Fanehoana ny finoana
Michael Isaac
Bydgoszcz, Pologne
“Afaka mitondra zavatra tsara be dia be ny faharariana,” hoy i Michael, izay voan’ny aretin’ny voa (insuffisance rénale). Koa satria nampitombo ny fankasitrahany ny filazantsara ny aretiny dia hoy izy hoe: “fitsapana tsara izany.”
Les Nilsson, Mpaka sary
Teraka tany Éthiopie tamin’ny 1942 aho ary nankany Pologne mba hianatra tamin’ny 1965. Tamin’ny 1991 aho dia nihaona tamin’ireo misiônera ka niditra ho mpikamban’ny Fiangonana. Efa filohan’ny sampana nandritra ny telo taona sy tapany aho. Mpanolotsaina voalohany tao amin’ny fiadidian’ny misiôna nandritra ny 12 taona aho. Nantsoina ho filohan’ny sampana indray aho, ary avy eo dia filohan’ny distrika. Taorian’izay aho dia lasa tratran’ny aretin’ny voa.
Zavatra vitsy sisa amin’izao no azoko atao ao amin’ny Fiangonana. Miezaka mandeha mivavaka aho rehefa Alahady.
Tezitra aho tamin’ny voalohany.
“Nahoana no izaho?” Nivavaka aho. “Nanompo Anao aho ry Tompo.” Rehefa afaka elaela dia nahatakatra aho. Hoy ny soratra masina hoe: “Izay manam-pinoana Ahy mba ho sitrana, ary tsy voatendry ny ho faty, dia ho sitrana” (F&F 42:48).
Milaza io soratra masina io fa ho sitrana isika raha tsy efa natao ho faty.
Manohy mivavaka ho ahy ireo mpikamban’ny Fiangonana, saingy miharatsy ny fahasalamako. Heverin’izy ireo fa tsy misy mahare ny vavaka ataon’izy ireo, kanefa misy mahare izany satria lasa olona tsaratsara kokoa izy ireo ary satria tsapako ny fitiavana asehon’izy ireo ahy.
Ary na dia hoe salama aza aho, dia haharitra hafiriana sisa ny fotoana hiainako amin’izao taonako izao? Na dia izany aza, dia maro ny zavatra mbola miandry ahy.
Tiako ny mamaky soratra masina sy mitady ireo olona be herim-po izay manampy ahy ao. Fony aho salama tsara sy afaka nanompo dia tiako ny nanao ny fanaon’i Nefia, fa amin’izao fotoana izao aho dia mieritreritra matetika an’i Joba. Lehilahy tsara toetra izy, ary nijaly ihany koa. Misy fanantenana foana ao amin’ny filazantsara.
Ao amin’ny tanàna tahaka an’i Bydgoszcz, raha te ho any amin’ny Ben’ny tanàna aho, dia tsy ho afaka mihitsy satria olon-tsotra ihany aho sady madinika. Kanefa amin’ny alalan’ny filazantsara dia misokatra foana ny varavarana raha te hiresaka amin’ Andriamanitra. Izay no antony hitiavako ny fiangonako.
Manana ny Fiangonana aho. Manana fomba iray ifandraisana amin’ Andriamanitra aho amin’ny alalan’ny vavaka, amin’ny alalan’ny fifadian-kanina, amin’ny alalan’ny zavatra rehetra ataontsika. Koa inona moa no ilaiko ankoatra izany?
Indraindray aho dia mieritreritra ny tenako hoe: “Izay angamba no antony mamparary ahy, mba hahafahako mahatakatra ny halehiben’ny Fiangonana izay misy ahy sy ny halehiben’ny filazantsara.”
Hitako lasa malahelo i Renata vadiko satria marary aho. Tsy tiako halahelo izy, kanefa ny alahelo dia vokatry ny fitiavana. Raha tsy tia izy dia tsy hangoraka. Ny fitiavana dia manampy anao hahatsapa fa tsy irery ianao ary misy olona miraharaha anao.
Tsy misy dikany izany maty izany. Ho faty daholo ny rehetra. Miankina amin’ny fomba fandraisantsika ny fahafatesana izany. Fantatro fa velona Andriamanitra. Tia antsika rehetra Izy, ary tia ahy koa. Izay no azoko lazaina.