Toe-javatra mikasika ny Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany Open PDF Olona mihoatra ny 100.000 no manatrika ireo fivoriana dimy ao amin’ny Ivon-toeran’ny Fihaonamben’ny Fiangonana ao Salt Lake City, Utah, Etazonia Olona any amin’ny firenena sy faritany miisa 221 no mijery ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Adika amin’ny fiteny miisa 94 ireo lahateny Ilay hazon’ny polipitra ao amin’ny Ivon-toeran’ny Fihaonamben’ny Fiangonana dia avy amin’ny hazo noaie efa antitra iray izay an’ny Filoha Gordon B. Hinckley (1910–2008) Omby ao amin’ny efitrano lehiben’ny Ivon-toeran’ny Fihaonambe ny fiaramanidina Boeing 747 iray, izay 70,5 m ny halavany Ny Filoha Russell M. Nelson dia nanolotra lahateny miisa 84 nandritra ny 34 taona naha-Manampahefana Ambony azy Ny ôrga ao amin’ny Ivon-toeran’ny Fihaonamben’ny Fiangonana dia manana fantsona miisa 7.667 saingy ny 170 ihany no hitan’ny mpanatrika Lahateny miisa 35 eo ho eo no zaraina isaky ny fihaonambe Ireo fanambarana manan-danja natao nandritra ireo fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany: Sept. 1995: “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao” Apr. 1998: Fanorenana tempoly madinika Apr. 2001: Nanomboka ny Kitapom-bola Maharitra ho an’ny Fianarana Ôkt. 2012: Nampidinina ny taona ahafahana ho misiônera Apr. 2018: Nanolo ny fampianarana sy ny famangiana isan-tokantrano ny fanompoana