2018
Ireo lalana izay manomana anao amin’ny hoavinao
Ôktôbra 2018


Ireo lalana izay manomana anao amin’ny hoavinao

Na mianatra any amin’ny oniversite ianao na mitady asa na mianatra asa tanana dia mampivelatra toetra tena ilaina amin’ny fanorenana ny fanjakan’ Andriamanitra ianao.

Sary
paths

Mino aho fa tsy misy tovovavy 14 taona maniry ny hahita ny tenany any amin’ny tranom-bokatra mamovoka mamadibadika sahiratsy efa harefesina ary manadio efitranon-tsoavaly izay mamofona. Kanefa tany no nisy ahy isaky ny avy nianatra isan’andro mandra-pahatonga ahy teo amin’ny taona ahafahana manao asa hafa.

Tsy toe-javatra niriko mihitsy ny hiasa mandritra ireo taona nianarako tany amin’ny lisea, saingy takatro tamin’izay fa raha maniry ny hanao asa izay tena tiako aho any aoriana, asa iray izay tsy ahitana fanadiovana ireo loto ataon’ny biby, dia ilaiko ny oniversite ary mila mianatra any amin’ny oniversite aho ary mila vola. Fantatro fa ho ahy, ny fianarana no dingana tsara mitondra mankany amin’ny fananana asa (antenaina) fa hampivoatra.

Ny zavatra tsara dia ilay lalana izay nosafidiko, dia iray amin’ireo lalana maro fotsiny ihany izay afaka manampy anao hianatra hiasa sy hamelona ny tenanao. Antsoina hoe lasa mizaka tena ara-batana sy ara-panahy izany. Rehefa mandinika ireo safidy eo anoloanao ianao dia miezaha misafidy lalana iray izay tsapanao fa hanomana anao amin’ny fomba tena tsara.

Ireto tantara ireto dia avy amin’ny olona izay nanana ny taonanao vao taona vitsy monja izay. Amin’ny alalan’ny fanarahana ireo ohatra nasehon’ireo tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony ireo, dia afaka mahita ny lalanao manokana mankany amin’ny fizakan-tena mahomby ianao.

Diniho ireo zavatra tadiavina manodidina anao

Nataon’i Oudom Piseth, Cambodge

Sary
Oudom

Mba hanatratrarako ny tanjoko dia miteny amin’ny tenako foana aho fa zava-dehibe ny miasa mafy, kanefa fomba iray hahombiazana ny miasa miharo fampiasana ny faharanitan-tsaina. Taorian’ny asa fitoriana nataoko tany Angletera dia niverina tany Cambodge aho ary nijery an’ireo tolotr’asa. Nojereko ireo zavatra toy ny hoe ny halavan’ny fiofanana mba hahazoana ny asa tsirairay ary ny saran’ny fiofanana.

Hitako fa ilay lalam-piofanana ho mpivarotra akanjo dia fohy saingy sarotra ary vitsy ny olona manao azy. Hitako hoe zavatra tsara araraotina izany ka nanapa-kevitra ny hanao izany aho. Efa nahavita ilay fandaharan’asa aho ary mpivarotra ao amin’ny orinasa mpamokatra akanjo iray.

Mety ho tena sarotra ny fahitana ilay asa sahaza ny tena, saingy manana ny Mpamonjy ahy aho mba hanampy ahy sy hanohana ahy.

Ampiasao ny fianarana ho toy ny fanokafana varavarana

Nataon’i Iolanda Teixeira, Cap Vert, Afrika

Sary
Iolanda

Namporisika foana ahy tamin’ny alalan’ilay fehezan-teny hoe, “Ny fianarana no fanalahidin’ny fahombiazana” ny reniko. Te hanana hoavy tsara kokoa ho an’ny tenako ary indrindra ho an’ny fianakaviako aho, ka mba hanaovana izany dia nilaiko ny nanohy ny fianarako. Noho ny tsy fananako vola handehanana tany amin’ny ivon-toeram-pampianarana ambony tamin’izany fotoana izany, dia nanao fangatahana vatsim-pianarana mba hianarako any amin’ny sekoly miompana amin’ny fampianarana teknika aho mba hianatra momba ny firafitry ny solosaina sy ny fanamboarana izany.

