2018
Mianatra araka ny fomban’ny Tompo
Ôktôbra 2018


Mianatra araka ny fomban’ny Tompo

Avy amin’ny lahateny iray natao nandritra ny seminera ho an’ny filohan’ny misiôna vaovao tamin’ny 25 jona 2014.

Ny fanasana ny Fanahy Masina mba ho mpampianatra no tanjona manan-danja ao anatin’ireo fakantahaka rehetra napetraky ny Tompo ho an’ny fianarana.

Sary
two girls talking

Ny fanafainganan’ny Tompo ny asany dia mitaky antsika mba hanohy hianatra sy hiova ary hibosesika handroso miaraka amin’ny finoana ny Mpamonjy.

Ny fakantahaka iray amin’ny zavatra rehetra

Tao anatin’ny fanambarana nomena ny Mpaminany Joseph Smith tamin’ny jona 1831 dia nanambara ny Tompo hoe: “Homeko anareo ny fakantahaka amin’ny zavatra rehetra, mba tsy ho azo fitahina ianareo; fa mivezivezy eran-tany i Satana, ary mivoaka izy hamitaka ireo firenena” (F&F 52:14).

Ny mahavariana dia nomen’ny Tompo “ny” fakantahaka amin’ny zavatra rehetra isika fa tsy “ireo” fakantahaka amin’ny zavatra rehetra. Tsy mino aho hoe ny tian’ny Tompo holazaina amin’ny hoe “ny fakantahaka amin’ny zavatra rehetra” dia fakantahaka iray ihany no ananany mba hampiasaina amin’ny toe-javatra rehetra. Fa ny fomban’ny Tompo dia ahitana karazana fakantahaka izay azo ampiasaina mba hanatanterahana tanjona ara-panahy samihafa.

Ny tanjontsika faratampony ao anatin’izay mety ho fianarana na fampianarana dia tokony ny hamantatra sy hampiasa ilay fakantahaka na ireo fakantahaka izay tena mifanaraka tsara amin’ny zavatra ilaintsika ary hanatanteraka ireo vokatra andrandraina avy amin’ny fianarana.

Ny Fanahy Masina no Mpampianatra

Ny Fanahy Masina dia mpikambana fahatelo ao amin’ Ny Andriamanitra, sy Mpanambara, Mpampianatra, Mpananatra, Mpanamasina, ary Izy no hampahatsiaro antsika ny zavatra rehetra (jereo ny Jaona 14:16–17, 26; 3 Nefia 27:20). Ny Loholona James E. Talmage (1862–1933) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava hoe: “Ny anjara asan’ny Fanahy masina ao anatin’ireo asa fanompoana eo anivon’ny olona dia voafaritra ao amin’ny soratra masina. Mpampianatra nalefan’ny Ray Izy ary ireo izay mandray ny fampianarany dia hanambarany ireo zavatra rehetra ilaina ho an’ny fivoaran’ny fanahy.”1 Ny fanasana ny Fanahy Masina mba ho mpampianatra no tanjona manan-danja ao anatin’ireo fakantahaka rehetra napetraky ny Tompo ho an’ny fianarana sy fampianarana.

Sary
young woman reading Preach My Gospel

Ny mpianatra iray mampiasa ny fahafahana misafidy ary manao zavatra mifanaraka amin’ireo fitsipika marina dia manokatra ny fony amin’ny Fanahy Masina, ary noho izany manasa ny fampianarany, sy ny heriny mijoro ho vavolombelona, ary ny tenivavolombelony mitondra fanamafisana. Mitaky fiezahana ara-panahy, ara-tsaina, ary ara-batana ny fianarana miaraka amin’ny finoana sy amin’ny alalan’ny finoana fa tsy vitan’ny mihaino fotsiny ihany. Ao anatin’ny maha-tena avy amin’ny fo ny asa avy amin’ny fitaoman’ny finoana izay ataontsika sy ny tsy fahatapahan’izany no hanehoantsika amin’ny Raintsika any An-danitra i Jesoa Kristy Zanakalahiny ny fahavononantsika hianatra sy handray torolalana avy amin’ny Fanahy Masina.

Diniho ny fomba hanampian’ireo misiônera ireo naman’ny Fiangonana mba hianatra amin’ny alalan’ny finoana. Ny fanaovana sy fitandremana fanolorantena ara-panahy, toy ny mandalina sy mivavaka mikasika ny Bokin’i Môrmôna sy mitandrina ny didy ary manatrika ireo fivoriam-piangonana dia mitaky ny naman’ny Fiangonana iray hampihatra finoana sy hanao asa. Io fitsipika io koa dia mihatra amin’ireo mpikamban’ny Fiangonana rehetra, ka tafiditra ao anatin’izany ireo ray aman-dreny sy mpampianatra ary mpitarika.

Ny fampianarana sy ny famporisihina ary ny fanazavana, na dia manan-danja aza izy ireo, dia tsy afaka velively hanome tenivavolombelon’ny fahamarinan’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny ho an’ny naman’ny Fiangonana iray na ankizy iray na mpianatra iray na mpikambana iray. Raha tsy rehefa miteraka fanaovana asa sy manokatra ny lalana mankany amin’ny fo ihany ny finoan’izy ireo vao afaka manome tenivavolombelona mitondra fanamafisana ny Fanahy Masina. Mazava ho azy fa tsy maintsy mianatra mampianatra amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy ireo misiônera sy mpampianatra ary mpitarika. Manan-danja toy izany koa anefa ny andraikitr’izy ireo eo amin’ny fanampiana ny hafa hianatra mivantana amin’ny alalan’ny finoana.

