Tombano ny fianaranao 8
Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hanao tombana ireo tanjona napetrakao sy ny fivoaranao manokana nandritra ny fandalinanao ny Testamenta Vaovao.
Lasa mpianatr’i Jesoa Kristy
-
Raha toa ka afaka mandeha amin’ny toeran-kafa mbola tsy nalehanao ianao, dia aiza no tianao haleha?
-
Eny am-pandehanana, nahoana no zava-dehibe ny manombantombana raha mbola mizotra mankany ihany ny dia? Inona o zavatra mety hitranga raha tsy izany no izy?
Zava-dehibe ihany koa ny fanombanana ny diantsika ara-panahy. Ny Filoha M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra ny maha zava-dehibe ny asa mikendry ny tanjona ara-panahy ary rehefa avy teo dia nanampy izy hoe:
Hitako fa raha te hifantoka hatrany … , dia mila maka fotoana tsy tapaka aho hanontaniako tena hoe, “Manao ahoana aho?”
Ohatran’ireny hoe miresaka manokana sy mangina amin’ny tenanao ireny. …
Mandritra ’ireo herinandro ho avy, dia mitadiava fotoana hamerenana mijery ireo tanjona izay napetrakao teo amin’ny fiainanao sy ireo drafitra izay nataonao, ary ataovy azo antoka tsara fa mifanaraka amin’ny drafitra lehiben’ny Raintsika any An-danitra izany mba ho an’ny fahasambarantsika. Raha mila mibebaka sy miova ianao, dia ataovy dieny izao izany. …
Mijoro ho vavolombelona ny tenako fa tsy misy tanjona lehibe mihoatra ny miaina mandrakizay miaraka amin’ny Ray aman-drenintsika any An-danitra sy ny Mpamonjy malalantsika, dia i Jesoa Kristy Tompo. Saingy mbola ambony noho ny tanjon tsika izany—izany dia tanjon’ Izy Ireo ihany koa. Manana fitiavana tonga lafatra ho antsika Izy Ireo, manana hery lehibe izay mbola vao miantomboka ho takantsika. Izy Ireo dia mifanaraka tanteraka, sy feno, ary mandrakizay amintsika. Asan’ Izy Ireo isika. Ny voninahitsika dia voninahiny ihany koa. Mihoatra noho ny zavatra hafa rehetra, tian’Izy Ireo hody any an-trano isika.
(M. Russell Ballard, “Miverina sy mandray,” Liahona,mey 2017, 64–65)
Makà minitra vitsivitsy ametrahana amin’ny tenanao ireto fanontaniana manaraka ireto, toy ’ireny hoe miresaka manokana sy mangina amin’ny tenanao ireny ianao. Hevero ny hanoratra ao anatin’ny diary fandalinanao ireo valin-teninao.
-
Inona no zavatra nataoko tato ato mba hahazoana fijoroana ho vavolombelona momba ana fahamarinana voafaritra tsara amin’ny alalan’ny Fanahy Masina? Inona no zavatra ianarako momba ny fandraisana fanambarana amin’ny alalan’ny Fanahy Masina? (Mety efa naka fotoana handinihana izany ianao rehefa nandalina ny 1 Korintiana 2.)
-
Inona no tanjoko mba hanatonako akaiky kokoa ny Mpamonjy sy hahatonga ahy ho lasa mpianany? Inona avy ireo fahombiazana iainako? Inona avy ireo sakana atrehiko? Inona no zavatra tokony hataoko mba hikatsahako ny fanampian’ny Tompo sy hanohizako ny fivoarana amin’ny diako ara-panahy?
Manazava ny fahasoavan’i Jesoa Kristy
Mba hanampiana anao hanombana ny fahatakaranao ny fahamarinana anankiray manan-danja ao amin’ny filazantsara izay nohalalininao vao haingana, dia ataovy ity sahanasa manaraka ity:
Alaivo sary an-tsaina hoe nifandray taminao ny misiônera. Mampianatra olona mitovy taona aminao izay manana olana amin’ny fahatakarana ny momba ny fahasoavan’i Jesoa Kristy izy ireo. Nangataka anao ireo misiônera hiaraka amin’izy ireo amin’ny fotoam-pampianarana manaraka mba hahafahanao mizara ny zavatra fantatrao momba ny fahasoavan’ny Mpamonjy sy ny fomba nahafahan’ny fanarahana an’i Jesoa Kristy nitahy ny fiainanao.
Makà fotoana hikarohana soratra masina sy fahamarinana ao amin’izany izay mety manampy. Mety hanampy ny famakiana ny sasany amin’ireto andinin-tsoratra masina ireto:
-
Romana 4:16 (tafiditra amin’izany ny Dikantenin’i Joseph Smith ao amin’ny Romana 4:16, fanovozan-kevitra eny amin’ny faran’ny pejy a)
Ampitomboy ny fanirianao hiray hina amin’i Kristy
Ny firaisan-kina dia foto-kevitra anankiray hafa manan-danja tao amin’ny taratasy nosoratan’i Paoly ho an’ireo Romana sy Korintiana.
Katsaho ny fitarihan’ny Fanahy Masina mba hanampy anao hahafantatra ireo lafiny tian’ny Tompo hiraisanao hina kokoa amin’ny hafa ao amin’i Kristy. Mikatsaha fanambarana momba ny fomba handresena ireo olana izay mety hatrehinao ihany koa.
Tohizo hatrany ny fivoarana amin’ny dia ara-panahinao, mba hanakaikezana kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Fantaro fa tia anao Izy Ireo ary vonona hanampy anao amin’ny ezaka ataonao.