2018
Be herim-po i Estera
Ôktôbra 2018


Ireo olona be HERIM-PO ao amin’ny Testamenta Taloha

Be herim-po i Estera

Sary
Esther Was Courageous

I Estera dia mpanjakavavin’i Persia. Tsy fantatry ny Mpanjaka hoe Jiosy i Estera. Nanana namana ratsy toetra izay nankahala Jiosy ny mpanjaka. Nofitahiny ny mpanjaka mba hilaza fa tsy maintsy vonoina ireo Jiosy rehetra ao amin’ny tany. Nanapa-kevitra ny hangataka ny mpanjaka mba hanavotra ny vahoakany i Estera. Saingy mety ho vonoina izy raha mandeha any amin’ny lapan’ny mpanjaka. Nangataka an’ireo Jiosy i Estera mba hifady hanina ho azy. Rehefa nandeha tany amin’ny lapan’ny vadiny i Estera dia noraisiny izy. Nasain’i Estera izy sy namana iray mba hiara-hisakafo. Teo no nilazan’i Estera tamin’izy ireo fa Jiosy izy. Tsy afaka nanova ilay lalàna ny mpanjaka, saingy navelany hiaro ny tenany ireo Jiosy. Namonjy ny vahoakany i Estera niaraka tamin’ny fanampian’ Andriamanitra!

“I Estera Mpanjakavavy,” Rebecca C., 8 taona, Aragua, Venezuela

Estera

Olona feno fahasahiana i Estera ary nino an’ Andriamanitra. Afaka ny ho be herim-po sy hijoro amin’ny fahamarinana aho!

  • Ianaro tsianjery ny ampahany farany amin’ny Estera 4:14.

  • Jereo ny toko 45 ao amin’ireo tantara ao amin’ny Testamenta taloha ao amin’ny scripturestories.lds.org.

  • Raha miteny ny ray aman-dreninao fa efa lehibe ianao dia mifadia amin’izay hanina ho an’ny olona iray izay tianao.

  • Afaka ny ho be herim-po aho amin’ny alalan’ny …

Hamoaka printy