2018
Mahazo fanampiana mba hanampiana ny hafa
Ôktôbra 2018


Ireo Fitsipika momba ny fanompoana

Mahazo fanampiana mba hanampiana ny hafa

Ahoana no fomba hampandraisantsika anjara ny hafa rehefa mila fanampiana isika ao anatin’ny ezaka ataontsika mba hanompo? Mandray anjara mandritra ireo dinidinika momba ny fanompoana sy ireo fivorian’ny filankevitra isaky ny Alahady voalohany.

Sary
two women talking

Rehefa nampalemy an’i Kathy ny aretina sclérose en plaques dia tsy maintsy nampiasa seza misy kodiarana izy. Hitany fa nila fanampiana izy isaky ny alina rehefa hiala eo amin’ilay seza ho eny am-pandriana. Tsy vitan’ny mpikambana iray monja ilay asa. Noho izany dia nifandinika mikasika ny toe-javatra niainany ny kôlejin’ny loholona ary nanapa-kevitra fa handrindra fandaharam-potoana mba hanampiana azy isaky ny hariva.1

Rehefa fantatsika ny zavatra ilain’ireo tompointsika sy ny tanjaka ananan’izy ireo dia afaka mahita isika fa mila fanampiana mba hanomezana izay zavatra ilain’izy ireo. Ireo dinidinika momba ny fanompoana sy ireo fivorian’ny filankevitra isaky ny Alahady voalohany dia sehatra anankiroa ahafahana miresaka mikasika ny fomba hampandraisana anjara ny hafa araka ny tokony ho izy.

Ireo dinidinika momba ny fanompoana

Ireo dinidinika atao isaky ny telo volana eo amin’ireo rahavavy manompo sy ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana ireo na eo amin’ireo rahalahy manompo sy ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona no hany tatitra ôfisialy ataontsika mikasika an’ireo izay tompointsika. Ilay dinidinika dia fahafahana ananana isaky ny telo volana farafahakeliny (1) mba hifampiresahana momba ny tanjaka sy ny zavatra ilaina ary ny toe-javatra mianjady amin’ireo fianakaviana sy ny olona eo ambany fiandraiketana, (2) mba hamaritana ny zavatra izay azon’ny kôlejy, na ny Fikambanana Ifanampiana, na ny filankevitry ny paroasy hitondrana fanampiana, ary (3) mba hianarana avy amin’ny mpitarika sy hahazoana fankaherezana manoloana ireo ezaka atao amin’ny fanompoana.

Mampahafantatra mivantana ireo zavatra manan-danja amin’ny eveka ny filohan’ny kôlejin’ny loholona sy ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana ary hahazo torohevitra sy torolalana avy aminy.

Afaka mahita fampahalalana bebe kokoa mikasika ireo dinidinika momba ny fanompoana ianao ao amin’ny ministering.lds.org.

Manao izay hampafonja ireo dinidinika momba ny fanompoana

Mba hanohanana ny fanambaran’ny Filoha Russell M. Nelson fa ny fandaharan’asa mikasika ny fanompoana dia ho lafin-javatra manan-danja iray izay hisy fiantraikany eo amin’ny lalan-kizoran’ny Fiangonana, dia nampianatra ny Loholona Gary E. Stevenson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Ny fahatanterahan’izany fahitany izany … dia mifototra amin’ny fampianarana araka ny tokony ho izy an’ireo rahalahy sy rahavavy manompo sy ny famporisihana azy ireo tsara mandritra ny dinidinika momba ny fanompoana.”2

Torohevitra efatra ho an’ireo rahalahy sy rahavavy manompo:

  • Atreho ny dinidinika mba hahazoana torohevitra. Mivonòna hianatra.

  • Mivonòna hiresaka mikasika ireo fanampiana izay mety ilanao fanampiana ny fanatanterahana azy.

  • Mifantoha amin’ireo tanjaka sy ireo fahaiza-manao ananan’ny olona tsirairay fa tsy amin’ireo zavatra ilany fanampiana fotsiny.

  • Mifampiresaha amin’ny fiadidiana mba hakana hevitra eny anelanelan’ny dinidinika isaky ny telo volana rehefa ilaina izany.

Torohevitra dimy ho an’ireo mpitarika:

  • Tsy ilaina atao lava be ny dinidinika fa manokàna fotoana ampy fotsiny any amin’ny toerana iray izay ahafahana manao fifampiresahana matotra.

  • Araraoty ilay fotoana hanompoana ilay rahalahy na rahavavy manompo.

  • Aza mametraka fanontaniana izay mahatonga ny olona hihevitra fa toa manisa ny famangiana fotsiny ianao na manisy marika ao anaty lisitra fa vita ny fifampiresahana tamin’olona iray (“Nahavita ny fanompoanao ve ianao?”). Fanontaniana izay manamafy orina ireo fihetsika tokony hatao no apetraho (“Inona no zavatra tsapanao rehefa nivavaka ho an’ilay fianakaviana ianao? Inona no nitranga rehefa nandray andraikitra teo anatrehan’ireo bitsika ireo ianao?”).