Niatrika olana maro aho nandritra ny fianarako, saingy tsy nanakana ahy handroso hatrany izany miaraka amin’ny maso mibanjina ilay hoavy tsara kokoa. Nanampy ahy be dia be ny vavaka ary mikatsaka torohevitra avy amin’ny Tompo foana aho. Naneho fanolorantena ho an’ny fianarako foana aho ary amin’izao fotoana izao dia maneho fanolorantena ho an’ny asako hatrany aho, ka manolotra ny tsara indrindra avy amiko amin’ny maha-teknisianina mikasika ny solosaina ahy sy amin’ny maha-mpanampy eo amin’ny lafiny haivarotra ahy.

Manaova asa amin’izao fotoana izao izay hitondra anao any amin’ilay hoavy irinao

Nataon’i Ann-Sophie sy Lawrence Cavin, Écosse, Royaume Uni

Sary
Ann-Sophie

Ann-Sophie: Naniry foana ny hianatra tany amin’ny oniversite aho, saingy ireo drafitro momba ny zavatra izay hianarana dia niova be nandritra ireo taona naha-zatovo ahy. Taorian’ny nahavitan’ny fianarako tany amin’ny lisea, dia nilatsaka hiasa an-tsitrapo tao amin’ny hôpitaly iray aho nandritra ny enim-bolana. Nanomboka tamin’izay dia tiako ilay hevitra hoe ho mpanampy mpitsabo, kanefa tsy nieritreritra ny hahavita izany aho.

Tao amin’ny kilasy fianarana momba ny fizakan-tena ao amin’ny paroasiko dia nangatahina izahay mba hisafidy asa iray tianay hatao na dia tsy manana ny fahaiza-manao takina amin’izany aza izahay. Nivavaka mikasika ny zavatra hataoko aho ary niverimberina tao an-tsaiko ny hoe mpanampy mpitsabo. Nanapa-kevitra ny hanaraka ny bitsiky ny Tompo aho.

Tsy mora ny fanarahana izany lalana izany. Mba hanombohana azy dia nanao fikarohana momba ny lalam-piofanana ho mpanampy mpitsabo aho sy ny zavatra hotakina amiko raha hianatra. Niresaka tamin’ny olona izay nanaraka dingana nitovy tamin’izany aho. Tamin’izaho nanao fangatahana voalohany hanaraka ilay lalam-piofanana ho mpanampy mpitsabo dia tao anatin’ny lisitry ny olona mbola miandry aho. Saingy tsy nilavo lefona fa nanao fangatahana indray ary tafiditra ihany tamin’ny farany. Indraindray ianao dia mila manana faharetana sy fahatokiana ny Tompo noho ny fananany drafitra manokana ho anao.

Sary
Lawrence

Lawrence: Fony aho zatovo dia nametraka tanjona aho mba hanao izay tsara indrindra avy amiko na inona na inona zavatra hianarako na asa hataoko. Niezaka foana ny hianatra sy hivoatra aho mba hanomezako ny tenako ny fahafahana tsara indrindra hahita fahombiazana.

Amin’izao fotoana izao aho dia mpitantana orinasa mamokatra akanjo iray, saingy te hiditra ao amin’ny tafiky ny pôlisy aho. Any Écosse, dia tsy maintsy mipetraka ao amin’ny firenena mandritra ny telo taona maninjitra ianao mialoha ny hanaovana fangatahana hirotsaka ho pôlisy. Noho ny tenako tany ivelan’ny firenena nanao asa fitoriana nandritra ny roa taona, dia tsy maintsy niandry volana vitsivitsy fanampiny aho mialoha ny hirotsahako tao anatin’izany.

Na dia sakana goavana aza izany dia tsy nilavo lefona aho. Manana asa tsara mba hamelomako ny fianakaviako aho ary niasa mafy aho mba hahazoako loharano hanovozan-kevitra ho an’ireo asa any aoriana.

Toy ireo tanora ireo dia hahita lalana maro afaka manomana anao mba hikarakara ny tenanao sy ny fianakavianao any aoriana ianao. Afaka mandrafitra ny fomba ahitana fahombiazana ianao miaraka amin’izany tanjona izany. Nampianatra ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:“Aoka isika hanao izay tsara indrindra vitantsika ary hanao izay hananana laza tsara amin’ny zavatra rehetra izay ataontsika. Aoka isika hanokana ny saintsika sy ny vatantsika amin’ireo fahafaha-manao asa maro izay atolotry ny andro vaovao tsirairay” (“Ireo fitsipika roan’ny fahariana,” ôkt. 2009 fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany). Rehefa mifantoka amin’ny fianarana sy ny asa ianao amin’izao fotoana izao dia hamorona fahazarana izay hanampy anao hahatsapa fahatokiana bebe kokoa momba ny hoavy ianao.

Hamoaka printy