2018
I Estera Mpanjakavavy
Ôktôbra 2018


Tantara ao amin’ny Soratra Masina

I Estera Mpanjakavavy

Nalaina tao amin’ny Estera 2–8.

Sary
Esther the Queen 1
Sary
Esther the Queen 2
Sary
Esther the Queen 3

Mpanjakavavy i Estera. Vadin’ny mpanjakan’i Persia izy.

Nanana namana iray izay lehilahy ratsy fanahy ny mpanjaka. Nofitahiny ny mpanjaka mba hamoaka lalàna fa tsy maintsy vonoina ny Jiosy rehetra! Tsy fantatry ny mpanjaka fa i Estera vadiny dia Jiosy.

Nanapa-kevitra i Estera fa hangataka ny mpanjaka vadiny mba hanavotra ny vahoakany. Saingy natahotra izy sao dia mety ho tezitra ny mpanjaka. Nangataka ny Jiosy rehetra i Estera mba hifady hanina sy hivavaka ho azy. Dia nandeha tany amin’ny mpanjaka i Estera avy eo. Tsy tezitra izy!

Nanasa ny mpanjaka sy ilay namany hiara-hisakafo i Estera. Nandritra ilay fisakafoana dia nilaza tamin’ny mpanjaka i Estera fa Jiosy izy. Tezitra ny mpanjaka fa namitaka azy ilay namany. Nilaza tamin’ny Jiosy izy fa afaka miaro tena izy ireo. Nanampy tamin’ny fanavotana ny vahoakany i Estera!

Afaka mivavaka isika mba hangataka fanampiana amin’ny Ray any An-danitra. Afaka ny ho feno fahasahiana sy be herim-po tahaka an’i Estera isika.

Hamoaka printy