2018
Fanohanana avy amintsika
Ôktôbra 2018


Mandra-pihaonantsika indray

Fanohanana avy amintsika

Nalaina avy tamin’ny lahateny natao tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana tamin’ny ôktôbra 2005.

Ny fitarihana ara-panahy dia miankina be dia be amin’ny firaisam-po aman-tsaina amin’ireo … mpaminany sy mpahita ary mpanambara.

Sary
raised hands

Te hiresaka mikasika ireo anjara fanompoana masin’ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana aho izay “voantso sy voafidy” (F&F 55:1) mba hitarika ny Fiangonana amin’izao andro izao. …

… Ireo Rahalahiko [ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo], tsy misy an-kanavaka dia lehilahy tsara sy mendri-panajana ary azo itokiana. Fantatro ny ao am-pon’izy ireo. Mpanompon’ny Tompo izy ireo. Ny hany fanirian’izy ireo dia ny hiasa ao anatin’ireo antso lehibe nomena azy ireo ary hanorina ny fanjakan’ Andriamanitra eto an-tany. Ireo Rahalahintsika izay manompo amin’izao andro sy fotoana izao dia voasedra sy niaina fitsapana ary mahatoky. … Tena madio ny fon’izy ireo, tena lehibe ny zavatra niainan’izy ireo, tena matsilo ny sain’izy ireo ary tena lalina ny fahendrena ara-panahin’izy ireo, ka mankahery na dia ny miaraka amin’izy ireo fotsiny aza.

… [Fony aho voantso dia nomena torohevitra aho] fa ny zavatra tena manan-danja indrindra tokony hataoko dia ny miray fo aman-tsaina amin’ireo Rahalahiko. … Nanakoako ho toy ny zavatra tiako hatao amin’ny foko rehetra izany.

… Hitako fa ny fitarihana ara-panahy amin’ny ankapobeny dia miankina amin’ny firaisam-po aman-tsaina amin’ny Filohan’ny Fiangonana, sy ny Fiadidiana Voalohany, ary ny Kôlejin’ny Roambinifololahy. Ireo rehetra ireo dia notohanana … ho mpaminany, sy mpahita, ary mpanambara. Tsy fantatro hoe ahoana no hiandrandrantsika ho iray fo aman-tsaina amin’ny Fanahin’ny Tompo raha toa isika ka tsy miray fo aman-tsaina amin’ny Filohan’ny Fiangonana sy ireo mpaminany, sy mpahita, ary mpanambara hafa. …

Ny torohevitro ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonana dia ny manohana ny Filohan’ny Fiangonana, ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ary ireo Manampahefana Ambony hafa amin’ny fo sy ny saina manontolo. Raha manao izany isika dia ho voaro. …

Isika koa dia mila manampy sy manohana ireo mpitarika antsika eo an-toerana, satria izy ireo koa dia “voantso sy voafidy.” Ny mpikambana rehetra ato amin’ity Fiangonana ity dia afaka mandray torohevitra avy amin’ny eveka iray, na filohan’ny sampana iray, na filohan’ny tsatòka na filohan’ny misiôna iray, ary ny Filohan’ny Fiangonana sy ireo mpiara-miasa aminy. Tsy nisy nangataka mba hahazo ny antsony ireo rahalahy ireo. Tsy misy olona tonga lafatra izy ireo. Kanefa izy ireo no mpanompon’ny Tompo, izay nantsoiny tamin’ny alalan’ireo izay nomena fahefana hahazo fitaomam-panahy. Ireo olona nantsoina, notohanana, ary natokana ireo dia manana zo ny hotohanantsika.

Hamoaka printy