Seminera
1 Korintiana 2


1 Korintiana 2

Mahatakatra zavatra ara-panahy

Sary
BYU Photo Walk. Vehivavy roa miresaka.

Inona avy ireo foto-kevitra araka izao tontolo izao manodidina anao izay mampananosarotra ny fanavahana ny fahamarinana indraindray? Ireo Olomasina tao Korinto dia nikorotan-tsaina noho ireo foto-kevitra araka izao tontolo izao, ary niezaka nanampy azy ireo ny Apôstôly Paoly hahita ny fomba hianaran’izy ireo fahamarinana ara-panahy maharitra. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hanasa ny Fanahy Masina hanampy anao hianatra zavatra ara-panahy.

“Lazao amiko hoe ahoana no ahafantaranao”

Ny Filoha Boyd K. Packer (1924–2015) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nizara ity tantara manaraka ity:

Sary
Sary ôfisialin’ny Loholona Boyd K. Packer, tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, 2000. Nodimandry tamin’ny 3 jolay 2015.

Tao anaty fiaramanidina iray aho dia nipetraka teo akaikin’ny profesora tsy mino an’ Andriamanitra iray izay tena faingana amin’ny filazany ny tsy finoany an’ Andriamanitra hany ka nijoro ho vavolombelona taminy aho. “Diso ianao,” hoy aho, “misy Andriamanitra. Fantatro fa velona Izy!”

Nandà mafy izy hoe: “Tsy mahafantatra ianao. Tsy misy olona mahafantatra izany! Tsy afaka ny hahafantatra izany ianao!” Rehefa tsy nilavo lefona aho dia nametraka fanontaniana izay angamba faran’ny sarotra indrindra momba ny fijoroana ho vavolombelona ilay tsy mpino an’ Andriamanitra izay mpisolovava no asany. “Eny ary,” hoy izy sady somary naneso, “hoy ianao hoe mahafantatra ianao. Lazao amiko hoe ahoana no ahafantaranao.”

(Boyd K. Packer, “The Candle of the Lord,” Ensign, Jan. 1983, 51)

  • Amin’ny fomba ahoana no ahitanao io karazana fanontaniana io eto amin’izao tontolo izao ankehitriny?

  • Ahoana no mety hamalianao ny fanontanian’ilay lehilahy?

Eo am-pandalinanao dia saintsaino hoe manao ahoana ny fahaizanao mianatra fahamarinana ara-panahy ary mikaroka fahatakarana izay hanampy anao hianatra misimisy kokoa.

Mianatra fahamarinana ara-panahy

Ireo Olomasina tao Korinto dia nanafangaro foto-kevitra sy fanao araka izao tontolo izao niaraka tamin’ny fiainana ny filazantsara. Vokatr’izany dia lasa nanao fahadisoana maro izy ireo. Nanoratra ho azy ireo i Paoly mba hanampiana azy ireo hahatakatra ny fomba hianarana zavatra ara-panahy.

Vakio ny 1 Korintiana 2:9–14, tadiavo ireo fahalalana izay afaka manampy antsika hianatra fahamarinana ara-panahy.

Mariho fa ny “olona araka ny nofo” ao amin’ny andininy 14 dia “olona mifidy ny hotarihin’ny firehetampo, ny faniriana, ny filàna ary ny fahatsapan’ny nofo toy izay ny fitaoman’ny Fanahy Masina” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Olona araka ny Nofo,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org).

  • Inona avy ireo andininy na andian-teny izay nanaitra anao? Inona no tianao momba azy ireo?

  • Inona no nianaranao momba ny Ray any An-danitra sy ny fitiavany anao ao amin’ny andininy 9?

  • Inona no fahamarinana hitanao mikasika ny fomba hanambaran’ny Ray any An-danitra fahalalana amin’ireo zanany?

Ampianarina ao amin’ireo andininy ireo ny fahamarinana hoe amin’ny alalan’ny Fanahiny ihany no ahafahantsika mahafantatra sy mahatakatra ireo zavatr’ Andriamanitra.

Ohatra mety hitranga amin’ny tsy fahatakarana ny fomba hianarana fahamarinana ara-panahy, vakio ny zava-nitranga tamin’ny Filoha Packerniezaka nanazava ny fomba nahafantarany fa tena misy Andriamanitra tamin’ilay olona tsy mino an’ Andriamanitra tao anaty fiaramanidina:

Sary
Sary ôfisialin’ny Loholona Boyd K. Packer, tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, 2000. Nodimandry tamin’ny 3 jolay 2015.