Ny fianarana faritako eto dia mihoatra lavitra ny fahatakarana ara-tsaina tsotra fotsiny sy ny fihazonana ary fitadidiana fampahalalana. Ny karazana fianarana resahiko dia mahatonga antsika hifoha ho an’ Andriamanitra (jereo ny Almà 5:7), hanaisotra ny maha-olona araka ny nofo (jereo ny Môsià 3:19), hanova ny fontsika (jereo ny Môsià 5:2), ary hiova fo ho an’ny Tompo, dia tsy hihemotra na oviana na oviana (jereo ny Almà 23:6). Ny fianarana amin’ny alalan’ny finoana dia mitaky fo sy saina marisika (jereo ny F&F 64:34) sy vokatry ny fitondran’ny Fanahy Masina ny herin’ny tenin’ Andriamanitra ho any amin’ny fo sy miditra ao anatin’ny fo. Ny fianarana amin’ny alalan’ny finoana dia tsy afaka miampita avy any amin’ny mpampianatra iray mankany amin’ny mpianatra iray, na avy any amin’ny misiônera iray mankany amin’ny naman’ny Fiangonana iray, na amin’ny alalan’ny fampianarana lesona, na fanehoana amin’ny alalan’ny ohatra, na andrana ho fianaran-javatra; fa ny mpianatra kosa no tsy maintsy mampihatra finoana sy manao asa mba hahazoany fahalalana ho an’ny tenany.

Ny fakantahaka ho an’ny fianarana sy fampianarana

1. Miomana hianatra. Raha toa ianao ka manatrika ny kilasin’ny Sekoly Alahady ary mihaino ny mpampianatra anao mamelabelatra lohahevitra iray dia tsara izany. Fa raha niasa sy niomana ianao, raha mieritreritra ireo zavatra izay nasain’ny mpampianatra anao mba hovakina sy hosaintsainina ary hoentina am-bavaka mialoha ny fotoam-pianarana ianao, dia afaka ny hirotsaka amin’ny fomba mahery vaika ny Fanahy ary ho lasa mpampianatra anao ny Fanahy Masina. Manasa ny fanambarana mba hirotsaka ny fiomanana.

2. Manao fifamalian’asa mba hitondrana fahazavan-tsaina amam-panahy. Te hisintona ny sainareo amin’ity andininy ity aho. “Manendre mpampianatra iray eo anivonareo, ary aoka tsy indray ho mpitondra teny ny rehetra; fa aoka hiteny tsirairay ary hihaino izay lazaina ny rehetra, ka rehefa avy miteny ny rehetra, dia ho azo aorina ny rehetra amin’ny alalan’ny rehetra, mba hananan’ny olona tsirairay zo mitovy” (F&F 88:122).

Sary
young man teaching

Iray amin’ireo fakantahaka mahery vaika napetraky ny Tompo ho an’ny fianarana sy ny fampianarana izany. Mamelà ahy hanolotra fomba fijery iray hafa an’ity andininy ity: “Manendre mpampianatra iray eo anivonareo.” Iza ilay mpampianatra? Ny Fanahy Masina. Azo atao ve izany hoe, raha tianareo ho ny Fanahy Masina no ho mpampianatra dia “aoka tsy indray [hiteny] ny rehetra; fa aoka hiteny tsirairay ary hihaino izay lazaina ny rehetra, ka rehefa avy miteny ny rehetra, dia ho azo aorina ny rehetra amin’ny alalan’ny rehetra”? Ny hany afaka mitondra izany fahazavan-tsaina amam-panahy izany dia ny Fanahy Masina.

Manasa ny fanambarana mba hirotsaka ny fifamalian’asa mba hitondrana fahazavan-tsaina amam-panahy. Amin’izao fotoana izao ao amin’ny Fiangonana dia mianatra sy mampihatra fakantahaka ho an’ny fianarana sy fampianarana izay sarotsarotra sy henjana ary mitaky zavatra maro bebe kokoa ara-panahy foana isika. Moa ve isika hanao foana izay efa nataontsika hatrizay ary hahazo ireo vokatra toy ny hatrizay, izay efa azontsika foana, sa hibebaka sy hianatra isika ary hiova sy hampianatra bebe kokoa ny fomban’ny Tompo?

3. Manasa mba handray andraikitra. Fanontaniana tsotra iray dia manampy amin’ny fanatratrarana izany tanjona izany. Inona no hataonao eo anatrehan’ny zavatra nianaranao androany? Manasa ny fanambarana mba hirotsaka bebe kokoa ny fandraisana andraikitra eo anatrehan’ny fanambarana.

Mivavaka aho mba haharaka ny fandehan’ny fanafainganan’ny Tompo isika, mba tsy hanao tsotra fotsiny izay efa nataontsika hatrizay amin’ny fomba fanaovantsika azy hatrizay.

Mijoro ho vavolombelona aho ny amin’ny fisian’i Jesoa Kristy Tompo marina. Mijoro ho vavolombelona aho fa velona Izy. Nitsangana tamin’ny maty Izy. Izy no lohan’ity Fiangonana ity ary mitantana ny raharaha ao anatin’izany Izy. Mamporisika antsika rehetra izy mba hanaraka ny fandehan’ny fanafainganany sy hanaraka ireo fakantahaka izay napetrany ho an’ny fivoarantsika sy ny fianarantsika.

Fanamarihana

  1. James E. Talmage, Articles of Faith, ed. faha-12 (1924), 162.

Hamoaka printy