anao hanampy ny hafa hanatona an’i Kristy? Amin’ny fomba ahoana no mety hanamafisan’izany fiovana izany orina ny fahatokianao ny fampiasana ny soratra masina ?

  • Inona tamin’ny fandalinana ny soratra masina natao androany no nanampy anao hahatsapa ho akaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy? Nahoana araka ny hevitrao no misy fiantraikany lalina kokoa aminao izy io mihoatra ny hafa?

Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Asan’ny Apostoly 8:27. Inona no atao hoe tandapa?

Ny tandapa dia andian-dehilahy izay nalana voa mba tsy ho afaka hiteraka intsony, izay nanao asa fanompoana tany amin’ny fiaraha-monina taloha sy afovoany Atsinanana tany. Miaramila izy ireo, niambina ny tranon’ny mpanjaka, ary matetika no nitana toerana ambony sy azo itokisana tao amin’ny fitsarana. Ilay tandapa Etiopiana ao amin’ny Asan’ny Apostoly 8:26–39 dia tompon’ Andraikitra ambony tamin’ny fitahirizana ny harenan’ny fitsaram-panjakana Etiopiana.

Ny mpianatra mahatoky dia afaka ny ho tonga mpampianatra entanim-panahy

Nampianatra ny Loholona Ulisses Soares ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Sary ôfisialin’ny Loholona Ulisses Soares, Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.

rehefa miresaka fianarana sy fampianarana ny filazantsara, dia indraindray isika tahaka ilay Etiopiana: mila ny fanampian’ny mpampianatra mahatoky sy entanim-panahy isika; ary indraindray isika dia tahaka an’i Filipo: mila mampianatra sy mankahery ny hafa ao amin’ny fiovampony isika.

(Ulisses Soares, “Ahoana no ahafahako mahatakatra?,” Liahona, mey 2019, 6)

Hamoaka printy