2018
Fahagagana tao an-tranon’ny Tompo tany Kiev
Ôktôbra 2018


Fahagagana tao an-tranon’ny Tompo tany Kiev

Doru Vasile

Bucarest, Roumanie

Sary
President Monson greeting members in the temple

Sary nataon’i Allen Garns

Nientanentana ery izaho sy ny fianakaviako tamin’ny fandehanana fiara avy any Roumanie nankany Kiev, Ukraine mba hamonjy ny fanokanana ny tempoly tamin’ny aôgositra 2010. Noho ny fahafantaranay fa io no ho tempoly ho an’ny Olomasina tao amin’ny Misiônan’i Moldavie Roumanie, dia nanao dia teo ho eo amin’ny 14 ora teo izahay mba hahatongavanay any fotsiny. Rehefa tonga tany izahay dia nihaona tamin’ny andian’olona iray hafa izay nanao dia avy any Roumanie ihany koa. Faly daholo izahay tonga tao Kiev mba hanatrika io fotoana masina io.

Tamin’ny andron’ny fanokanana dia nasaina nijery ny fanokanana tamin’ny alalan’ny fampitana mivantana tao amin’ny efitrano iray tao ambany rihina tao amin’ny tempoly ny vondrona avy any Roumanie izay nisy anay. Nanomboka nanambara ny fahadisoam-panantenany ny sasany. Nanantena ny hanatrika ny fanokanana niaraka tamin’ny mpaminany tao amin’ny efitrano selestialy izy ireo. Ny sasany aza dia niteny mihitsy hoe afaka nijanona tany an-trano fotsiny izy ireo dia nijery ny fampitana mivantana tao amin’ny trano fiangonany tany Roumanie.

Nanomboka nivavaka tao am-poko aho hoe: “Ray any An-danitra ô! Ahoana no ahafahanay manampy an’ireto mpikambana avy any Roumanie ireto hiaina zavatra tsy hay hadinoina ato amin’ny tranonao?”

Tsy mbola naharay valinteny akory aho rehefa nanomboka ny fivoriana fanokanana. Fotoana fohy taorian’izay dia nahafantatra izahay fa ny mpaminany, ny Filoha Thomas S. Monson (1927–2018) dia handeha hidina ary hametraka ny vato fehizoro amin’ny toerany. Mety izay angamba ny valinteny nandrasanay! Nivavaka aho mba hahafahan’ny mpaminany manatona sy miarahaba an’ireo Olomasina avy ao Roumanie.

“Tsy ho ahy irery no angatahako an’izany,” hoy aho nivavaka, “fa ho an’ireo rahalahiko sy anabaviko.”

Rehefa vita ilay lanonana fametrahana ny vato fehizoro, dia nandalo teo akaikin’ny efitrano nisy anay ny Filoha Monson rehefa niverina nankany amin’ny efitrano selestialy. Tampoka teo dia nahatsapa tao am-poko aho fa tokony hitsangana dia hanasa azy ho ao amin’ny efitrano nisy anay.

Nitsangana aho dia niteny hoe: “Ry Mpaminaninay ô! Avia mba hiresaka aminay. Avy any Roumanie izahay.”

Toy ny hoe tsy nahare ahy izy. Fotoana fohy taorian’izay dia niverina izy. “Roumanie hoe e?” hoy izy sady niditra tao amin’ilay efitrano.

Niarahaba anay rehetra izy dia nilaza fa tiany be tokoa izahay. Feno fifaliana ny foko rehefa nahita ny endrik’ireo mpikambana malalanay izay feno fifaliana. “Misaotra Anao Ray Malala,” hoy aho nivavaka, “noho ity fahagagana ato amin’ny tranonao ity.”

Rehefa nandao ilay efitrano ny mpaminany dia tsy nisy nalahelo intsony. Tsapako fa tao amin’ny efitrano tena voatahy indrindra tao amin’ny tempoly no nisy anay. Zavatra niainana tsy hohadinoiko velively izany.

Hamoaka printy