  • Mihainoa amin-kitsimpo ary mandraisa naoty.

  • Miaraha mifanakalo hevitra. Ireo mpiara-manompo dia manana fahafahana handray fanambarana mikasika ireo izay tendrena hotompoin’izy ireo.

Fanontaniana sy valiny mikasika ireo dinidinika momba ny fanompoana

Inona no atao hoe dinidinika momba ny fanompoana?

Fifanakalozan-kevitra eo amin’ireo rahalahy manompo sy ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kôlejy izany na eo amin’ireo rahavavy manompo sy ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana any amin’ny toerana iray izay manome fahafahana azy ireo hikatsaka sy hahazo fanentanam-panahy avy amin’ny Fanahy Masina. Vokatr’izany dia afaka ny hoentanim-panahy hiambina sy hitia ary hampahery araka ny fomban’ny Mpamonjy ireo rahalahy sy rahavavy manompo.

Moa ve tsy maintsy mifanatri-tava rehefa manao ireo dinidinika isaky ny telo volana ireo?

Amin’ny ankapobeny dia mifanatri-tava ny hanaovana izany saingy azo atao an-telefaonina na ara-tambazotra ifaneraserana izany rehefa tsy afaka mifanatri-tava. Amin’ny ankapobeny, dia mandray anjara amin’ilay dinidinika ireo mpiara-manompo rehefa azo atao izany.

Inona no tanjon’ny dinidinika momba ny fanompoana?

Ireo dinidinika momba ny fanompoana dia fotoana iray ahafahan’ireo rahalahy sy rahavavy manompo mba handinika ny toe-javatra misy amin’izao fotoana izao, sy hanao drafitra ho an’ny hoavy ary hitady izay fanampiana ilain’ireo olona na fianakaviana izay tompoin’izy ireo. Izany dia fahafahana iray hiresahana mikasika ireo loharanom-pitaovana azon’ny kôlejy sy ny Fikambanana Ifanampiana omena.

Ahoana no fomba hiatrehako ireo olana izay hazonina ho tsiambaratelo na saro-pady?

Ireo rahalahy sy rahavavy manompo dia tsy mizara ireo fampahalalana hazonina ho tsiambaratelo afa-tsy amin’ny filohan’ny kôlejin’ny loholona na amin’ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana ihany, na tonga dia mivantana amin’ny eveka. Tsy tokony hozaraina mandritra ny fivorian’ny filankevitra isaky ny Alahady voalohany ireo fampahalalana izay hazonina ho tsiambaratelo na saro-pady.

Sary
council meeting

Fivorian’ny filankevitra isaky ny alahady voalohany

Ankoatra ireo dinidinika momba ny fanompoana, dia fomba iray hafa mba hampandraisana anjara ny hafa amin’ny fanompoana ny fivorian’ny filankevitra isaky ny alahady voalohany. Mandritra ny fivorian’ny Fikambanana Ifanampiana sy ny kôlejin’ny loholona, dia afaka ny ho tonga eo amin’ireo izay manatrika amin’ny alalan’ny Fanahy sy afaka ny ho tonga avy amin’ireo olona hafa ao anatin’ny vondrona ny fanentanam-panahy.

Ny tanjon’ny fivorian’ny filankevitra dia ny:

  • “Hifampizara hevitra momba ireo andraikitra sy fahafahana hanao zavatra ary olana misy eo an-toerana;

  • “Hianatra avy amin’ny fampahalalana entin’ny tsirairay sy ny zavatra niainan’ny tsirairay; ary

  • “Hanao drafitra mba handraisana andraikitra eo anatrehan’ireo fahatsapana voaray avy amin’ny Fanahy.”3

Mihoatra noho ny fifanakalozan-kevitra ny fivorian’ny filankevitra: ireo fivoriana ireo dia mitarika antsika mba handray andraikitra manokana na miaraka ao anatin’ny vondrona araka izay anentanan’ny Fanahy. Afaka mahatsapa faniriana ny hanatanteraka ny asan’ny Tompo ireo mpikambana vokatr’ireo fivoriana ireo.

Fanasana mba handray andraikitra

“Ny vavaka ataontsika androany,” hoy ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia, “enga anie ny vehivavy sy ny lehilahy rehetra, ary ireo tovolahy sy tovovavy, mba hanana fanolorantena lalina kokoa ny hifampikarakara amin’ny fo tokoa, ka ny fitiavana madion’i Kristy no hany hery manosika azy ireo hanao izany.”4

Fanamarihana

  • Jereo ny horonan-tsary Mormon Messages “Lift,” lds.org/media-library.

  • Gary E. Stevenson, ao amin’ny “Ministering Interviews” (horonan-tsary), ministering,lds.org.

  • Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Fisoronana Melkizedeka sy ny Fikambanana Ifanampiana, ao amin’ny Liahona, nôv. 2017, 137; misy koa ao amin’ny comefollowme.lds.org.

  • Jeffrey R. Holland, “Miaraka amin’izy ireo sy manatanjaka azy,” Liahona, mey 2018, 103.

Hamoaka printy