2018
Fomba 5 hianaran-javatra avy amin’ny Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany
Ôktôbra 2018


Fomba 5 hianaran-javatra avy amin’ny Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany

Ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany dia fahafahana mahatalanjona hiarahana amin’ireo mpikamban’ny Fiangonana maneran-tany hihaino ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana sy handray fitarihana avy amin’ny Tompo. Ny fijerena sy ny fihainoana ary ny fandalinana ny hafatra avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany dia hitondra ny Fanahy ho eo amin’ny fiainanao ary hanamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona anananao. Fahafahana ho anao izany mba handraisana fanambarana ho an’ny tena manokana sy hampiharana izany.

Ireto misy fomba dimy ahafahanao mianatra zavatra avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany.

1. Soraty mialoha ny hanombohan’ny fihaonamben’ny Fiangonana ireo fanontanianao

Makà fotoana hanoratana ireo fanontanianao mialoha ny hanombohan’ny fihaonambe, ary aorian’izay dia henoy tsara ny valiny izay tonga eo aminao mandritra ny fihaonambe. Afaka ny ho voavaly ny vavakao sy ny fanontanianao rehefa mandray anjara sy mihaino ny Fanahy ianao.

2. Mikatsaha ny hianatra momba an’i Kristy

Sary
Image of Christ

Sombin-tsary avy amin’ny I Kristy sy ilay mpanankarena, nataon’i Heinrich Hofmann.

Mijoro ho vavolombelona sy mampianatra momba ny Mpamonjy ireo mpaminany (jereo ny Asan’ny Apostoly 10:43). Rehefa mihaino ny hafatra avy amin’ny fihaonambe ianao, dia azonao atao ny mieritreritra ny zavatra ampianarin’ireo mpandaha-teny anao momba an’i Jesoa Kristy. Azonao atao lisitra ao anatin’ny zavatra noraisinao an-tsoratra mihitsy aza izany.

3. Tadiavo ireo lohahevitra

Sary
colored pencils

Sary avy amin’ny Getty Images; sarin’ny zatovolahy iray eo ambony havoana avy amin’i Joshua Earle/Unsplash

Rehefa avy nijery fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany sasany ianao dia mety hahatsikaritra fa nandre lohahevitra na ventin-kevitra notononina mihoatra ny indray mandeha. Izany lamina tsikaritrao izany dia mety fomba iray hanampian’ny Fanahy anao hahafantatra ny zavatra ilainao ianarana.

4. Raiso an-tsoratra ny filazana momba ny Bokin’i Môrmôna

Sary
Book of Mormon

Afaka mianatra zavatra be dia be ianao amin’ny alalan’ny fihainoana tsara ny soratra masina resahin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana, indrindra fa ny Bokin’i Môrmôna, izay “vato ifaharan’ny fivavahantsika” (teny fanolorana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna). Jereo raha arakao tsara ny fotoana rehetra hanononana izany ao amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Ho gaga tokoa ianao amin’ny zavatra izay ho hitanao!

5. Manàna risi-po ary meteza ho taomim-panahy mba hanao asa

Sary
young man on mountaintop

Soraty ireo hafatra sy teny nindramina izay manentana ny fanahinao, na manasa anao hanao asa. Afaka manampy anao izany hampihatra ny zavatra nianaranao, ary hanampy anao hahatsiaro ny zavatra neritreretinao any aoriana rehefa mila ilay fampahatsiahivana ianao!

Hamoaka printy