2018
Mamirapiratra any amin’ny République Tchèque
Ôktôbra 2018


Areheto ny fahazavanao

Mamirapiratra any amin’ny République Tchèque

Natambatr’i Sharon Goodrich, Gazetibokin’ny Fiangonana

Sary
Shining Bright in the Czech Republic

Izahay dia ankizy ao amin’ny Kilonga any amin’ny République Tchèque. Toy izao ny fomba hamirapiratanay any amin’ny firenenay.

Indray mandeha, very ny fonon-tanana tiako indrindra. Tena nalahelo aho. Nivavaka izaho sy ny reniko, saingy tsy hitanay izany. Niezaka nanana finoana aho. Herinandro taty aoriana dia hitan’ilay zandriko kely teny an-dalana ilay fonon-tanako! Mamaly ny vavaka ataontsika Andriamanitra. Tiako Izy ary fantatro fa velona Izy.

Andre W., 9 taona

Manana namana izay tsy mpikamban’ny Fiangonana aho any am-pianarana, izay mbola manaja ireo fitsipika iainako. Niteny aho indray mandeha hoe tokony hivavaka isika, dia nanaiky izy ireo! Tena faly aho.

Ivana A., 11 taona

Handeha hidina izaho sy ireo namako. Rehefa tonga teo amin’ny ascenseur izahay dia nahatsapa ho tsy nahazo aina aho ary nangataka ireo namako mba tsy hampiasa izany. Nanapa-kevitra ny hampiasa izany ihany anefa izy ireo. Nidina ny tohatra aho. Rehefa tonga tany ambany aho dia tsy teo ireo namako. Nihitsoka ilay ascenseur! Ela vao tafavoaka tao izy ireo. Faly aho fa tsy nisy zava-doza nitranga. Faly koa aho fa nankatò ny Fanahy Masina.

Amalie N., 10 taona

Nanomboka nihamaizina ny lanitra teny amoron-dranomasina. Nifofofofo ny rivotra ary niteraka onja lehibe! Nisy kotroka sy tselatra ary havandra. Nihazakazaka nialoka ny olona rehetra. Tsy tratran’ilay oram-baratra izahay. Nahita avana anankitelo izahay teny an-dalana. Fantatray fa nanampy anay sy niaro anay Andriamanitra.

Jakub B., 10 taona

Manana namana iray tsy tian’iza na iza ho namana aho any am-pianarana. Nanomboka niteny taminy zavatra manafintohina izay nahatsapany ny tenany ho ratsy tarehy ireo ankizy hafa. Nolazaiko tamin’ny mpampianatra ahy izany ary nanasa an’ilay namako aho mba hiaraka hilalao amiko. Nahafaly ilay namako izany!

Ludmila V., 8 taona

Tezitra tamin’ny reniko aho satria tsy te handro sy handeha hatory aho. Nalahelo aho ny ampitson’izany noho ny safidy ratsy nataoko. Nilaza ny reniko fa afaka mivavaka isika ary mangataka ny Ray any An-danitra mba hamela antsika. Nandohalika izahay ary nivavaka. Nahazo aina kokoa aho. Nianatra aho fa afaka mibebaka isika ary noho i Jesoa Kristy dia afaka mahazo famelan-keloka aho.

Samuel H., 5 taona

Nizara ny fijoroako ho vavolombelona aho tany am-piangonana. Nitaky herim-po izany! Nanomboka tamin’izay aho dia nahatsapa ny Fanahy.

Eliska K., 11 taona

Rehefa narary ilay cochon d’Inde izay biby notezaiko tao an-trano, dia nivavaka ho azy aho. Feno fankasitrahana ny Ray any An-danitra aho noho ny fanampiany anay.

Aneta P., 10 taona

Hamoaka printy