Rehefa nampiasa ny teny hoe Fanahy sy vavolombelona, aho dia novalin’ilay olona tsy mino an’ Andriamanitra hoe: “Tsy misy fantatro izay zavatra resahinao.” Ny teny hoe vavaka, sy fahaizana manavaka, ary finoana, dia samy tsy midika na inona na inona aminy.

(Boyd K. Packer, “The Candle of the Lord,” Ensign, Jan. 1983, 51)

Mianatra amin’ny alalan’ny Fanahy

1. Mamoròna lisitrana fahamarinana ao anatin’ny diary fandalinanao araka ny torolalana eto amin’ity andiam-pehezan-teny manaraka ity. Avy eo dia valio ireo fanontaniana roa manaraka izany.

Tanisao ao anatin’ny diary fandalinanao ireo fahamarinana ara-panahy sasany nianaranao tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Tanisao ihany koa ny fahamarinana sasantsasany tianao hahazoana fijoroana ho vavolombelona. Mety ahitana izao manaraka izao ny ohatra sasantsasany: Tena misy ary tia ahy ny Ray any An-danitra, i Jesoa Kristy no Mpamonjiko, ary mpaminanin’ Andriamanitra i Joseph Smith.

Misafidiana iray amin’ireo fahamarinana hitanao ary valio ireto manaraka ireto:

  • Ahoana no hilazan’izao tontolo izao anao ny amin’ny fomba hahitana ny fahamarinana momba io lohahevitra io?

  • Inona no nataonao, na azonao atao, mba hahafantaranao izany fahamarinana izany amin’ny alalan’ny Fanahy Masina?

Raha te-hianatra kokoa momba ny fianarana fahamarinana amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ianao dia diniho ny fandalinana ny sasany amin’ireto loharanom-pitaovana manaraka ireto:

Manampy ny hafa hianatra amin’ny alalan’ny Fanahy

Vakio ity manaraka ity mba ho feno ilay tantaran’ny Filoha Packer. Rehefa nandà ny fanazavan’ny Filoha Packer ilay lehilahy tao anaty fiaramanidina, dia nahazo fitaomam-panahy ny Filoha Packer hangataka ilay lehilahy mba hilazalaza ny tsiron’ny sira:

Sary
Sary ôfisialin’ny Loholona Boyd K. Packer, tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, 2000. Nodimandry tamin’ny 3 jolay 2015.

Rehefa nanandrana nanao izany imbetsaka izy, dia mazava ho azy fa tsy nahomby. Tsy vitany ny nampita tamin’ny alalan’ny teny fotsiny ihany ny zavatra tsotra toy ny tsiron’ny sira. Nijoro ho vavolombelona taminy indray aho ka niteny hoe: “Fantatro fa misy Andriamanitra. Nihomehezanao izany fijoroana ho vavolombelona izany ary nilaza ianao fa raha mahafantatra tokoa aho dia ho afaka ny hilaza aminao marina tokoa hoe ahoana no hahalalako izany. Ry namako, raha amin’ny ara-panahy, dia efa nanandrana ny sira aho. Mitovy amin’ny tsy fahafahanao milaza amiko amin’ny teninao manokana ny tsiron’ny sira ny tsy fahafahako mampita aminao ny nahazoako izany fahalalana izany. Kanefa lazaiko aminao indray hoe misy Andriamanitra! Tena velona Izy! Ary satria fotsiny hoe tsy mahafantatra ianao, dia aza manadrana milaza amiko hoe tsy mahafantatra aho, satria mahafantatra aho!” …

Nanomboka tamin’izay zavatra niainako izay, dia tsy sadaikatra intsony aho na menatra hoe tsy afaka nanazava amin’ny alalan’ny teny fotsiny ny zavatra rehetra fantatro ara-panahy.

(Boyd K. Packer, “The Candle of the Lord,” Ensign, janan. 1983, 52)

2. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Nahoana ny Fanahy Masina no loharanon’ny fahalalana tsara kokoa noho ny fahendrena sy ny fihevitr’izao tontolo izao?

  • Inona no azonao atao mba hikatsahana fahalalana avy amin’ny Ray any An-danitra?

Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao ny zavatra tianao hatao mba hanohizana ny fianarana fahamarinana amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina.

Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Inona no azoko atao mba hianarana zavatra ara-panahy?

Ny Loholona Paul V. Johnson ao amin’ny Fitopololahy dia nilaza hoe:

Sary
Ny Loholona Paul V. Johnson ao amin’ny kôlejin’ny Fitopololahy naka sary ôfisialy, 2021.

Ny valin’ny fanontaniana ara-panahy dia omena an’ireo olona izay tsy manamafy ny fony, izay mangataka ombam-pinoana, mino fa hahazo valiny ary izay mitandrina ny didy amim-pahavitrihana.

(Paul V. Johnson, “A Pattern for Learning Spiritual Things” [fampitana mivantana amin’ny alalan’ny zanabolana an’ny Seminera sy Institiota fianarana ny filazantsara, 7 aog. 2012], broadcasts.ChurchofJesusChrist.org)

Moa ve ny zavatra toy ny fomba fiasa ara-tsiantifika na ny lôjika fotsiny azo ampiasaina mba hahatakarana fahamarinan’ny filazantsara?

Nilaza toy izao ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany:

Sary
Sary ôfisialin’ny Filoha Dallin H. Oaks nalaina tamin’ny martsa 2018.

Rehefa mikatsaka fahamarinana momba ny fivavahana isika dia tokony hampiasa fomba ara-panahy mifanaraka amin’izany fikarohana izany: ny vavaka sy ny vavolombelona avy amin’ny Fanahy Masina ary ny fandalinana ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany maoderina. Malahelo foana aho rehefa mahare olona manao tatitra ny famoizana ny finoana noho ny fampianarana araka izao tontolo izao. Ireo izay efa nahita zavatra ara-panahy dia afaka hampahorian’ny fahajambana ara-panahy izay nataon’ny tenany ihany. Araka ny nolazain’ny Filoha Henry B. Eyring hoe: “Tsy ao amin’izay heveriny fa hitany no olany; fa ao amin’ny zavatra mbola tsy hitany kosa” [Henry B. Eyring, To Draw Closer to God: A Collection of Discourses (1997), 143].

Ireo fomba ara-tsiansa dia mitarika antsika amin’ny antsointsika hoe fahamarinana ara-tsiansa. Saingy tsy “fahamarinana ara-tsiansa” ny fiainana iray manontolo. Ireo izay tsy mianatra “amin’ny alalan’ny fandinihana ary koa amin’ny alalan’ny finoana” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:118) dia mametra ny fahatakarany ny fahamarinana amin’izay azony hamarinina amin’ny alalan’ny siansa. Izy ireo ihany araka izany no mametraka fetra amin’ny fikarohany fahamarinana.

(Dallin H. Oaks, “Ny fahamarinana sy ilay drafitra,” Liahona, nôv. 2018, 25)

Ahoana no mety ho fomba ampitan’ny Fanahy Masina fahamarinana amiko?

Ny Loholona Richard G. Scott (1928–2015) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nilaza hoe:

Sary
Sary ôfisialy faran’ny Loholona Richard G. Scott tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, 2004. Nodimandry tamin’ny 22 septambra 2015.

Afaka mianatra zavatra tena manan-danja ianao amin’ny alalan’ny zavatra renao sy jerenao ary, mihoatra noho izany aza, amin’ny zavatra tsapanao, araka ny bitsiky ny Fanahy Masina. Olona maro no mametra ny fianarany amin’ny zavatra reny na vakinyvoalohany indrindra. Mba hendry. Ampitomboy koa ny fahaizana mianatra amin’ny alalan’ny zavatra hitanao ary indrindra amin’ny alalan’ny zavatra bitsihan’ny Fanahy Masina mba ho tsapanao. Katsaho amim-pahalalana sy tsy tapaka ny hianatra amin’ny alalan’ny zavatra tsapanao. Ny fahafahanao manao izany dia hivelatra amin’ny alalan’ny fampiharana miverimberina. Ilaina ny finoana sy ny ezaka lehibe mba hianarana amin’ny alalan’ny zavatra tsapanao avy amin’ny Fanahy. Mangataha amim-pinoana ny fanampiana toy izany. Meteza ho mendrika ny fitarihana toy izany.

(Richard G. Scott, “How to Learn by the Spirit,” New Era, sept. 2014, 48)

Hamoaka printy